Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ambely: a.: Dian-kapoka, soritry ny zavatra nandona sy nikasika. Ahitsio
Ambenana: (ambina), mt. ih. (ambeno): Andrasana, arovana: Ambenan'olona roa lahy isan'alina ny tanànanay. 1 Tandremana, atao andry maso: Ambeno tsara io gadra io sao mandositra. Ahitsio
Ambentinteny: a.: Fotopototry ny teny lazaina ka averimberina matetika: Ny fandriampahalemana no ambentin-tenin'ilay mpikabary. Ahitsio
Ambeo: na Ambio (fit.p.), a.: Masomboly. Ahitsio
Amberivatrindolo: a.: Karazankazo madinika, izay noheverin'ny Ntaolo ho maharo ny ankizy tsy ho voan'ny tehadolo. Ahitsio
Amberivatry: a.: Zavamaniry mitarel,in-kazo madinidinika; tahatahaka ny rongony ny haben'ny tahony sy ny haavony, fa ny raviny no vo-]oina masaisay, fihinan'ny landibe; ny voany, mitovitovy amin'ny voanemba sady fihinana koa. Ahitsio
Ambezo: a.: Fangatahana mafy toa mitaraina mihitsy ary tsy miala raha tsy mahazo. - t.i.f.: ambezoina / miambezo, fiambezo, mpiambezo ( iambezoana, fiambezoana. Ahitsio
Ambezoina: (ambezo), mt, ih. (ambezoy): Angatahina mafy, italahoana izaitsizy. Ahitsio
Ambia: mt.: Fanononana diso ny hoe: Avis. Ahitsio
Ambiana: (amby) p, t.: Mihoatxâ ny: Manana tsaramaso fito zinga ambiana izahay raha hiuidy ianareo. Ahitsio
Ambiaty: a.: Karazan-kazo tsy dia lehibe loatra, izay nataon'ny Ntaolo famantarantaona. - F.-p.: Vary vaky ambiaty: vary afafy amin'ny fivelaran' ny vonin'ny ambiaty, izany hoe amin'ny volana septambra, mifanohitra amin'ny vary atao hoe vary aloha, izay afafy amin'ny volana avrily sy mey. / Varotra omby anaty ambiaty: fivarotan-javatra tsy eo ambany maso fa any lavitra any ka atao tsara laza fotsiny; varotra ifanambakana. Ahitsio
Ambihotra: a.: Zavamaniry famonoana biby kely: parasy, moka, sns. (Crotalia coursii). Ahitsio
Ambihotse: (Ski), a.: Hazo fisakanana ny matoatoa tsy hiditra ny trano araka ny finoan'ny Sakalava. Ahitsio
Ambilazo: (Btl), a.: Hazo mafy marotsaka atao fampandosirana ny bibikely toy ny moka ny setrony rehefa dorana ny tahony; voalaza koa ho mampandositra ny lolo toy ny ambiaty marina. (Calliandra aiternans). I Ahitsio
Ambilombazana: p.t.: Enti-milaza zavatra hanina faran'izay kely na sombiny bitika kely. Ahitsio
Ambim-bava: a.: Zavatra tsy lany ka tehirizina; tahiry: Mba omeo ny mahantra ny ambim-bauanao. Ahitsio
Ambina: ft.: Zara tsara, vintana tsara. t.i.f.: ambinina / manambina, fanambina, mpanambina / anambinana, fanambinana. Ahitsio
Ambina: a.: Asa atao mba hiarovana - amin'ny fiandrasana azy - zavatra na biby na olona, sao simba na sendra loza: Ataovy tsara ambina ny tmnontsika, Rabe hauako. • A-sa atao mba hisakanana biby na olona sao mandositra: Nataon-dry zalahy ratsy ambina ilay mpangalatra efa azo ka lasa nilefa indray. - t.i.f.: ambenana,voambina ) miambina, fiambina, mpiambina ( iambenana, fiambenana. Ahitsio
Ambinina: p.t.: Manan-jara, manam-bintana, vintanina: Ambinina amin'ny harena izy fa ratsy vintana amin'ny fitiaoana. Ahitsio
Ambioka: a.: Zavamaneno vita amin'ny tsora-kazo kely anankiroa atao mifampikapoka; raha hazo mafy toy ny voamboana dia avo feo sady mikarantsana izy, fa raha hazo malemy kosa toy ny tahon-kifafa, dia somary dombodombo feo. Ahitsio