Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsikarakaraka: (tsikarakaraka) mt. s.: Enti-milaza zavatra manify na makarakara azo ahitana izay ao anatiny. Ahitsio
Mitsikaroka: (tsikaroka) mt. s. (mitsikaroha): Mihohy, manetsika ny tongotra amantanana ao anatY... Ahitsio
Mitsikebona: (tsikebona) mt. s.: Mitsinkafona ao anaty rano; enti-milaza zavatra tsy madio mangarangarana fa misy loto mitsinkafona. Ahitsio
Mitsikefakefaka: (tsikefakefaka) mt, s.: Miendaka amin' ny laniny iray; mihofahofa amin'ny laniny iray. Ahitsio
Mitsikehina: (tsikehina) mt. s.: Mitaraindraina, mifendrofendro. Ahitsio
Mitsikera: (tsikerà) mt. p. (mitsikerà): Manakofoka tsy mamela hifatratra na hifitsaka. ? Manaratsy: Tsy manao afa-tsy mitsikera ny toetrandRasoa izy. ? Milazalaza izay rehetra mikasika zavatra na olona iray; milazalaza ny hevitra samihafa fonosin'ny lohateny iray: Mitsikera lahatsoratra. Ahitsio
Mitsikiakia: (tsikiakia) mt. s.: Mampihomehy, manao hatsikana, mamazivazy, misangisangy. Ahitsio
Mitsikilo: (tsikilo) mt. s. (mitsikiloa): Manao ara-maso sy mihainohaino izay ataon'ny olona iray nefa tsy hitany: Mitsikilo izay rehetra ataonao anis Rangahy io ka mitandrema ianao. ? Mitily, mitaratra, mizaha taratra: lanao, rahampitso, no hitsiki-Io ny fahaualo. Ahitsio
Mitsikintsikina: (tsikintsikina) mt. s.: Midihindihina, miedinedina, mitikintikina, miangentsana amin'ny fomba famindra sy ny haingo. Ahitsio
Mitsikofokofoka: (tsikofokofoka) mt s. (mitsikofokofdha): Mihetsiketsika: Matoria tsara fa aza mitsikofokofoka, ry Ikoto a! ? Mitsipatsipaka, mitrifantrifana, mihavatravatra: Nitsikofokofoka ohatra ny olona mararin-jauatra ilay zaza. Ahitsio
Mitsikoinkoina: (tsikoinkoina) mt. s.: Mimoimoy, mitaraindraina. Ahitsio
Mitsikozakoza: (tsikozakoza) mt. s.: Mangozohozo ohatra ny marary. ? Mitaredretra, mitsiredareda: Mitsikozakoza lava io mpianatra io. Ahitsio
Mitsiky: (tsiky) mt. s. (mitsikia): Mihomehy kely amin' ny fanetsehana ny molotra sy ny maso falifaly. Ahitsio
Mitsilaikolaiko: (tsilaikolaiko) mt. s.: Mitovy amin'ny milaikolaiko. Ahitsio
Mitsilailay: (tsilaiiay) mt. p. (mitsilailaiza): Mandry mivadibadika, mitsimbadimbadika, mitsinkasinkasina: Mitsilailay ao anaty mololo ny ankizy. ? Manao zavatra tsy rototra fa mitaredretra, mitsiredareda, mitavozavoza: Mitsilailay mihitsy ity zaza ity raha manao zavatra. Ahitsio
Mitsilany: (tsilany) mt. s. (mitsilanesa): Mandry ka ny lamosina no atao ambany. Ahitsio
Mitsilasilasy: (tsilasilasy) mt. s.: Mitsiredareda, midanesaka, mitavozavoza, milasilasy. Ahitsio
Mitsililalila: (tsililalila) mt. s.: Midoladola, mitolatola eny am-pandehanana na eo ampipetrahana. Ahitsio
Mitsilo: (tsilo) mt. s. (mitsilova): Manazava, manome hazavana: Ny volana fenomanana no nitsilo ny dianay halina. ? h.o.: Andriamanitra anie hitsilo ny sainao amin' ny fanadinana izay hataonao! Ahitsio
Mitsiloliloly: (tsiloliloly) mt. s.: Mitsiranorano maditidity. Ahitsio