Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitrefona: (trefona) mt, s.: Mi-trôna. Ahitsio
Mitrefotra: (trefotra) mt. s.: Mangetotra, mitsefotra. Ahitsio
Mitrehatreha: (trehatreha) mt. s.: Mirehareha sady mahery fiavy. Ahitsio
Mitrena: (trena) mt, s. (mitrenà): Mimà (omby). • Mifofofofo, mimamamama (ria-ka). ? Manao feo mampitahotra (olona tezitra misafoaka). Ahitsio
Mitreoka: (treoka) mt. s.: Miteny feno fandrahonana. Ahitsio
Mitrerona: (trerona) mt. s. (mitreràna): Manao feo (na endrika na fihetsika) mampitahotra, mampivadi-po;mandrahona amin'ny feo: Mifihifihy er? Ikoto kely raha uao mitrerona rainy. Ahitsio
Mitresaka: (tresaka) mt. s.: Mitriatra, mitsefaka, mivava, miveraka: Mitresaka ny rindrin'ny tamboho. Ahitsio
Mitretroka: (tretroka) p.t.: Misy saoka roa; manana saoka mivalombalona manao ambaratonga. Ahitsio
Mitrevatreva: (trevatreva) p. t.: Mivatravatra fandeha sy miriadriatra. Ahitsio
Mitriatra: (triatra) mt. s.: Ro-vitra, tataka, mitataka: Mitriatra ny pataloany. ? Mitsefaka, miveraka, mivava: Nitriatra ny tamboho uoan' ny balan-tafondro. Mitribitribika, Mitribitriby (tribitribika na tribitriby) p. t.: Be dia be, mihahohaho, miretsidretsika. Ahitsio
Mitrifana: Mitrifantrifana (tri-fana) mt. s. (mitrifàna): Mirifadrifatra, mihavatravatra, mihoalahoala: Tsy mahay mipetraka tsara io zaza io fa mitrifantrifana lava izao. Ahitsio
Mitrikatrika: (trikatrika) p. t.: Mahia, mandraka. ? Maraorao, marokoroko. ? Mikitoantoana. Ahitsio
Mitrimoka: (trimoka) mt. s.: Mitsimoka, vaky vazana. Ahitsio
Mitringatringa: (tringa) mt. s.: Mandringa, mikotringa. Ahitsio
Mitringitringy: (tringitringy) mt. s.: Mivohitra matsilotsilo. Ahitsio
Mitritra: (tritra) mt, s.: Mitsefotra, miboana. Ahitsio
Mitritratritra: (tritratritra) m t. s.: Mipelipelika sy mitsambikimbikina manakotaba ny sasany. Ahitsio
Mitritritritry: (tritry) p. t.: Mahia; izay miseho mitrakitraky ny tritriny. Ahitsio
Mitroaka: (troaka) mt. s.: Mandre maharary eo amin'ny takiba ka tsy avy miaina, voan' ny tevika. Ahitsio
Mitroatra: (troatra) mt. s.: Miala tampoka amin'izay misy ny tena noho ny hatairana: Nitroatra Rakoto raha uao nahare ilay feo niantso azy. • Taitra tampoka ka mandrifatra: Nitroatra Ikalamena ka tsy tana. Ahitsio