Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsako: (tsàko) mt. s. (mitsakoa): Manapotipotika ny hanina amin'ny nify: Mitsako hena. * F.-p.: Mitsako dilana: manetsiketsika ny vava mova tsy ny mitsako, nefs tsy misy inona tsakoina. / Mitsako moka: mitsako tsy misokabava. * Ohab.: Mitsako tsy re ka kenda vao: "Dony aho ranaotra": enti-milaza olona nanan zavatra an-kinafinafina, kanjo nony nisy nahavoa azy, niantso vonjy amin' olona. Ahitsio
Mitsakoaka: (tsakoaka) mt. s. (f.s.b.): Mijanona iharam-pahavoazana: Nitsakoaka teo ny anao bah y. Ahitsio
Mitsamaka: (tsamaka) mt. s.: Enti-milaza zava-maranitra milentika anaty zavatra malemy. Ahitsio
Mitsambikina: (tsambikina) mt. s. (mitsambikina): Miezaka mandingana mafy. Ahitsio
Mitsamontsamona: (tsamontsamona) mt. s. (mitsamontsamoa): Manapoapoaka na mampitsefotsefotra ny molotra rehefa mitsako; manao fitsako mamoaka feo mipoapoaka na mitsefotsefotra. Ahitsio
Mitsananàka: (tsananàka) mt. s.: Miempo. Ahitsio
Mitsangana: (tsàngana) mt. s. (mitsangàna): Miainga, mijoro eo ambonin'ny tongotra roa: Raha vao nantsoina ny anarany, dia nitsangana izy. * Mijoro: Efa ela aho no nitsangana teto fa tsy nisy mpampandroso. ? Miseho, mitolo-tena: Amin'izao fahalasanan'ny rainao izao, mitsangàna ho lohan'ny fianakauiana. - F.-p.: Mitsangam-bolo: enti-milaza olona na biby matahotra na koa mangatsiaka ka mitsangantsangana be ihany ny volony. / Mitsangamenatra: enti-milaza ny olona manao zavatra ampahibemaso nefa tsy mahay. / Mitsanga-mitoetra: olona miandry zavatra mafy ka tsy mahapetraka fa mbetika mitsangana, mbetika mitoetra. / Mitsangam-pe olona: ilazana ny olona afa-baraka sy tsinontsinona, tsy misy hajany kely akory fa "mitsangana fa hoe olona" fotsiny. ¶ M. h.: Mijoro, mijidina, mijaridina, mijajirika, mihenjana, mihinjitra, miridiridy, mitangezaheza, mitsatoka, miorina, miezinezina, mijalajala, mijoalajoala, manerinerina Ahitsio
Mitsantsana: (tsantsana) mt. s.: Maneno mikarantsana: Mitsantsana aoha izany er? ity lakolosy ity. ? Mahay vava no manam-peo mikarantsana: Mitsantsana er? io uehiuauy io. Ahitsio
Mitsantselatra: (tsantselatra) mt. s.: Manelatra miserana saika tsy tra-maso. Ahitsio
Mitsaoka: (tsaoka) mt. s. (mitsaoha): Miondrika no sady mananty tanana ho mari-panajana, raha miarahaba na manao veloma olona halai-na: Vao tonga izy dia nitsaoka ny ray sy ny reniny. ? Maneho fanajana fatratra amin'ny fankatoavana ho Tompo Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana: Raha vao tonga ireo Majy telo lahy, dia nitsaoka ilay Zazakely tao anaty tranon' omby. Ahitsio
Mitsaontsaona:(tsaontsaona) mt. s. (mitsaontsaonà): Miteniteny teny tsy voahevitra. Ahitsio
Mitsaotsao: (tsaotsao) p, t.: Tsy misy tsirony sady toa mitsatsaka ao am-bava: Mitsaotsao izany mangahazo izany. Ahitsio
