Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitrobaka: (trobaka) mt. s.: Miditra, mitsatoka ao anaty...: Nitrobaka tao amin'ny laniuoany ny sabatra. Ahitsio
Mitroka: (troka) mt. p. (mitrdha): Misintona amin'ny orona na ny vava amin'ny alalan'ny rivotra: Mitroka alkaola izy rahefa voan'ny sery. Ahitsio
Mitrona: (trona) mt. s.: (kisoa) Mamoaka feo: Mitrona ny kisoa. ? Misatrasatra tsy avy miaina: Mitrona ny marary. Ahitsio
Mitrongy: (trongy) mt. p. (mitrongia): Mihady amin'ny vava, toy ny fanaon'ny kisoa: Nisy lambo nitrongy ny to k o tanin tsika halina. - F.-p.: Mpitrongy uao ho-mana: enti-milaza ireo olona fadiranovana. ¶ M. h.: Olona miofy akondro vava. Ahitsio
Mitrosa: (trosa) mt. s. (mitrosà): Mividy zavatra izay tsy aloa eo no ho eo ny vidiny fa angatahana andro: Mitrosa hena. ? Misambotra: Nitrosa vola ariary folo tamindRakoto izy fa tsy nanamboia hamidy vary. Ahitsio
Mitrosina: (trosina) mt. p. (mitrosina): Mianjera miantoraka any anoloana ka ny loha no mipoka aloha amin'ny tany. ? Mangataka miambezo. Ahitsio
Mitrotro: (trotro) mt. P. (mitrotrda): Mamihina olona na zavatra amin'ny sandry izay ankinina amin'ny tratra. Ahitsio
Mitrotrongy: (trotrongy) mt. s.: Mianjera mandroso any anoloana ka mitehika amin'ny tany ny tarehy. Ahitsio
Mitsabaka: (tsabaka) mt. p. (mitsabàha): Mangarona amin' ny tanana: Nisy nitsabaka ny rano ao an-tsinibe. ? Miditriditra amin'ny raharahan'ny sasany, misalovana: Aza mitsabaka ny raharahan-tokantranon'olona. Ahitsio
Mitsaboaka: (tsaboaka) mt. s.: Enti-milaza ny rano mamoaka feo rehefa anipazana na torahana vato. Ahitsio
Mitsahatra: (tsahatra) mt. s. (mitsahàra): Mijanona, miato: Handeha amin'izay izahay fa efa mitsahatra ny orana. ? Tsy manao... intsony: Raha vao nitsaha-niteny izy dia nirefodrefotra ny tehaka. * Miala sasatra, maka aina: Sasatra izy ka nitsahatra teo ambody hazo. - F.-p.: Mitsaha-jaza: enti-milaza vehivavy mijanona tsy miteraka intsony. / Mitsahanono: zaza voasara-nono. / Mitsaha-pilana: tsy maniry na inona na inona intsony, faly amin'izay ananana. / Mitsaha-pitomboana: enti-milaza vanto-jaza tsy mitombo intsony. * Ohab.: Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: enti-milaza olona voatery nijanona tsy fidiny amin'ny raharaha fivelomany fa nisy nahazo azy mifanohitra indrindra amin'io asany io. / Mitsaha-ketrika ohatra ny vary sosoa voatampo-drano: enti-milaza olona na zavatra nanajanona ny asany na nijanona tampoka fa nisy nanakivy na nanao hasomparana. Ahitsio
Mitsaika: (tsaiha) mt. s.: Mifantina ny voam-bary tsars. Ahitsio
Mitsaika: (tsaiha) mt. s. (mitàika na mitsaiha): Manatona moramora tsy re, toy ny fanaon'ny mpihaza na mpangalatra: Nitsaika ilay mpihaza no nahazoany ilay tsipoy. * hi.: Mangalatra mangingina tsy misy mahita: Nisy nitsaika ny satroko nihantona teto. ? Enti-milaza ny zaza vao torontoronina ao an-kibon-dreniny: Zaza uao mitsaika io mampandoandoa anao io. Ahitsio
Mitsaikona: (tsàikona) mt. s.: (soavaly) Mamindra tsy manipy tanana; mamindra somary haingankaingana. Ahitsio
Mitsaingoka: (tsaingoka) mt. p. (mitsaingoha): Manaikitra mitomboka toy ny ataon'ny vavan'ny boloky, akoho... Ahitsio
Mitsaitsaika: (tsaitsaika) mt. s. (mitsaitsaiha): Mandeha mora dia mors, mamindra tsy re amin'ny loha tongotra: Aoka ianao hitsaitsaika fa sao dia manaitra zaza matory. Ny teny hoe: Mitsaitsaika dia fampiasa koa rehefa mihataka avy mamangy fahoriana olona: Ilaozanay hitsaitsaika ianareo, tompoko. (Ra-ha mamangy an-kasoavana kosa, ny mifanohitra amin' ny Mitsaitsaika no ampiasaina, dia ny hoe: Mingodongodona). Ahitsio
Mitsaka: (tsaka) mt. s. (mitsakà): Mita rano amin'ny firobohana ao anaty rano: Eto no mitsaka ny olona fa sady marivorivo eto no tsy misy voay hatahorana. Ahitsio
Mitsaka: (tsaka) mt. s. (mitsakà): Enti-milaza zava-maranitra milentika, mitrobaka, miaraka amin'ny feo manokana. Ahitsio
Mitsakatsaka: (tsakatsaka) mt. s. (mitsakatsahà): Mandeha miditriditra any anaty lobolobo izay heverina ho misy lolo na vazimba. ? Mivezivezy amin'ny toerana tsy fantatra. ? Miriorio etsy sy eroa. Ahitsio
Mitsakitsaky: (tsaky) mitsakitsakia): Mihinana tsakitsaky. * p. t. : Tsy mbola masaka tsara ka somary mafimafy. * F.-p.: Vary mitsakitsaky: vary tsy tena masaka tsars ka toa mikepokepoka izany rehefa tsakoina. Ahitsio