Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tojo: mt.: Mifanena; sehatra: Tojo an-drainao indrindra a-ho teny an-tsena. - t.i.f.: Mifanojo. Ahitsio
Toka: a.: Fototeny tsy fampiasa. - t.i.f.: Tokavina / mitoka, fitoka, mpitoka / itokana, fitokana. Ahitsio
Tokàka: p.t.: Mihomehy mitokelakelaka fatratra. •Talanjona, mitampim-bava: Tokàka Ikoto nahita ilay Boeing. - t.i.f.: Atokàka / mitokàka, fitokàka, mpitokàka / itokakàna, fitokakàna / mahatokàka. Ahitsio
Tokalo: a: Fizizoana mangataka tsy an-kijanona, mitaky, mitaraindraina tsy an-Mato. i t. if.: Mitokalo, fitokalo, mpitokalo. Ahitsio
Tokam-bolana: p, t.: Enti-milaza olona tsy mivadika amin' ny teny nataony, fa reliefa izay dia izay. Ahitsio
Tokamaso: a.: Olona poa-maso an'ila. Ahitsio
Tokambany: a.: Karazam-bary izay iray ihany ny vaniny eo anelanelan'ny fakany sy ny salohiny. Ahitsio
Tokana: p. t.: Iray, anankiray, singana: Andriamanitra dia tokana ary tsy mety ho ma-ro Izy. • Irery, miavaka irery, manirery: Trano tokana er? an-tampon-tendrombohitra no ipetrahany. (t Tsy misy afa-tsy izany: Ny fanamboaran-tena tokana no hany raharahany mandritra ny ma-raina tontolo. - t.i.f.: Atokana, voatokana / manokana, fanokana, mpanokana / anokanana, fanokanana / mitokana, fitokana, mpitokana / itokanana, fitokanana / mahatokana / tokantokana / mitokantokana, tsitokantokanana, mitsitokantokana. - F.-p.: Tokam-bolana: tsy be teny fa dia iray iny ihany ary tsy ovana na soloana. / Tokam-bolo: ranoray tsy misy pentina, fa fotsy manontolo na mainty manontolo. / Toka-maso: poa-maso an'ila. / Toka-molotra: haron-tokan-tsosona ny rary nanaovana ny vavany ary tsy mba mizaitra. / Tokam-pilana: 1) enti-milaza ny angely izay afaka ny feny ilany no-ho ny fampiadiana azy -2) ilazana olona izay asa karazany iray monja no ivelomany. / Tokana aman-tany: enti-milaza hatsarana tsy misy mitovy aminy. ¶ M.h.: Tsy misy toa azy, tsy manam-paharoa, safatsiroa aman-tany, tapitra ohatra, tapitra efatra. / Tokan-dambanana: ilazana ny tsihy tokan-dela fa tsy mba mivitrana. / Tokantaolana: taolana iray ihany fa tsy mba roa ny hatotanany; enti-milaza hatanjahana sy hery. / Tokan-tena: entimilaza olona irery tsy ambady tsy an-janaka. / Tokantouo: tsihy tokan-dambanana, tsy mivitrana. / Tokanj•eny: tsy be resaka, na tsy miovaova filaza. / Tokantsisina: enti-milaza ny lamba izay fotsy ny afovoany, fa ny sisiny kosa misy sorany mitsoriaka. ¶ M.h.: Irery, honjohonjo, singana, hany, fotsiny. — Tokan-teny, tokam-po, bontolo fo, tokam-bolana, manontolo fo, be tsy miteny, vitsy teny, jomdka. Ahitsio
Tokandia: a.: Biby fandre amin'ny angano izay toy ny songomby, tokana tsy mivaky ny kitrony. Ahitsio
Tokandilana: o.: Hazo mafy fanaovana zaran'angady (lavalava ary teritery eo afovoany toy ny ravin'ny zahana ny ravin'ny tokandilana). Ahitsio
Tokantandroka: a.: Biby lehibe mahatratra 4 metatra ny lavany ary 2 metatra ny haavony, mivelona amin'ny tany be heniheny, fantatra amin'ny anarana vahiny hoe "rhinocéros". Ahitsio
