Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsintsina: (tsintsina) mt. s. (mitsintsina): Mitondra zavatra amin'ny tanana an'ila fotsiny. Ahitsio
Mitsintsindrana: (tsintsindrana) p.t.: (nify) Mihoatra na manivaka amin'ny namany iray laharana aminy. Ahitsio
Mitsioka: (tsioka) mt. s.: Mifofofofo tsy dia mafy loatra: Mitsioka ny rivotra rehefa harivariva eny amorondrano. Ahitsio
Mitsipaikona: (tsipaikona) mt. s. na p. t.: Mihodina na mamindra mitsirapadrapaka,tsy mba misonenika. Ahitsio
Mitsipaka: (tsipaka) mt, p, (mitsipaha): Mandaka, manosika amin'ny tongotra: Aza avela hitsipaka ny uilia ny zazakely - h.o,: Manohitra, mandà: Telo no nankat6 ilay tolo-kevitra fa dimy kosa nitsipaka. ? Maty, dangy ter?: Voan'ny filesy ilay voronkely ka nitsipaka teo no ho eo. ? Mandaka avy eo aoriana, manao savoam-body: Mitandrema fa mahery mitsipaka io boriky io. - F.-p.: Mitsipa-damba: enti-milaza olona noheverina ho efa maty, nefa miverina indray ny ainy. / Mitsipadoha laka-nitana: tsy mahay mankasitraka ka manao tsinontsinona ny nanao soa azy. Ahitsio
Mitsipalotra: (tsipalotra) mt. s.: Enti-milaza ny maso nahajery vetivety na niserana fotsiny; mandalo vetivety: Nitsipalotra tany aminy ny masoko tao am-piangonana. Ahitsio
Mitsipelaka: (tsipelaka) mt. s.: Manopy maso haingana, miserana. Ahitsio
Mitsipelika: (tsipelika) mt. s.: Mihetsiketsika miankavia miankavanana, misavilivily, mipelipelika. Ahitsio
Mitsipeloka: (tsipeloka) mt s.: (teny) Misafelika mba hamelezana olona. Ahitsio
Mitsipika: (tsipika) mt. s. (mitsipiha): Manainga ny tena dia mitsambikina na manidina: Notairinao ka nitsipika tery ilay ualala saika hosamboriko. ? Mipitika: Nitsipika tamin'ny mpandalo ny fotaka uoahitsak'ilay fiarakodia nandeha mafy teo iny. Ahitsio
Mitsipika: (tsipika) p. t.: Efa misy tsipika: Taratasy mitsipika no asaovy anoratan'ity zaza ity. Ahitsio
Mitsipilaka: (tsipilaka) mt. s.: Mijefijefy, mijilajila, mipilapilaka: Mitsipilaka loatra ity zazavavy ity ka mahatezitra ny mpampianatra azy. Ahitsio
Mitsiporetika: (tsiporetika) p. t.: Misaritaka sy misaratsaraka; tsy milamina mihitsy. Ahitsio
Mitsipotipotika: (potika) mt. s.: Mitsinjarazara kely imbetsaka fa tsy atao indray mandeha: Mitsipotipotika ny fanomezany ny uolako hany ka sahirana er? aho. Ahitsio
Mitsipy: (tsipy) mt. p.: (Tahaka ny manipy ihany, saingy ny famenony, zavatra miraikitra amin'ny tena ihany fa tsy mba zavatra ivelany). - F.-p.: Mitsipy sandry: manakivilivily sandry rehefa Mi mandeha, manipy sandry rehefa mandihy. / Mitsipy uoavitsy: miriorio foana, mirenireny. Ahitsio
Mitsiraidraika: (tsiraidraika) mt. s.: Midoladola, mitolatola. Ahitsio
Mitsiraka: na Mitsiratsiraka (tsiraka na tsiratsiraka) mt s.: Misy tsirany na kirany: Mitsiratsiraka mahafinaritra ireto uoninkazo ireto. • Be hozatra mivanditra: Aza mividy hena mitsiratsiraka fa manahirana ny mitoto azy amin' ny fitotoan-kena. ? Misaratsaraka tsars fa tsy mitambatambatra, mifatsifatsy: Mitsiratsiraka tsara lahy izany uary izany! Ahitsio
Mitsirakaraka: Mitsirakorako (tsirakaraka, tsirakorako) mt. s.: Misafotofoto, misaritaka: Nitsirakaraka, nitsirakorako ny uolon'ny vehivavy taloha rehefa nisaona ny Mpanjaka. Ahitsio
Mitsirambina: (tsirambina) mt. s.: Manao tsy amim-pitandremana. Ahitsio
Mitsirangaranga: (tsirangaranga) mt, s,: Mitsangantsangana, miranirany etsy sy eroa. * Tsy mitony fa be ahiahy: Tsy natory aho halina fa nitsirangaranga foana nieritreritra ny zanako. Ahitsio