Ambioka | : | (fit.-p.1 Masomboly.
Ahitsio |
Ambiroa | : | a.: Karazana fanahy ambanimbany araka ny finoan'ny Ntaolo, toy ny avelo, saingy maharitra aorian'ny fahafatesana kosa; voalaza fa a) na dia mbola velona aza ny vatana dia mety hialan'ny ambiroa vetivety, ka avy amin'izany no nahatonga ireo fitenenana hoe: lasa ambiroa, mampody 'ambiroa; b) na ny biby aza dia voalaza fa misy ambiroa; d) rehefa maty ny olona dia manan-toerana alehany ny ambiroa, dia an? Ambondrombe izany.
Ahitsio |
Ambirondolo | : | a.: Anaran-javamaniry ampiasain'ny olona ho fampivalanana ny raviny (Cassia occidentalis). ¶ M.h.: bemaimbo, tsorokonangatra.
Ahitsio |
Ambitry | : | (Ski) a.: Karazantrondro, mena ny kibony sy ny rambony.
Ahitsio |
Ambivitra | : | (1) na Ankambivitra a.: Anarana kilalao fanaon'ny ankizy ka izay resy sintonina na vivitina ny sofiny.
Ahitsio |
Ambivitra | : | (2) na Avivitra p. mt.: Kely dia kely sisa tsy...: Ambiuitra no tsy nianjeran' ilay fiarakodia tany anaty hady. / Ambavahoana, efa akaiky ny ho faty: Efa ambivitra ny ain'it? olona maratra itY.
Ahitsio |
Ambo | : | p.t.: Avo: Trano ambo: trano kely misy tongony a• vo, izay atao fasiam-bary ny ambony. - F.-p.: An'ambo: any ambony any. ( Ohab.: Ny tsiny toy ny rano an'ambo: tsy hita koa mahavoa.
Ahitsio |
Ambo | : | a.: Karazan'aretina sa-hala amin'ny androbe.
Ahitsio |
Amboa | : | a.: Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin'ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: rniuoud, minaonaona, mitomany ualala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan'ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefs ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan'ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika. 1 t.i. f.: amboazina / manamboa, fanamboa, mpanamboa / anamboazana, fanamboazana. - F,-p.: Maty amboa, resy amboa, velona amboa: entimilaza ny olona notsaraina fahagola tamin'ny fampinomana, saingy tsy ny tena no nampisotroina tangena fa amboa izay natao solon'ny tena; koa raha maty na resy io amboa io dia resy ilay olona, ary raha velona ilay am-boa dia velona ilay olona; / manao amboa ditsika: miezaka manao izay tratran'ny aina, manao an-jamba; / am-boa fitrika: olona tsy manjary, tsy vanona. ¶ M.h.: katritra, batritra, tsaikan'olona, fakon'olona, karin'olona. / amboa haolo: amboa dia; / amboa kely tiana: enti-milaza olona tiana kokoa noho ny hafa. * Ohab.: Nokekerin'ny am-boa kely tiana: enti-milaza olona navadik'ilay olon-tiany fatratra. / Amboa mifitra: milaza zavatratarihinatsymisy rambaramba. / Amboan'ny malala: enti-milaza olona sakaizan' ny olon-tiana, izay tiana koa araka izany. /Amboan'olona: olona tsinontsinona, tsisy varany. / Amboa tokouato: karazan'alika mpihaza ireo biby milevina anaty tany. j Am boa uahiny: enti-milaza olona mpirenireny, ahiahina ho mpangalatra. / Tsy mana-na amboa akory: olona mahantra fadiranovana. j Amboamboa: enti-milaza fitomboan'ny vatana izay mihadongadonga na botrabotra, indrindra fa eo amin'ny zazakely. * Ohab.: Amboalahy miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena: enti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. /Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa: enti-milaza ny mpangalatra izay tsy maintsy manonitra arakaraka ny zavatra nangalariny.
Ahitsio |
Amboabe | : | a.: Karazana ala volovoloina sady vaventy.
Ahitsio |
Amboafotsikely | : | a.: Karazanjavamaniry izay mihorongorona raha vao voakasika. ¶ M.h.: mihoronkorona, modimodia, kelimanjakalanitra, amboafotsitenda.
Ahitsio |
Amboafotsitenda | : | a. (jar.: amboafotsikely).
Ahitsio |
Amboakelinandriamanitra | : | p. t.: Enti-milaza ny zazakely dongadonga, botrabotra. ¶ M.h.: amboamboa.
Ahitsio |
Amboakelindrano | : | na Tsilemita a.: Karazana bibikely mivelona any anaty rano, mifandraidraika amin'ny tsikovoka.
Ahitsio |
Amboakelintenda | : | a.: Karazana kambo lavalava toa mihantona amin'ny faran'ny lanilany ampovoany ka manampina ny lavaka mankany amin'ny orona rehefa mitelin-javatra.
Ahitsio |
Amboalambo | : | a.: Olona mivelona amin'ny hafetsifetsendratsy. * Ohab.: Izay miaraka amin' ny mpiasa dia mpiasa; izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo: izay mitovitovy ihany no fatra-piaraka.
Ahitsio |
Amboalambokely | : | na Taindambokely a.: Bibikely fahita eny ambony vato na anaty voankazo, misy motiny roa mifaingoka toa tandra kely eo anilan'ny kibony (halavany: 3 sm.).
Ahitsio |
Amboalambotantely | : | a.: Anaran-kafa ilazana ny tantelilahy.
Ahitsio |
Amboamboa | : | p. t,: Enti-milaza ankizy kely dongadonga, botrabotra, ka tsy mahalala izany hoe tsy mitafy akory. ¶ M. h.: Alikalika.
Ahitsio |
Amboamboankibo | : | a.: Zavamaniry ampiasaina ho fampivalanana ny raviny (Coetocarpum madagascariensis).
Ahitsio |