Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitondra:(ny valy, ny vokatry ny natao): Mibaby ny fahotan'i Adama sy Eva ny velona rehetra, araka ny fampianarana krtstianina, Ahitsio
Mitondraka: (tondraka) mt. s.: Mahazo rano hanirlany tsara: Tsy mboia nitondraka lahy ity voninakazo it?l 1 Mihoapefy: Nitondraka ny rano fa be loatra ny orana. • (biby) Manaram-po miraoka ahitra amin'ny volin'olona: Tsy manaiky aho fa omby dimy no nentin'i Lita nitondraka teny an-tanimboliko. Ahitsio
Mitondrantondrana: (tondrantondrana) mt. s.: Mitavozavoza, mitavoravora. Ahitsio
Mitondrendrena: (tondrendrena) mt. s.: Matoritory, mitsikam okam o, mitoredretra, mivozavoza. Ahitsio
Mitondritra: (tondritra) mt. s.: Mandroso na mitatao mankany ivelany. Ahitsio
Mitonendrina: (tonendrina) mt. s.: Miraikiraiky, tsy mitandrina tsara fa toa adaladala fanao zavatra. Ahitsio
Mitongalika: (tongaüka) mt. s.: Miforitra (ohatra ny lohalika). Ahitsio
Mitongika: (tongika) mt. s.: Mitohitohy ; miforitra; mivonkina, mikainkona. Ahitsio
Mitongilana: (tongilana) mt. s. (mitongilàna): Mihilana, tsy miarina marina tsara, miro-na, miraika: Mitongilana ity rindrina ity izany. • h.o.:Miangatra: Mitongilana io mpitsara io. ? Voatarika: Mitongilana amin'ny ratsy rehefa mety ho olombelona. Ahitsio
Mitongoa: (tongoa) mt. p.: Miampy, misy zavatra mitatao eo amboniny toy ny trafo (tongoa): Vary iray vilia mitongoa hena. Ahitsio
Mitongotra: (tongotra) mt. s.: Mibikan-tongotra: Mitongokisoa ny basy poleta. Ahitsio
Mitonjika: (tonjika) mt. s.: Sady mitontona no mitolila tampoka. Ahitsio
Mitonjina: (tonjina) mt. s.: Mitolatola, miraidraika. Ahitsio
Mitono: (tono) mt. s. (mitonoa): Manao ao anaty lel' afo na ao anaty lavenona mba ho masaka, fnanatsatsika amin'ny afo: Mitono hena. - F.-p.: Mitono aina: minia manao an-kasahiana ny zavatra mety hahafaty. j Mitono fo: manao zavatra mety hitera-doza na mina misetra izany, nefa mety hahafaty ny aina. / Mitono tena: mi-nia misetra ny zavatra mety hahitan-doza. Ahitsio
Mitonona: (tonona) mt. P. (mitondna): Milaza anaran'ny tena: Nanontaniana izy veto nitonona anarana. • Milaza tena: Mitonona ho solon-tenan'ny mpiasa izy, nefa tsy mikarakara azy ireo akory. Ahitsio
Mitontohitra: (tontohitra) mt. s.: Mitohy, misesy tsy mitsahatra: Mitontohitra ny asanareo eto izany! 1 Mifandimby tsy an-kijanona: Rehefa tsena ny andro, mitontohitra ny olona miditra ao antsena. Ahitsio
Mitontona: (tontona) mt. s.: Mianjera midofitra: mitsatoka na mitombina. ? Midona amin-javatra. 1 Miampy. Ahitsio
Mitony: (tony) mt, s.: Mihaketraka, mihalefy: Efa mitony va ny hatezerany? • Mionona: Mitony ihany ny alahelo rehefa ela ny ela. Ahitsio
Mitopatopa: (topatopa) mt. s.: Mihetsiketsika, mihevingevina, manonja: Mitopatopa ny alon-drano, ¶ M.h.: Manonjanonja, mivalombalona, mitomenjamenjana. Ahitsio
Mitopy: (topy) mt. s. (mitopaza): (maso) Miantefa mijery kely miserana: Nitopy tany amiko ny masony ka menatra aho. Ahitsio