Mitondra | : | (ny valy, ny vokatry ny natao): Mibaby ny fahotan'i Adama sy Eva ny velona rehetra, araka ny fampianarana krtstianina, Ahitsio |
Mitondraka | : | (tondraka) mt. s.: Mahazo rano hanirlany tsara: Tsy mboia nitondraka lahy ity voninakazo it?l 1 Mihoapefy: Nitondraka ny rano fa be loatra ny orana. • (biby) Manaram-po miraoka ahitra amin'ny volin'olona: Tsy manaiky aho fa omby dimy no nentin'i Lita nitondraka teny an-tanimboliko.
Ahitsio |
Mitondrantondrana | : | (tondrantondrana) mt. s.: Mitavozavoza, mitavoravora.
Ahitsio |
Mitondrendrena | : | (tondrendrena) mt. s.: Matoritory, mitsikam okam o, mitoredretra, mivozavoza.
Ahitsio |
Mitondritra | : | (tondritra) mt. s.: Mandroso na mitatao mankany ivelany.
Ahitsio |
Mitonendrina | : | (tonendrina) mt. s.: Miraikiraiky, tsy mitandrina tsara fa toa adaladala fanao zavatra.
Ahitsio |
Mitongalika | : | (tongaüka) mt. s.: Miforitra (ohatra ny lohalika).
Ahitsio |
Mitongika | : | (tongika) mt. s.: Mitohitohy ; miforitra; mivonkina, mikainkona.
Ahitsio |
Mitongilana | : | (tongilana) mt. s. (mitongilàna): Mihilana, tsy miarina marina tsara, miro-na, miraika: Mitongilana ity rindrina ity izany. • h.o.:Miangatra: Mitongilana io mpitsara io. ? Voatarika: Mitongilana amin'ny ratsy rehefa mety ho olombelona.
Ahitsio |
Mitongoa | : | (tongoa) mt. p.: Miampy, misy zavatra mitatao eo amboniny toy ny trafo (tongoa): Vary iray vilia mitongoa hena.
Ahitsio |
Mitongotra | : | (tongotra) mt. s.: Mibikan-tongotra: Mitongokisoa ny basy poleta.
Ahitsio |
Mitonjika | : | (tonjika) mt. s.: Sady mitontona no mitolila tampoka.
Ahitsio |
Mitonjina | : | (tonjina) mt. s.: Mitolatola, miraidraika.
Ahitsio |
Mitono | : | (tono) mt. s. (mitonoa): Manao ao anaty lel' afo na ao anaty lavenona mba ho masaka, fnanatsatsika amin'ny afo: Mitono hena. - F.-p.: Mitono aina: minia manao an-kasahiana ny zavatra mety hahafaty. j Mitono fo: manao zavatra mety hitera-doza na mina misetra izany, nefa mety hahafaty ny aina. / Mitono tena: mi-nia misetra ny zavatra mety hahitan-doza.
Ahitsio |
Mitonona | : | (tonona) mt. P. (mitondna): Milaza anaran'ny tena: Nanontaniana izy veto nitonona anarana. • Milaza tena: Mitonona ho solon-tenan'ny mpiasa izy, nefa tsy mikarakara azy ireo akory.
Ahitsio |
Mitontohitra | : | (tontohitra) mt. s.: Mitohy, misesy tsy mitsahatra: Mitontohitra ny asanareo eto izany! 1 Mifandimby tsy an-kijanona: Rehefa tsena ny andro, mitontohitra ny olona miditra ao antsena.
Ahitsio |
Mitontona | : | (tontona) mt. s.: Mianjera midofitra: mitsatoka na mitombina. ? Midona amin-javatra. 1 Miampy.
Ahitsio |
Mitony | : | (tony) mt, s.: Mihaketraka, mihalefy: Efa mitony va ny hatezerany? • Mionona: Mitony ihany ny alahelo rehefa ela ny ela.
Ahitsio |
Mitopatopa | : | (topatopa) mt. s.: Mihetsiketsika, mihevingevina, manonja: Mitopatopa ny alon-drano, ¶ M.h.: Manonjanonja, mivalombalona, mitomenjamenjana.
Ahitsio |
Mitopy | : | (topy) mt. s. (mitopaza): (maso) Miantefa mijery kely miserana: Nitopy tany amiko ny masony ka menatra aho.
Ahitsio |