Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ambaraka: ny ppt. feh.: Efa..., kanefa mbola. Teny entimanamafy fotsiny ny hevitry ny teny hoe efa izay matetika ampiarahina aminy avy eo aoriana: Ambaraka ny efa mifona izy, mbola kapohinao ihany. (Efa rnifona izy kanefa mbola kapohinao ihany). Ahitsio
Ambaramain:a a.: Teny entimilaza zavatra maina tsy hita antony: vody volotsangana maina ifotony, hoditr'omby maina ho azy. ~ h.o.: vary hanina atao fatra-maina tsisy ro na laoka: Tsy iatsako mihitsy ny ambaramaina fa toa mihisatra ao an-tendako ao fotsiny. ~p.rnt,: andrezatra, an-kery: Toa tadiavinao ha-tao ambaramaina fotsiny amin'izao izy izany! Ahitsio
Ambaramamo: a.: Fodiana mamo, entina hilazana na hanaovana zavatra tsy sahy lazaina na atao raha tsy amin' ny toetra toy izany. Ahitsio
Ambarambana: a.: Hazo boribory atao tsikalankalana ao ambanin'ny vato lehibe tari-bina. Ahitsio
Ambarao: (Ski) a.: Andiandrahona fotsy mitsangana e-x? avaratra andrefana mitondra rivotra. Ahitsio
Ambarasaha: a.: Zavamaniry ahazoana loko vony fitentenana. Ahitsio
Ambaratonga: a.: Zanatohatra, fizarazarana miantoantoana toy ny zanatohatra: Misy ambamtonga dimy amby dimampolo ny tohatray ka misanehaka er? vao afaka aminy, / Ataovy misy ambaratonga ny tany hambolena voankazo eto. •Fitsinjarazarana: Nisondrotra hatramin' ny ambaratonga fahenina amby roapolo ny termometatra. ? h.o.: Filaharana: A-min'ny ambaratongam-pahahefan'ny miaramila, ny kolonely dia ambony noho ny komandb. Ahitsio
Ambaratonga: zanatohatra: Misy andalana siuy ny gradin'ny miaramila. ~ Karazana: Maro andalana nY fm kampanahy, Ahitsio
Ambarivatrindolo: a.: Zavamaniry fanao ody hatina ny voany (Crotalaria fuloa na ratura). Ahitsio
Ambary: (Ski) a.: Zavatra fotsifotsy avy amin'ny trozona. Ahitsio
Ambasadaoro: a.: Solontenampirenena mipetraka any amin'ny firenen-kafa ka manao izay hahatsara ny fifandraisan'ny roa tonta ara-pihavanana, ara-politika ary aratoe-karena. ~ Iraky ny firenena iray hafa handrindra fihavanana. ¶ M.h.: Masoivoho, andrianjahonoany. Ahitsio
Ambasy: a.: Ny miaramila tsotra mitondra basy. Ahitsio
Ambatokelivava: p.t.: Enti-milaza zavatra (teny na hafatra) voatana mafy. ? a.: Fasana. Ahitsio
Ambatonikaky: a.: Teny tsy fampiasa afa-tsy amin'it fombam-pitenenana it? hoe: Manao ambatonikaky: mihenahena amin'ny heviny; ny tena ampiasana an'io fomba fiteny io matetika anefa dia ny mpivarotra mihenahena amin'ny vidin-javatra ataony, izany hoe tsy azo iadiam-barotra: Aza dia manao ambatonikaky re ianao, Andriamatoa. Ahitsio
Ambatra: na Ambatrambatra o: Fiakanakanana raha miteny, fiahotrahorana mova tsy ny vahobahotra mihitsy ny vava ka ny teny na ny fehezanteny tokony ho indray misosa manjary miraikidraikitra. - t.i.f.: miambatra, fiamba• tra, mpiambatra ( iambarana, fiambarana. Ahitsio
Ambatribe: (Tsm) a.: Katsaka maina totoina vao andrahoina. 59 Ahitsio
Ambatry: a.: Teny azo heverina ho fanafohezana ny hoe amberivatry, izay nentina hilazana fahiny ny fitsinjarazaran'ny ariary kely indrindra na ampaharoa amby fitopolony: emnambatry (noheverina ho mitovy lanja amin'ny voan'amberivatry iray io vakhnbolaio). Ahitsio
Ambavahoana: p.mt.: Efa aka- iky ho faty. ¶ M.h.: andohariana, ambivitra. Ahitsio
Ambaviny: a.: Anarana enti-milaza ireo tady be feo amin'ny tadin-javamaneno tendrena, toy ny valiha, ny lokanga. 1 Ny ilany amin'ny amponga sy ny karazany izay midoboka kokoa ny feony: Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana (o-hab.). 1 Ny ilany misy loaka amin'ny rafitra na amin'ny hidin-trano izay idiran'ny ilany mivohitra, izay atao hoe andahiny: Rimbona ny ambauiny amin'it? sakamandimby it? ka tsy mitana tsara ny rafitra. Ahitsio
Ambay: Ambainy a.: Ny sakan'ny lamba eo anelanelan' ny sisiny roa, ny sakan-damba: Kely loatra ny ambain' iiay lamba soga novidinao fa 60 sm. monja. Ahitsio