Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Anakanaka: na Kianakianaka a.: Hofan-javatra nindramina, saingy tsy vola fa zavatra. Ahitsio
Anakandriamaso: a.: Ilay zavatra ao anaty voamaso, izay idiran' ny tsirim-pahazavana fototry ny fahitana. - F.-p.: Tandremana ohatra ny anakandriamaso: tandremana fatratra izaitsizy. Ahitsio
Anakandriana: na Ranakandriana a.: Zavatra tsy hita maso ninoan'ny Ntaolo ho nonina tany anaty lava-bato, ary mpanelanelana eamin'Andriamanitra sy ny olombelona; ny anakandriana no voalaza ho nanindry mandry na nanoro hevitra ny mpimasy. Ahitsio
Anakandro: a.: Zavatra mihefakefaka amin'ny hoditra, fa indrindra ny hodi-tava, mova tsy ny tako-pery manify. - t.i.f.: anakandroana. Ahitsio
Anakandroana: p t. na a,:Voan' ny anakandro; matetika anefa ilazan'ny olona ny anakandro mihitsy io teny io: Toa misy anakandroana izany tavanao izany. Ahitsio
Anakantsaina: p.mt.: Any antsaina, any an'eritreritra fotsiny: Ndeha hohaniko io paiso io, hoy izy anakantsainy. ¶ M.h.: anakampo. Ahitsio
Anakaomby: (Br) a.: Angaka dia vaventiventy. Ahitsio
Anakaraka: a.: Zavamaniry madinika famonoana bibikely, toy ny parasy, moka... (Cordyla madagascariensis). Ahitsio
Anakatsimba: a.: Zavamaniry fanao ody tazo ny raviny, indrindra raha mandoa ny marary; azo ampiasaina ho fanafodin'ny biliezy koa izy, ary ny raviny apetaka amin' ny nonon'ny mpifana misy vay (Toddalia asiatica). Ahitsio
Anakatsotsy: a.: Zavamaniry fanao fanafodin'ny aretin'ny fivaviana (Phyllanthus niruri) Ahitsio
Anakia: (Ski) a.: Mpanao majika, mpampiseho fahakingantanana. Ahitsio
Anakidory: a.: Amponga kely kokoa noho ny dory (zanaky ny dory no heviny). Anisan' ny amponga masina izy io fa ampiasaina amin'ny hirampivavahana:tromba, bilo, sns. ary tsy azom-behivavy kasihina; ny any amin'ny faritanin'ny Sakalava no mampiasa azy. Ahitsio
Anakotsohotso: (t.tr.) a.: Tsilaingalainga, hafetsifetsena. Ahitsio
Analasosa: a.: Karazan-kazo madinika fanaovana ody mivalan-dra na mandoa ra. Ahitsio
Anamadinika: a.: Anarana iombonana ilazana ireo anana samihafa maniry ho azy eny an-tsisin-tanimboly, toy ny anampatsa, anantarika, anantsinahy... (Ireo anana tena famboly: anamamy, anantsonga... dia tsy mba natao ho anisany). Ahitsio
Anamafaitra: a.: Karazan'anana saika toy ny anamamy ngita kely, saingy mangidy aoka izany. Ahitsio
Anamalaho: a.: Karazan'anana masiatsiaka sy mafanafana ary anisan'ny be mpitia raha ampiarahina amin'ny anana maro, toy ny anamamy, anantsonga, ravim-boatavo. Raha hanina maitso ary man-ta ny anamalaho dia manome vitamina C (Spilanthes oleraces). Misy karazany maro ny anamalaho: anamalahobe, anamalahokely, anamalahombazaha, anamalahonkova, anamalahovavy, * Ohab.: Sery vitan'anamalaho ka handaniana vantotr' akoho: nampiasain'ny Ntao-Io ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr'akoho. Ahitsio
Anamamy: a.: Karazan'anana lehibebe ravina, anisan'ny be mpitia indrindra raha atao ro noho ny tsirony mangananganana tsara. • F.-p : Anamamy dimbinantsy: ilazana ny kolokolon'anamamy maniry amin'ny ta-ho nakana ravina teo aloha. r(Solanum nodifiorum). Ahitsio
Anamboraka: na Beroberobazaha a.: Zavamaniry madinika ataon'ny olona fampivalanana (Sonchus oleacerus). Ahitsio
Anampatsa: a.: Karâzan'anana. Ahitsio