Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampirina: a.: Hazandrano kely madinika noho ny toho. Ahitsio
Ampirina: ft.: Enti-milaza hevitra roa: Fandaminana zavatra mba tsy hikorontana na hiparitaka fa hipetraka amin' ny toerany avy. • Fitehirizana, firaketana. - t.i.f.: ampirimina, voampirina / mampirina, fampirina, mpampirina / ampirimana, fampirimana / manampirina, fanampirina, mpanampirina 1 anampirimana, fanampirimana / miampirina, fiampirina, mpiampirina 1 mimpirina 1 mahampirina. Ahitsio
Ampirivanina: (ricana), mt. at. (ampirivano): Rahonana mafy amin-katezerana (fampiasa kokoa noho ny rivanina). Ahitsio
Ampita: p. mt. sady ppk. koa: Mitovy amin'ny hoe andafy (fer. it?). Ahitsio
Ampitahaina: (taha), mt. ih. (ampitahao): Ampitovina ka jerena izay tsara kokoa amin' ny zavatra roa na maro: Vasoka ny akanjoko raha ampitahaina amin'ny anao. Ahitsio
Ampitika: (t. tr.) a.: Zanatsipika, zanatsirika. Ahitsio
Ampitra: na Hampitra a.: Fiankinana amin'ny hafa, takarina. - t.i.f.: Mihampitra. Ahitsio
Ampitso: a.: Enti-milaza ny andro manaraka n? andro itenenana na ny andro tannin-na: Tsy misy mahalala ny ampitso. / Narary izy ny ampitson'ny nandehanany. • h. Ny ho avy: Ny ampitso no hanamarina izany. • p. mt.: Indraindray ampiasaina ho mpamaritra matoanteny mitovy amin'ny rahampitso: Ampitso izy no handeha, - t.i.f•: rahampitso. Ahitsio
Ampiveza: (Skl) a.: Ny ankavian-dakana na sambo, mifanohitra amin'ny antehe. Ahitsio
Ampizafy: (fit.-p.) a.: Vehivavy. • Vehivavy voan'ny tromba. Ahitsio
Ampoasa: p. mt.: Am-pikasana (tsy fampiasa afa-tsy amin' io endrika io, saingy manana sampanteny). - t.i.f.: Ampoasaina / mampoasa na manampoasa, fampoasa na fanampoasa, mpampoasa na mpanampoasa / ampoasana na anampoasana, fampoasana na fanampoasana, Ahitsio
Ampoasaina: (ampoasa) mt. ih. (ampoasao): Kasaina, ampoizina. Ahitsio
Ampody: na Ampodina (Ski) a,: Karazan-kazon'ala manopy vony ny hazony ary lava-lava mivaky telo ny raviny, fanao zaran-defona. Ahitsio
Ampofo: ft.: Enti-milaza fipetrahana eo ambony fe sy ranjo miforitra. - t.i.f.: ampofoina, voampofo / miampofo, fiampofo, mpiampofo I iampofoana, fiampofoana, mahampofo / ampofoana. Ahitsio
Ampofoina: (fofo), mt. at. (ampofoy): Apetraka eo ambony fe sy ranjo miforitra, eo anoloan'ny kibo sy ny tratra. Ahitsio
Ampohana: (ampoka) mt. ih. (ampohy): Vontosana, fenoina: Hampohan'Andriamanitra ny soa anie ianao! Ahitsio
Ampoizina: (fo) mt. ih. (ampoizo): Andrasana, antenaina: Tsy nampoizinay ho tonga androany ianao. ? Kasaina: Moa ve efa nampoizinao izao halatra nataonao izao? 1 Eritreretina, ahina, atao ho zavatra ka eritreretindava: Ampoizo ny fianaranareo, rankizy. Ahitsio
Ampoka: a.: Lalao kanety ka ilay kanety iadiana iny ihany no atao loka. Ahitsio
Ampoka: p. t.: Feno, vonto, boboka: Sponjy ampo-drano. • Feno, henika: Ho ampoky ny soa anie ianao! - t.i.f.: ampohana, voampoka 1 manampoka, fanampoka 1 anampohana, fanampohana / miampoka 1 mahampoka. - F.-p.: Manampoka aina: manao izay hahafa-diana, hahafa-po; / olona tsy ampoka: olona tsy manjary, vetaveta. Ahitsio
Ampola: (fr. ampoule) a.: Jer,Takamoa. Ahitsio