Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsivatsivaka: (tsivaka) mt, s.: Mandeha somary mivoaka ny tongotra fa tsy mba mahitsy tsara (misy koa miditra ny tongony, ka ireny no atao hoe bingo). Ahitsio
Mitsivetraka: (tsivetraka) mt. s. (mitsivetràha): Mipetraka, mametraka ny tenany hisonanina amim-piadanana: Iza ange io Rangahy mitsivetraka amin'ny sezabe io? Ahitsio
Mitso-drano: (tsoka rano) mt. p. (mitsdfa rano): Mirary, maniry soa ho an'olona: Mitso-drano anao aho, anaka, mahaleova, mahalasàna. ? Manamasina: Nitso-drano ny trano fiangonana ny mpitandrina. / Izy no nitso-drano ny mariazinay efa ho herintaona izao. Ahitsio
Mitsoaka: (tsoka) mt. s. (mitsoaha): Miala amin'izay nisy azy: Nitsoaka ny tongo-databatra fa tsy voapetaka tsara. ? h.o.: Nitsoaka tamin' ny raharahany izy. ? Nandositra: Lasa nitsoaka any alatrano Ikoto fa natahotra ny ho voakapoka. ? Mivadika amin'ny teny nataony: Tsy fanao mihitsy ny mitsoaka ny teny efa nomena (mt. p). ? F.-p.: Mitsoa-bato: miala amin'izay efa nekena. / Mitsoaka ady: mandositra ady, mampiseho hakanosana. /Mitsoaka orim-bato: mivadika amin'ny fanekena efa vita. / Mitsoa-ponenana: miala amin'ny tany nonenana teo aloha. / Mitsoa-teny: miova na mivadika ny teny natao. Ahitsio
Mitsobatsoba: (tsobatsoba) mt. s.: Miditra ao anatin'ny zavatra be rano. Ahitsio
Mitsoboka: (tsoboka) mt. s. (mitsobdha): Mita, miroboka: Aza mitsoboka amin'io rano io fa misy aretina, ho-no, ao. ? Miditra: Tsy hitsoboka foana any an-tranon' olona tsy fantatro aho. Ahitsio
Mitsofa: (tsofa) mt. s.: Tsofaina, voatsofa: Haxo efa nitsofa ity ka tsy tapahina intsony. - F.-p.: Mitsofa maina: mihinana fananan'ny sasany. * Ohab.: Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben'Andohalo: mihinana ny tsy nisasarana. Ahitsio
Mitsofoka: (tsofoka) mt. s. (mitsofôha): Miditra ao anatin' ny...: Nitsofoka tamin'io trano io izy. ? Misisika: Nitsofoka tao ampouoan'ny uahoaka ilay mpangalatra dia tsy hita intsony izay nalehany. ? Miditra, mitsabaka: A-za mba mitsofoka amin'io raharaha io ianao sao ho sahirana. Ahitsio
Mitsofotra: (tsofotra) mt. s.: Milentika, maty, misoka (masoandro): Nitsofotra tamin' ny enina androany ny masoandro. ? Milentika ao anaty rano. Ahitsio
Mitsoitsoy: (tsoitsoy) mt s. na p. t.: Vonto ka tsontsorihan' ny rano: Nampalahelo er? ny nahita azy nitsoitsoy niditra ny trano. Ahitsio
Mitsoka: (tsoka) mt. P. (mitsiifa): Mamono: Mitsoka ny jiro. ? Mamelona: Mitsoka afo. ? Mampangatsiatsiaka: Mitsoka ovy. ? Mampaneno: Mitsoka sodina. ? mt. s.: Mifofofofo: Nitsoka maraina ny rivotra androany. Ahitsio
Mitsolotsolo: (tsolo) p.t.: Marani-doha, kitso loha. Ahitsio
Mitsolotsolo: (tsolo) mt. s.: Miserana, mandalo vetivety eo ambony afo. Ahitsio
Mitsolotsolotra: (tsolotra) mt. s.: Mandroso sy mihemotra miverimberina. Ahitsio
Mitsonga: (tsonga) mt, p.: Mifidy, mifantina. Ahitsio
Mitsongo: (tsongo) mt. p. (mitsongda): Maka anana ka ny hohon-tanana no anapahana azy: Lasa nitsongo anana i Fara. - F.-p.: Mitsongo dia: manaraka ny dia na izay alehan' ny mpangalatra na olon-dratsy amin'ny alalan'ny ody; manao ny raharahan'ny mpitsikilo; maka vovoka kely amin'ny tany nodiavin'olona iray ka manisy fanafody an' io. * Fiten.: Mandany andro ohatra ny lehilahy mitsongo anana: ny fanaovan-draharaha tsy mahazatra dia toy ny fanariana andro noho ny te-na tsy mahay ka very fotoana azon'ny fikaviaviana. Ahitsio
Mitsonika: (tsonika) mt. s.: Mihalevona tonga ranony, miempo: Mitsonika amin'ny masoandro ny menaka. ? (ratra na fery) Mitsiranorano, mitete nana: Mitsonika indray ilay fery amin'ny ton-go n y. Ahitsio
Mitsontsona: (tsontsona) mt. s. na p.t.: Misafosafo (biby) mba tsy hitroarany; manambitamby; mihaotraotra solon'ny safosafo, fanao amin' ny biby. Ahitsio
Mitsontsorika: (tsontsorika) mt s. (mitsontsoriha): Mandroso midina: Mitsontsorika ny lohan'ny marary. / Mitsontsorika ny rambon'omby. ? Midina, misolampy, mandry soroka: Araho tsara iny lalan-kely mitsontsorika iny dia ho tonga any amin' ny halehanao ianao. ? Manorika, mikoriana manaraka ny rindrina (rano), manaraka ny takolaka (ranomaso):Nitsontsorika ny ranomasony raha vao nandre ny uoina nihatra tamin-dreniny izy. ? Mianjera ka ny loha no mandeha aloha: Niondrika teo amoron-kady izy ka nitsontsorika tany anaty tevana. Ahitsio
Mitsopaka: (tsopaka) mt. s.:Milentika, miditra lalina: He-no nitsopaka tany anaty no-fo ny benitra. ? Mandroso miditra, mitsapaka: Eto amin'ity toerana ity, ny tany dia mitsopaka anatin'ny ranomasina. Ahitsio