Mitsetra | : | (tsètra) mt. p. sady mt. s. (mitsera): Malahelo, mangoraka: Mitsetra ny zaza kamboty izy. ? Mitaraina, mitoloko: Mitsetra manjofotry ny andro izy.
Ahitsio |
Mitsetsaka | : | (tsetsaka) mt. s.: Mirehitra haingana: Nisy rivotra nitsoka mafy ka nitsetsaka ilay mololo tao ampahitr'i Dadabe.
Ahitsio |
Mitsetsatsetsa | : | (tsetsatsetsa) mt. p.: (afo) Mirefodrefotra fa voatondraka rano na menaka: Mitsetsatsetsa ny afo ka mihataha ianao. ¶ M.h.: Mipitripitrika, mipoapoaka, mirefodrefotra, mitsotsotsotso. ? h. o.: Mitsaontsaom-bava, mipentsompentsona.
Ahitsio |
Mitsetsetra | : | (tsetra) mt. s. (mitsera): Mamoaka feo avy amin'ny molotra sy ny nify ho fanehoana fangorahana na fiaraha-miory amin'ny malahelo.
Ahitsio |
Mitsetsoka | : | (tsètsoka) mt. s. (mitsetsoha): Mitaria, mitsaontsaom-bava, mipentsompentsona.
Ahitsio |
Mitsiaka | : | (tsiaka) mt. s.: Mitriatra.
Ahitsio |
Mitsiatsia | : | (tsiatsia) mt. s.: Miala sasatra na miala voly eny amin'ny rivotra madio, eny amin'ny hatsiatsiaka.
Ahitsio |
Mitsibolobolo | : | (tsibolobolo) p. t.: Be volo mitsangantsangana.
Ahitsio |
Mitsidafodafoka | : | (tsidafodafoka) mt. s.: Mitsinkasinkasina, mitsilany.
Ahitsio |
Mitsidika | : | (tsidika) mt. P. (mitsidiha): Mamangy miserana fotsiny: Nandalo teo andrefan-tranonareo aho ka dia nitsidika. ? Miseho kely na mijery eo am-baravarankely:Nitsidika teo am-barauarana izy nijery ny lalana nalehan'ny zandriny. ? Manomboka (enti-milaza ny andro na ny fizaran-taona): Efa mangatsiaka sahady izy izany, nefa vao mitsidika ny ririnina. - F.-p.: Mitsidika andro: enti-milaza ny fotoana aorian' ny mitataovovonana, rehefa mihilana kely iny ny masoandro ka mitsidika eo ambaravarambe ny tarany.
Ahitsio |
Mitsidradra | : | na Mitsidradraka (tsidradra) mt. s.: Miainga ho avo, mitsangana, misandrahaka: Mitsidradraka ohatra ny inona ny uolon'ny touolahy ankehitriny.
Ahitsio |
Mitsifaka | : | (tsifaka) mt. s.: Mivaky misalasaka na mivaky saiky misasaka.
Ahitsio |
Mitsihanihany | : | (tsihanihany) mt. s.: Manao vazivazy, vosobosotra izay indraindray entina hanarabiana na hanesoana.
Ahitsio |
Mitsika | : | (tsika) mt. s.: Enti-milaza rano mivoaka tsikelikely avy amin-javatra iraY ka maninteraka io zavatra io: Avy nitsika tamin'ny uato ity rano eto amintsika ity. ¶ M.h.: Manamika. / Ny anolanana ny lamba avy nosasana dia mba hahazoan'ny rano mitsika tsara. - F,-p.: Mitsi-dra: mandeha ra mivoaka tsikelikely. / Mitsi-drano: Mandeha rano tsikelikely.
Ahitsio |
Mitsikabaka | : | (tsikabaka) mt. s.: Mitsinkafona eny ambony rano (toy ny didin-kena madinidinika ao anaty rony be mangeniheny).
Ahitsio |
Mitsikakakaka | : | (tsikakakaka) mt. s.: Mikakakaka mihomehy mafy sady lavareny. ? Mikoràka.
Ahitsio |
Mitsikala | : | na Mitsikalana (tsikala) mt s.: Misy tsikala na tsikalana.
Ahitsio |
Mitsikamokamo | : | (tsikamokamo) mt. s.: Miseho ho malaindaina, tsy rotodrototra, mitsimozimozy, mivaroraka, miborerarera.
Ahitsio |
Mitsikanikany | : | (tsikanikany) mt. s.: Mihomehimehy foana tsy misy antony, mivanivany.
Ahitsio |
Mitsikanina | : | (tsikanina) mt. s.: Mitanina afo, mitanina andro.
Ahitsio |