Tokantrano: a.: Ny trano iveloman'ny mpivady mitokana tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny na ny havana; vady: Efa nahazo tokantrano izy. • Izay rehetra mikasika ny trano: forongo amam-panaka, ny asa aman-draharaha fanao ao: Miuoaka lava io oehivavy io fa tsy mikarakara ny tokantranony. - Arahaba nahazo tokantrano: fiarahabana fanao amin'ny mpivady vao. / Marena tokantrano: firariana mba ho marina tsy ho voahozongozona ny fanambadiana. / Tokantrano tsy ahahaka: tsy tokony haely ho fantatry ny any ivelany ny fahoriana amam-pahasahiranana ao an-tokantrano. Ahitsio
Tokantranomaso: a,: Firaisamonin'ny lehilahy sy vehivavy izay tsy mpivady ara-dalàna: Manao tokantranomaso. Ahitsio
Tôkatôka: (Btm) a.: Karazantononkira na tononkalo betsimisaraka mitanisanisa zavatra mifangaro, tsy dia roba mifbtotra amin'ny zavatra iray, nefa kosa mirindra sy manara-paika aoka izany: indraindray koa fitanisana na fitsikerana eritreritra samihafa, fihetseham-po. Ahitsio
Tokavina: (toka) mt. ih. (tokavy): Rarina hahery (amin'ny famoran-jaza) 'na ozonina ho resy (amin'ny fampinomana na fampisotroana tangena). Mitovitovy amin'ny tsitsihina ihany, saingy tsy dia mba tanisaina lava ny fitokavana, fa atao amin'ny teny vitsy miverimberina fotsiny. Ahitsio
Tokazo: a.: Foto-kazo na hazo nalevina ila natao hamatorana omby. ~ Vola farantsa volafotsy misy sarina fotokazo amin'ny ilany iray. Ahitsio
Tokelaka: a.: Fihomehezana mikakakaka tsy misy hambahamba na indraindray koa somary maneso fanaon'ny ankizy kely indrindra. - t.i.f,: Atokelaka, voatokelaka, tafatokelaka / manatokelaka, fanatokelaka, mpanatokelaka 1 anatokelahana, fanatokelahana 1 mitokelaka, fitokelaka, mpitokelaka 1 itokelahana, fitokelahana 1 mahatokelaka 1 tokelakelaka. Ahitsio
Tokiky: a.: Fipetrahana mamitsaka sady manjonitra noho ny alahelo na aretina na fahasahiranan-tsaina; takoko ; torovoka; jokaiky. 6 t. L f : Atokiky, voatokiky, tafatokiky 1 manatokiky, fanatokiky, mpanatokiky / anatokikiana, fanatokikiana 1 mitokiky, fitokiky, mpitokiky / itokikiana, fitokikiana / mahatokiky / tokikikiky. Ahitsio
Tokina: (toky) mt, ih. (tokio): Am osavina, vorehina. Ahitsio
Toko: a.: Ireo biriky na vato tala ipetrahan'ny vilany andrahoana sakafo: Tambino ity toko tapaka ity sao mianjera eo ny vilany. 1 Fizarazaran'ny boky eo amin'ny fandaharana ny lahateny na ny tantara: Toko fahasivy. 1 Fitambaran-javatra efa voatsinjarazara samy hitokana: Ohatrinona ny toko iray amin'ireto voanjo ireto? 6 Tokoana, voatoko, tafatoko / manoko, fanoko, mpanoko 1 anokoana, fanokoana / mitoko, fitoko, mpitoko / itokoana, fitokoana / miantoko, fiantoko, mpiantoko 1 iantokoana, fiantokoana / mahatoko / mitokotoko 1 tsitokotoko, mitsitokotoko. - F,-p,; Mifehy toko: entimilaza olona fatra-piahiahy ny hafa amin'ny hasarotankanina noho izy sarotra ankanina rahateo. / Toko didy: toko natao tamin'ny vatodidy. J Toko falana: ny toerana tsy mahay be toy ny la-ka (amin'ny fanorona) fany an'indrany. J Toko lava: toko fahandroana sakafo mitohitohy. J Tsy toko tsy forohana: 1) nesorina daholo na ny toko na ny forohana, tsy misy na inona na inona; 2) be dia be. J Avo roa toko: ilazana fa niampy roa ohatra ny efa tao, izany hoe: ny iray tonga telo. J Avo telo toko: ilazana fa niampy telo ohatra ny tao, izany hoe: tonga efatra. * Ohab.: Toko telo mahamasa-nahandro: enti-milaza olona na zavatra telo izay fototra ijoroan'ny asa na raharaha iray. Ahitsio