Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Anampoza: a.: Karazan'anana fanao raokandro. Ahitsio
Anampy: (ampy), mt. at. (anampio): Enti-milaza izay a-tao fanampiny amin'ny zavatra iray: Int? misy vola kely hanampy ny vatsinao. Ahitsio
Anana: a.: Zavamaniry fanao fangaron-daoka na laoka mihitsy aza, toy ny anamamy anantsonga, anamalaho,...: Anam-bazaha: anana tsy tera-tany fa nampidirina teto, toy ny laisoa, karaoty, nave. ? F,-p.: Mitsongo anana:maka anana. * Ohab.: Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana: enti-milaza olona manao zavatra tsy fanaony ka very andro fotsiny. Ahitsio
Anana: ft.: milaza fananan-javatra. - t.i.f.: ananana / manana, fanana, mpanana / ananana, fananana. Ahitsio
Ananambo: a.: Zavamaniry marotsaka fanao fangaron-daoka, misy vitamina C ny tahony sy ny fakany (Moringa oleifem), Ahitsio
Anananana: (nananana), mt. at. Lazaina mafy miantsoantso. Ahitsio
Ananaomby: a.: Zavamaniry fanao ody kankana ny raviny (Stachystapheta jamaicensis) Ahitsio
Anandaingo: a.: Zavamaniry fanaovana fanafody kohaka. (Lobelia agrestis). Ahitsio
Anandrano: a.: Karazan'anana madini-dravina maniry eny amin'ny tany be rano; fanao ro ary azo hanina manta fanao salady koa. Be vitamina C ny anandrano (Nasturtium officinale). Ananinombilahy a.: Zavamaniry famonoana bibikely toy ny moka, parasy sns...(Cleissthantus perrieri). Ahitsio
Anankiray: p. t.: Iray (fitenin' ny ankizy ary enti-milaza isan-javatra fa tsy entina manisa); ny anankiray sy anankiroa ary anankitelo ihany no tena fandre matetika. Ahitsio
ananovana:anaovana Ahitsio
Anantarika: a.: Karazan 'anana. Ahitsio
Anantsanantsana: (nantsanantsana), mt. at. (anantsanantsano): Atao mikarantsana, atao minantsanantsana. Ahitsio
Anantsinahy: a.: Karazan'anana fantatra koa amin'ny anarana hoe tsipolotra. Ahitsio
Anantsingita: a.: Karazan'anana mangidingidy fa mani-pofona. Ahitsio
Anantsonga: a.: Karazan'anana lehibebe ravina, fanao fangaron-daoka tsara (Brassica). Ahitsio
Anao: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona, enti-manolo ny ianao raha atao teny fameno: Mijery anao izy; na raha atao milaza tompon-javatra: Anao ve it? satroka ity? / Ny anao: enti-milaza zavatra ananana: Iza amin' ireto boky ireto ny anao? * Ohab.: Anao aho ka mora fa raha an'olona aho sarotra: matetika tsy dia raharahaina firy ny zavatra raha eny amin'ny tena, fa raha vao lasan'olona iny, mahasarotiny izaitsizy. Ahitsio
Anarana: karazan'ahitra (Antherotoma Naudini). ~ Karazan-toaka ratsy tsisy vidiny. Ahitsio
Anarana: a.: Teny enti-milaza zavatra na biby na olona ka anavahana ary iantsoana azy: Rabe no anamn'ny rahalahiko. / Akondro no anaran'itY voankazo it9. - F.-p.: anaram-bosotra: tsy tena anarana fa anarana napetaka atao fiantsoana olona indrindra, izay mazàn nanomboka tamin'ny vazivazy na vosobosotra; / very anarana: enti-milaza ray na reny niteraka izay nanjary very anarana fa naka ny anaran-janany nampiana hoe Raini na Reni.: Vary anarana Ratsimandresy fony nitemka an'i Bao fa Jasa hoe Rainibao; / mandimby anaran-dray soa: mandimby ny voninahitra nananan'ny ray. Ahitsio
Anaranoana: p.mt.: Mandrakizay doria alaovalo. Ahitsio