Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
An-kobohobo: p.mt.: Miafina, an-tsokotsoko: Varotra ankobohobo: varo-maizina. Ahitsio
An-kodahoda: p, mt.: (fihasimban'ny hoe "an-kodiadiatra" jar. Hodiatra) Enti-milaza toerana very any an-kebakeba-tany lavitra tsy misy mpahita Ahitsio
An-kodivirana: na An-kodimirana p.mt: Eo am-piolahana, eo amin'ny fiviliana, amin'ny ilany miolaka amin' ny havoana, na ny tendrombohitra: Sakeli-dalana ankodimirana, ilaozy foana fa manahirana (Ny Auana). Ahitsio
An-kotsio-drivotra: p. mt.: A-min'ny toerana talaky rivotra. Ahitsio
An-tendry: p, mt.: Ivelany fotsny. Ahitsio
An-tsafelika: p.mt.: Tsy mivantaha, miolaka. Ahitsio
An-tsakany sy andavany: p. mt.: Enti-milaza fahalavorarian-javatra na fanaovan-javatra tanteraka, izany hoe vita tsara amin'ny lafiny rehetra, amin'ny sakany sy ny lavany: Nahavita an-tsakany sy an-dauany ny adidiko amin' ireto kamboty ireto aho. Ahitsio
An-tsapatsapaka: p, mt.: A-mim-pomba kitoatoa, mosalahy. Ahitsio
An-tsitrapo: p.mt.: Amim-panahy iniana, tsy terena na vozonana: Samy hafa be ny mamono olona an-tsitrapo sy ny mamono olona tsy nahy. Ahitsio
An-tsoroka: p.mt.: Eo ambony soroka. é t.f.f.: antsorohina ) miantsoroka, fiantsoroka, mpiantsoroka ( iantsorohana, fiantsorohana. Ahitsio
An-tsuIa-bato: p.mt.: Eny ambony vatolampy avoavo misolampilampy. Ahitsio
Ana: p.t.: Tsy afaka miaina tsara noho ny hasemporana niakatra fiakarana na nihazakazaka mafy: Ana aho uao nahafaka ny rihana efatm mankat9 aminareo. Ahitsio
Ana: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza tompon-javatra izay ao anaty antokon' olona malalaka: Ana Malagasy it? trano ita fa Vazaha no mipetraka ao. Ahitsio
Anabavy: a.: Vehivavy iray tam-po amin'ny lehilahy iray: Namangy anay Ralay sy ny anabaviny. / Rasoa no anamn'ny anabavin-dRabia. Ahitsio
Anadahy: a.: Lehilahy iray tam-po amin'ny vehivavy iray: Rakoto no anaran'ny anadahin-dRasoa. Ahitsio
Anaikanaika: (naikanaika), mt. at. (anaikanaikao): Ampahitana loza, asehoseho an-kasahian-doatra: Aza anaikanaika eo it? zanakao. Ahitsio
Anaka: a.: Teny mitovy tsy misy hafa amin'ny hoe zanaka, saingy tsy fampiasa afa-tsy amin'ireto fombam-pehezanteny manaraka ireto: a) raha misy mpamaritra anarana eo alohany: Efa lehibe anaka Razay. / Maro anaka izy. / Vao maty anaka Rabe. b) raha atao teny enti-miantso: Hendre tsara, anaka. - t.i.f.: mianaka, mpianaka, fianahana / fananahana / ampianahana / mianakavy, mpianakavy / fianakaviana / mpianakavibe. - F.-p.: Manana anaka: manan-janaka vao torontoronina ao an-kibo; / tsy mamono anaka: miaraka amin'izay (dia maty, resy). * Ohab.: Saro-po manana anaka, ka tsy hanan-dray ny ankizy: hahantra izay manary na mandao ny asa na raharaha fanaony noho ny hasosorana kely tsy toy inona. Ahitsio
Anakaina: na Anakavina (aka), mt. ih. (anakao, anakavo): Odiana tsy fantatra, odiana anaovana izao sy izao. Ahitsio
Anakamonto: a.: Zaza tsy fanta-dray, zazasary. Ahitsio
Anakampo: p.mt.: Any anaty any ihany fa tsy miseho et? ivelany: Hoy aho anakampo. ¶ M.h.: anakantsaina. Ahitsio