Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tonjenana: (tonjina) mt. ih. (tonjeno): Enti-milaza izay zavatra iraikana na ironana. Ahitsio
Tonjika: ft.: Fitontonana arahina fitolilana tampoka. ~ t. f.: Mitonjika, fitonjika. Ahitsio
Tonjina: p. t.: Sasatra, valaka. 1 Enti-milaza olona mitolatola, miraidraika rehefa mandeha, na mialoha miaoriana izany, na miankavia miankavanana. - t.i.f.: Tonjenana, atonjina, voatonjina, tafatonjina / manonjina, fanonjina, mpanonjina / anonjenana, fanonjenana / mitonjina, fitonjina, mpitonjina / itonjenana, fitonjenana / mahatonjina / tonjintonjina. Ahitsio
Tono: na Tonotono a.: Fanaovana zavatra ao anaty lel' afo na ao anaty lavenona mba ho masaka; fanatsatsihana amin'ny afo: Tia tonotono io zaza io. • Ilay zavatra atao- ao anaty lel'afo na ao anaty lavenona mihitsy mba ho masaka: Tonom-bomanga. - t.i.f.: Atono, voatono / mitono, fitono, mpitono / itonoana, fitonoana / mahatono / tonotono. - F.-p.: Tono auadika: entimilaza ny zavatra izay avadika mba ho azon'ny afo tsara amin'ny lafiny rehetra. / Tono hoboka: enti-mllazafànafenana na fitanana taiambaratelo. J Tono Itana: fanaovana izay hahamasaka vetivety ny sakafo. / Tonombilan y: ny fandrahoana ny fadinkena avy amin'ny omby nisaorana, ka niarahan'ny mpanjaka nihinana tamin'ny fianakaviany tamin'ny andro fandroana. * Ohab.: Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny ray amandreny no tia tonotono: entimilaza ny toetran'ny lehibe izay tsy miafina amin'ny ankizy ka mazàna no alainy tahaka. Ahitsio
Tonohoka: (tohoka) mt, ih. misy tsofoka on: Voatohoka, notohofana, nasiana kitay betsaka (eo am-patana): Notonohok'Ikoto kitay betsaka ny fatana, • Ampanakekezina ny vava: Notonohony vava ny fantsakana ka tsy faly ny o!on-drehetra, Ahitsio
Tonolotra: (tolotra) mt. ih, misy tsofoka on: Voatolotra, nomena: Zavatra efa notono!otra ue dia haverina indray! Ahitsio
Tonona: (na Tonina indraindray) a.: Faritra mampisaraka ny vaniny na ny famavany anankiroa: Tapaho tsara eo amin'ny tonony ity fary ity. / Misy tonony roa mamoritra ny vaniny anankiray. 1 t.i.f.: Tononana. - F.-p,: Tonon'andro: vintanâ araka ny andro ahaterahana. / Tonon'andro tsy maha-lehilahy: enti-milaza fa na iza na iza rehefa sendra ny tonon'andro na vintan-dratsy tsy afa-manoatra. / Tonon-taona: fitsingerenan'ny tanna amin'ny fandroana tamin'ny andro taloha; taty aoriana, nentina nilaza ny vanin'andro Inhibe amin'ny tanna, toy ny taom-baovao, ny fetim-pirenena. J Miki tonony: manao izay hiadiana amin'ny zavatra tsy toy inona, mitsongo teny sy mila vaniny. J Tonom-poly hihaha: antony hisarahana. / Mi-la tonom-poly hihaha: mitady antony hisarahana. J Tsy misy fanon y: vita ratsy, tsy tsara voatra. >t Fiten.: Enna ante ianao ka hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny: firariana fahombiazana antsakany sy an-davany. Ahitsio
Tonona: a.: Famoahana teny amin'ny feo: Ataouy tsara tonona ny teny fa aza ngonongononina fotsiny. - t.i.f.: Tononina, voatonona / manonona, fanonona, mpanonona / anononana, fanononana / mahatonona. Ahitsio
Tononana: (tonona) p.t.: Misy na be tonony, izany hoe misesy mifanarakaraka ny tonony: Fary tononana. Ahitsio
Tononina: (tonona) mt. ih. (tonony): Ambara amin'ny feo: Tsy hain'io zaza io tononina ny teny hoe tsangambava. 1 Lazaina: Notononiny ny anaran-drainy. • F.-p.: Tsy tambo hotononina: be dia be tsy ary holazaina. Ahitsio
Tononkalo: a.: Asa soratra misy sarin-teny sy aingam-panahy, vita amin'ny teny mirindra, izay matetika miady roa ny tonom-peon'ny faran'andalany, na mifanararakaraka izany na mifanelanelana. Ahitsio
Tonta: a.: Fandrika ahazoana voalavo na totozy: Tontamboalavo. Ahitsio
Tonta: p. t.: Enti-milaza zavatra tsy vao intsony, efa simba. - t.i.f.: Tontaina, voatonta / mihatonta / mahatonta. - F.-p.: Tsy tontan'ny ela: enti-milaza zavatra tsy mora simba, mateza dia mateza. ¶ M. h.: Antitra, tranainy, lany andro, ela niasana, ela nanaovana, maintimolaly, mandalambitaika, rovitra, simba, rombina, taloha, efa navalona, lany mondro. Ahitsio
Tonta: a.: Ankilany, andaniny: Samy nosazin'ny mpitsara izy roa tonta. Ahitsio
Tonta: a.: Fanjerana zavatra atao miavovona. / Vono ataao amin'ny fively na torabato. • Famindrana soratra amin'ny taratasy amin'ny alalan'ny lohavy izay ampidirina anaty lasitra ka terena hipetaka sy hiraikftra amin'ny taratasy; fanaovana biriky amin'ny fampidirana tanimanga ao anaty lasitra. / Fanaovana antontany, fampifanongoavana. - t.i.f.: Tontàna, tontàfana, tontaina, atonta, voatonta, tinonta / manonta, fanonta, mpanonta/ anontàna, fanontàna / mifanonta / mahatonta / tontatonta. - F,-p.: Tonta boka: ilazana ny fametrahan-javatra tsy milamina fa mikorontana sy misavoritaka. / Tontam-parafara: ny hazo mitsivalambalana amin'ny farafara ipetrahan'ny kidoro. Ahitsio
Tontaina: (tonta) mt. ih. (ton-tao): Simbana. Ahitsio
Tontaina: (tonta) mt. ih. (tontay): Atao pirinty (ankehitriny, ny hoe: "atonta" no ampiasaina): Notontaina fanimpitony io boky io. Ahitsio
Tontakely: a.: Andia-mpangalatra manami-trano. Ahitsio
Tontalina: (tontaly) mt. ih. (tontalio): Atambatra, akapoka. Ahitsio
Tontaly: (fr. total) a.: Fitambaran'ny isan-javatra rehefa akapoka ho iray: Iraika amby enimpolo sy telonjato no tontalin'ny volan'Ikoto sy I-sambilo. / h. i: Vokatra. - t.i.f.: Tontalina, atontaly, voatontaly / manatontaly, fanatontaly, mpanatogtaly / anatontaliana, fanatontaliana / mahatontaly. Ahitsio