Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampentany: a.: (?er. Ampiantany). Ahitsio
Ampetribola: a.: Siny na vata kely nitehirizan'ny Ntaolo vola ka naleviny tany anaty tany. Ahitsio
Ampetrika: a.: Vilany vy anidina kely. Ahitsio
Ampiadina: (ady) mt. at. (ampiadio): Asainamiady, Ahitsio
Ampiana: (ampy), mt. ih. (ampio): Ampitomboina mba ho bebe kokoa: Mbola tokony hampiana telo metatra it? lambako it? fa kely loatra. / Ampio sira ny laoka fa matsatso. ? Omena hery fanohanana amin'ny° asa atao: Ampio aho fa tsy zakako it9 entana it?. Ahitsio
Ampianarina: (anatra) mt, ih, (ampianaro): Atoro, ampahalalaina: Ampianarina manisa ny ankizy. Ahitsio
Ampiantany: na Ampentany a,: Tefy tany na bainga izay toy izao no fanaovana azy: atao feta ohatra ny fanaovana rindrina ilay izy, dia avela ho maina, ary rehefa maina dia ampiana tany hafa indray, ary dia toy izany hatrany, ka izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Ampifanakaikezina: (akaiky). mt. at. (ampifanakaikezo): Atao na asaina mifanakaiky, mifanatona. Ahitsio
Ampifilafilaina: (filafila), mt. at. (ampifilafilao): Ampitambazanina: Nampifilafilainy e-r? iiay zanak'olona fa , anio, ilazany fa hangatahiny amin' ny iray uolana; rehefa afaka iray volana indray, ilazany fa mbola hieritreritra izy. Ahitsio
Ampifina: (ampify), mt. ih. (ampifio): Atao miankina amin'ny...: Ampifio eo amin' ny rindrina eo aloha ireto entana ireto. Ahitsio
Ampify: ft.: Enti-milaza hevitra fifitsahana amin'ny toerana iray mba tsy hiseho be loatra ny tena. - t.i.f.: ampifina, voampify, tafampify 1 miampify, fiampify, mpiampify / iampifiana, fiampifiana / manampify, fanampify, mpanampify 1 anampifiana, fanampifiana. Ahitsio
Ampinga: o.: Hazo boribory toy ny sahafa kely, nrafy sy matevina, ary misy fihazonana avy ao anatiny, ka ampiasaina mba hatao fiarovan-tena amin'ny tombo-defona. - F,-p,: Asampinga: na marakely: matson'ny ankizy manao fiaraha-mihetsika amin' ny ampinga sy hazo kely toa tehina solo-na lefona; / uoaka ampinga: enti-milaza andiam-batan-dehilahy mivoaka manao rodobe mitondra lefona sy ampinga toa manao fampisehoan-kery; / mipiaka ampinga: miroso hiady (mifanohitra aminy: milavo lefona). Ahitsio
Ampingaharatra: a.: Basy angalisa. Ahitsio
Ampira:Toerana ara-politika izay mifehy fara fahakeliny fanjakana iray amin'ny alalan'ny andriany. Ahitsio
Ampira:Vondrona firenena na toerana maro samihafa izay manompo fahefana avy any ivelany iray. Ahitsio
ampira:Toerana ara-politika midadasika na fitambarana toerana na firenena ka fehezina fahefana mahefa tokana. Ahitsio
Ampira:Firenena iray fehezina Amperora. Ahitsio
Ampira:Orinasa iray izay midadasika sy mpanefoefo tokoa Ahitsio
Ampiravahana: a.: der. Ampanjatoana). Ahitsio
Ampirimina: (ampirina), mt. ih. (ampirimo): Alamina, apetraka amin'ny toerany avy: Ampirimo tsam ny trano fa hisy uahiny. / Ampirimo ireto boky ireto. Ahitsio