Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampolokeliny: (folokeliny), a.: Fitsinjaram-paritany, foko. Ahitsio
Ampombo: a.: Ny fonon'ny fotsimbary na ny hoditry ny vary akotry. Ahitsio
Ampomboina: (ampombo) mt. ih. (ampomboy): Toroina, torotoroina, mongomongoina. • H. i.: Kapohina, velesina, havokavohana. Ahitsio
Ampondo: na Ampondontsifa (Ski) a.: Kimbalombalontandroka, izany hoe ilay tapany taolana ao anatin'ny tandroka. ',mpondontsifa a.: (jar. Am• pondo). Ahitsio
Ampondra: a.: Biby mitovitovy amin'ny soavaly fa kely, izay atao koa hoe boriky. Ahitsio
Ampondro: (Ski) a.: Tehin-dakana. Ahitsio
Amponga: a.: Karazana vata miendrika kodiarana misy hoditra voahenjana ny lafiny roa, izay velezina amin'ny hazo kely atao hoe fiuety, ka mahatonga feo mikarantsana na midobodoboka. - t.i.f.: ampongaina / manamponga. Ahitsio
Ampongabe: a.: Amponga misy hoditra roa, velezin'ny tanana havanana amin'ny tsorakazo sahabo ho vehana nasiana lamba bokony eo amin' ny tendrony ilany; ampiarahina mandrakariva amin'ny langorona. Ahitsio
Ampongabendanitra: (angl. pomegranate) a.: Hazo lehibebe mitondra voankazo sahalahala habe amin'ny paoma; ny raviny ataon'ny olona ody kibo raha mivalana, ary ny fakany mamono sakoitra (Dunica granatum). Ahitsio
Ampongaina: (amponga), mt. ih. (ampongao): Dokafana izaitsizy, deraina fatratra. Ahitsio
Ampongalahy: a.: Amponga misy hoditra roa: ny ilany tsy faranana fa avala hikopaka toy ny ravin-tsofina, ny ilany mitovy amin'ny amponga tsotra izao ihany. Ny felatanana havia no mively eo amin'ilay misy sofiny (mikarantsana kokoa ny feony fa manify ny hoditra); ny havanana kosa mively ny ilany amin'ny tsora-kazo kely tokony ho vehana (midoboka kokoa ny feon'io fa matevina ny hoditra aminy). * Ohab.: Axa atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana: tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. Ahitsio
Ampongandandy: a.: Soherindandy maty an-karanany. Ahitsio
Ampongantaolo: a.: Amponga hoditra roa; toy ny diam-panorona ny bikan'ny tady mifamatopatotra manenjana azy eo amin'ny andilany; ampiasaina amin'ny lanonana isan-karazany. Ahitsio
Ampongantsofina: a.: Elabakaka manampina ny fara vodin' ny fantson'ny tadiny ka mamindra ny fipaipaikan'ny rivotra voahetsiky ny feo amin'ny hozatra mankany amin'ny atidoha. Ahitsio
Ampongatany: a.: Atao koa hoe Amponga fan drotrarana: fandrotrarana mihenjana amin'ny tsatoka kely anankiroa no aingain'ny tapa-kazo kely eo ambonin'ny lavaka voarakotra tain'omby maina ary dia velezina amin'ny rantsan-kazo kely anankiroa. (Kilalaon'ny ankizy). Ahitsio
Ampongatapaka: a.: Amponga kely izay tsotra indrindra fa ny ilany ihany no misy hoditra hovelezina. Ahitsio
Ampongatary: a.: Amponga na-tao hipetrahan'ny ankizilahy hatao hasoavana. Ahitsio
Ampongavato: (Tsm) a.: Karazam-balala izay mampaneno elatra rehefa manidina. Ahitsio
Ampongavilany: a.: Vilany tany nasiana tataviankena ny vavany ary mitoetra eo ambony halana mba hampihilangilana azy: velesina amin' ny rantsantanana na rantsankazo kely anankiroa ny ampongavilany; mikarantsana ny feony fa tsy mba midoboka toy ny amponga hafa. Ahitsio
Ampovoa: (jar. afovoa). Ahitsio