Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ampy: p.t.: Antonona an'izay ilaina, sahaza: Tsy mbola ampy izao fahaizanao izao fa mbola tokony hianatra ihany ianao. / Efa ampy ny uariko, tompoko, fa misaotra. - t.i.f.: ampiana, anampy / manampy, fanampy, mpanampy / anampiana, fanampiana / miampy / mahampy. ? F.-p.: Ampy fanahy: hendry, mahay mitondra tena. ¶ M. h.: manam-panahy. / Ampy mihira: fiteny amin' ny kabary am-panambadiana ka enti-milaza ny zaza hateraky ny mpivady vao voalohany izay fandrihan'ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy; / ampy misoratra: rti-m laza ireo zaza antonona hodidiam-poitra (ny toy ireny fahizay dia nolazaina fa efa azo soratana amin'ny antokon'ny zaza hatao),; / ampy mizara: enti-milaza zavatra ampy hozaraina tsara ka hahazo ny anjarany daholo izay rehetra eo. Ahitsio
Amy: ft.: Enti-milaza fitafiana mihaja fenti-mihaingo. 4 Li, fi: manamy / anamiana, fanamiana. Ahitsio
Amy: na Amin' ppk.: Teny mpampiankina mampiankina matoanteny na anarana amin'ny famenony, ka mflaza: a) fitaovana enti-manao asa: Manoratra amin'ny penina. b) fomba: Mihira aminkaravoana. d) fotoana: Miainga amin'ny fito maraina. e) olona itenenana: Miresaka amin-dRakoto. f) fiarahana: Miaraka amin'ny amboalambo. / Vary amin-dronono. g) faritra: Mandray zaza amin'ny sandriny. h) fanamarihana ny hoe araka ahy, araka anao...: Amiko tsisy vidiny ny vola azo amin'ny tsy rariny. i) toerana: Hisakafo any amin'i dada izahay anio; (marihina fa raha milaza toerana ny amy dia tsy maintsy ialohana p.mt. milaza toerana mandrakariva koa: eto, eo, any, atsy, ...: Mivory atsy amin'ny ben'ny tanàna ny loholona). Ahitsio
An: Tovona fanaovana fototeny faharoa tsy dia manan-kevitra manokana: Aniara (zara), anjaika (zaika). Ahitsio
An': An-, Am- (eo alohan'ny b sy ny p) ppk.: Teny mpampiankina fampiasa: eo alohan'ny anaran-tsamirery, ny mpisolo anarana na mpamaritra anarana manondro (izany, it?, izao...): a) raha a-tao teny fameno izy ireo: Nahita an-dRakoto aho ornaly. Tsy nahalala an'izany ueliueiy izy; b) raha ilazana tompon-javatra: An-dRalahy ve ireo omby ireo? Tsia, tompoko, an'izany olona avy any Antsahafiraisana izany, hono. 1 Eo alohan'ny anaran-toerana izay aorian'ny mpamaritra matoanteny milaza toerana koa: Lasa any an-tsena izy, fa tsy any ampantsakana akory. • Hoentimisolo ny amin- mba hilazana fomba na toetra: Mihira an-kafaliana (amin-kafaliana) ny ankizy. Ahitsio
An-dakamboho: p. mt.: Manaraka ny hazondamosina. Ahitsio
An-dakamosina: p. mt.: Manaraka ny hazondamosina. Ahitsio
An-dakandrano: p, rit: Mana-raira ny lakandrano na ny lempona mifanila amin'ny hazondamosina. Ahitsio
An-dakira: p. mt.: Any lavitra dia lavitra, tsy hita popôka. Ahitsio
An-jamba: p.mt.: Tsy am-pieritreretana: Tsy tsara ny manao anjamba fa izany no nantsoin'ny Ntaolo hoe mitsambiki-mikimpy. Ahitsio
An-kalamanjana: p. mt.: Amin' ny toerana tsy takona fa miharihary: Natao teny an-kalamanjana ny fanononana ny ualim-panadinana. Ahitsio
An-kamehana: p. mt.: Amin' ny fomba maimaika tsy voaomana tsara: An-kamehana ny nandraisanareo ny solontenako ka tsy faly aho. ? Batemy an-kamehana: Batemy tsorina dia tsorina, tsy asiana ny fombafomba rehetra, noho ny hamehana fa marary ny zaza na atahorana ho tsy azo. Ahitsio
An-kanifisana: p. mt.: Kely raha ny hatevenany no jerena. • H. o,: Kely: An-kanifisana ny tombony azoko tamin' io raharaha io, Ahitsio
An-kapetrahana: p, mt.: An-kalamanjana. Ahitsio
An-karanany: (any anaty haranany) p. mt.: Tsy mbola niseho masoandro, tsy mbola teraka: Maty an-karanany ny fikasany. Ahitsio
An-kilahila: p.mt.: Eo amin'ny toerana misolampy tsy azo itombenana tsara: Andeha ho eny an-dohasaha fa an-kilahila it? misy antsika id) ka sarotra ananganan-day. ? Toerana tsy mampiorin-tsaina: An-kilahila ny fiainan-dRakoto amin'izao fotoana tsy ahitany asa izao. Ahitsio
An-kilany: p.mt.: Enti-milaza antokon'olona na lafin-kevitra iray mifamaly amin'ny iray hafa izay atao hoe an-daniny: Nizara roa ny olona nanatrika teo: ireo nilaza fa tsy tsara ny manaraka fotsiny ny be sy ny maro, an-kilany, ary ireo nilaza fa tokony hanao ohatra ny olona rehetm,an-daniny. Ahitsio
An-kitsiloha: p. mt.: Mitovy amin'ny an-kitsirano. Ahitsio
An-kitsirano: p. mt.: Amin'ny fomba tsotra, tsy an-kifonofono, tsy misy olakolaka. Ahitsio
An-kobany: (t.tr.) p.mt.: Anelanelany, anevanevany. Ahitsio