Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsilopilopy: (tsilopilopy) mt s. na p. t.: Tsy mazava tsara; mipendrampendrana: Mitsi?opilopy ny jiro fa efa kely sisa ny solika. ? (Asa na taozavatra) Tsy mandroso, (fiai-nana) mahantrahantra: Mitsilopilopy ny uarony hatramin' izay tsy fisian'ny entam-barotra avy any am-pita izay. / Mitsilopilopy ny fiainany no-ho ny fahanterany, Ahitsio
Mitsilotidotika: (tsilotidotika) mt. s.: Maloto, misotetika, misotisoty. Ahitsio
Mitsilotsilo: (tsilo) mt. s.: Sady lava no marani-doha: Mitsilotsilo tranondakolosy ir9. Ahitsio
Mitsimbadika: (tsimbadika) mt. s. (mitsimbadiha): Mihodina dia mikodia: Notsofin'ny riuotra ka nitsimbadika ilay vatan-kazo. / Nitsimbadika teo am-pandriana ilay zaza. ? Mihohoka, mivadika ambony ambany: Nitsimbadika ny siny. • Mivadibadika, miova tanteraka: Nitsimbadika ny toe-jauatra ka ny mpitondra omaly nanjary nenjehina ny a mp itso. Ahitsio
Mitsimberivery: (tsimberivery) mt. s.: Miriorio, mirenireny. Ahitsio
Mitsimbina: (tsimbina) mt. p. (mitsimbina): Mikarakara tsara, miahy: Mitsimbina ny raharahany tokoa iny lehilahy iny. • Manao izay tsy hahasimba na hahakely...: Mitsimbina tokoa ny voninahitrao anie aho matoa tsy niteny anao teo imasom-bahoaka! ? Manampy sy manasoa, miantra: Raha Rangahy iny aloha dia tena mitsimbina ny madinika mihitsy, fa tsy mba ohatra ny sasany be uaUa fotsiny. Ahitsio
Mitsimbohitra: (tsimbohitra) mt. s.: Manohitra ny manampahefana. Ahitsio
Mitsimintsimina: (tsimintsimina) mt. s. sady p.t.: Mifalifaly, miravoravo. Ahitsio
Mitsimoka: (tsimoka) mt, s.: Maniry tsimoka: Mitsimoka daholo ny hazo fa lohataona tokoa ny andro! • Vaky vazana: Mitsimoka sahâdy ny tsaramaso namboleko herinandro. Ahitsio
Mitsimpohafoha: (tsimpohafoha) mt. p.: Mitsangantsangana (volo): Marary ny sakanay ka mitsimpohafoha ny uolony. • Miseho na mifoha indray: Mitsimpohafoha indray ny fofoka amin'izao fotoana izao. Ahitsio
Mitsimpona: (tsimpona) mt. s. (mitsimpona): Maka tsirairay: Mitsimpona ny voambary latsaka ny uoromailala. * Mifantina ka maka tsirairay fa tsy manao fao-be: Mitsimpona izay mpianatra mahay mba halefa handranto fianarana any am-pita ny mpampianatra. Ahitsio
Mitsinainaina: (tsinainaina) mt. s.: Miletra, misesika hanina. Ahitsio
Mitsinaka: (tsinaka) mt. s.: Mibontsina (kibo): Mitsinaka er? ny kibon'iny lehilahy in y. Ahitsio
Mitsinanginangy: (tsinanginangy) mt. s. na p.t.: Sahisahy ratsy be loatra, midaondaombava tafahoatra. Ahitsio
Mitsinanika: (tsinanika) mt. s.: Miboboka be loatra, miletra (sakafo) be loatra. Ahitsio
Mitsindrantsindrana: (tsindrantsindrana) mt. s. na p. t.: (volo) Tsy milamina, misy mitsingatotra na mitsangantsangana. • Mipelipelika, tsy mahatombin-tsiraka fa manketsy mankeroa. Ahitsio
Mitsindroandroana: (tsindroana) mt. s.: Maniry etsy sy eroa. Ahitsio
Mitsindroka: (tsindroka) mt. p. (mitsindroha): Mitsaingoka voan-javatra eny amin'ny tany amin'ny vava: Aza avala hitsindroka vary ireo akoho ireo. • Mandray zava-pihinana latsaka amin'ny tany: Tandremo sao mitsindroka ny uoankazo latsaka ianareo. • h. o. : Manararaotra vava latsaka mba hamelezana: Tsy tsara inihitsy ny mitsindroka teny lasa tsy nahy. Ahitsio
Mitsindrona: (tsindrona) mt. s. (mitsindrona): Tsindronina; mitsabo tena amin'ny tsindrona: Mitsindrona isaky ny hateloana ity marary ity. Ahitsio
Mitsindry: (tsindry) mt. s.: Misy zavatra manindry, manapotsika: Efa mitsindry vato ue, rankizy, ny tsihy ihahazan'ny uary? Ahitsio