Mitsapa: (tsapa) mt s. (mitsapà): Mikasika amin'ny tanana: Isaky ny adiny iray dia mitsapa ny lohan-janany foana Ramatoa io fa atahorany sao manavy, hono. ? Manandrana: Omaly i dada no nitsapa ilay fiarakodia vao novidiny. ? Mijery izay tena toetran'ny zavatra iray mari-na: Aoka aho handeha aloha hitsapa ny halalin'ny rano. ? Mamangy amin'ny fahoriana raha misy maty: Lasa nitsapa alahelo an-dry zareo atsY auaratra i dada sy neny. - F.-p.: Mitsapa alahelo na mitsapa fahoriana: mamangy olona maty havana. ¶ M.h.: Mamangy manjo, mana lady alahelo na manalady fotsiny. / Mitsapa fanahy: manao fanontaniana hahalalana ny te-na toetran'ilay anontaniana. / Mitsapa ny ho farany: mitsinjo ny ho avy ka tsy manao zavatra tsy voadinika na mandanilany foana. / Mitsapa tain-gisa: voan'ny fahavoazana be vava. / Mitsapa vato: enti-milaza ny fitsapatsapana zavatra anatin'ny maizina. Ahitsio
Mitsapaka: (tsapaka) mt. s. (mitsapàha): Miditra tsara ao anaty..., mitsopaka: Mitsapaha amin'ny lohatondroko ity fanosehana ity. ? Miditra, mitsofoka: Eto ny ranomasina no mitsapaka anatin'ny tany. ? Mianjera, milentika: Nirohotra hamonjy ilay om-'by nitsapaka tao anaty rano ny fokonolona. ? Misisika: Nitsapaka tao afouoan'ny ankizy izy. Ahitsio
Mitsapodila: na Mitsako dilana (tsapodilana) mt. s.: Tsy misy hotsakoina fa ny dilana amin'ny vazana no tsakoina; ao anatin'ny fahoriana, ny fahasahiranana. Ahitsio
Mitsara: (tsara) mt. p. (mitsarà): Manapaka, manelanelana: I-zy no nitsara ny adinareo sy Rabe. / Rakoto no nitsara ny baolina tamin'ny Alahady. ? Mandanjalanja ka manapaka ny momba...: Rakoto no nitsara ireto voampanga ireto. * Manombana, milaza izay hevitry ny tena momba...: Tana nitsara azy marina ianao: olona tsy azo itokiana tokoa raha izy iny! / Aza mitsara ratsy ny namana! ? Manavaka ka milaza izay tena izy marina: Ny maso no mitsara ny volon-doko. Ahitsio
Mitsaraingona: (tsaraingona) mt. s. (mitsaraingoà): Misalovana namisosoka eo anoloan' olona: Mikisaha kely ianao fa aza mitsaraingona eo anoloan'io olona tokony ho raibenao io. ? Mitsabaka amin' ny raharahan'olona. ? Manapaka tenin'olona, mitsatsaingoka: Tsy menatra akory izy nitsaraingona, pietà ny mpampianatra azy mbola miteny. Ahitsio
Mitsarapaka: (tsarapaka) mt. s. (mitsarapàha): Mianjera na mibolisatra tampoka tsy nampoizina ao anaty lavaka, rano...: Nitsarapaka tao anaty lavaka no nahafolaka ny tongotro. ? h.i.: Miantoraka mamely ny fahavalo. Ahitsio
Mitsararàka: (tsarardka) mt. p.: Enti-milaza akanga maneno: Mihoraka ny sahona ary mitsararàka ny akanga. Ahitsio
Mitsatoka: (tsàtoka) mt. s. (mitsatôha): Milentika, miraikitra tsy ho afa-mihetsika: Mitsatoka tsara ve io andry io? ? Mijoro tsy mihetsika na mijaridina: Nitsatoka teo anoloako Rakoto ka taitra aho. ? Mijanona ela, miandry: Efa adiny iray aho izao no nitsatoka foana teto niandry azy. ? Mijanona ela tsy mitera-boka-tsoa: Nitsatoka tamin'ny soavaly, hono, ny volan-dry Dadabe taloha. Ahitsio