Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Anareo: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny ianareo raha atao teny faine-no: Manontany anareo aho ka valio; na raha atao milaza tompon-javatra: Hay anareo it? tanimbary it?? / Ny anareo: enti-milaza zavatra ana-nana: Kely it? trano it?, ny anareo no tiako fa Jehibe. Ahitsio
Anarina: (anatra), mt. th. (ana-ro): Omena torohevitra, atoro: Tsy laitra anarina io zaza io fa mafy loha. * Fiten.: Raha anarin-tsy zaka, ny tsetsetra no an'olona, fa ny tsitsitra no an'ny tena: fitenenana misy tsilalaon-teny enti-milaza fa ny ankizy tsy laitra anarina dia mampitsetsetra ny mpitazana fa mety hahafaty ny tena kosa. / anarin-tsy zaka,ka uoa uao manao hoe "Nankaiza ny tanteliko teto"?: ireo tsy laitra anarina dia mbola ho voa ka amin'izay vao hanenina bevava. Ahitsio
Anatra: a.: Torohevitra, fanorotoroana: Araho tsara ny anatry ny ray aman-dreny. 1 Fananarana, fampitandremana: Anatra lehibe ho anao izao fahavoazanao izao. 1 Hafatrafatra, filazalazana: Nanome anatra mafonja uitsivitsy ny filoha talohan'ny hiaingan'ireo hanao fanompoam-pirenena. - t.i.f,: Anarina / mananatra, fananatra, mpananatra / ananarana, fananarana / mianatra, fianatra, mpianatra / ianarana, fianarana / ampianarina ) fampianatra, mpampianatra i anatra / ampianarana, fampianarana. * Ohab.: Ny ana-dray amandreny toy ny tsipak'ombalahy: raha mahauoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina: tsy tokony hatao tsinontsinona na oviana na oviana ny torohevitra omen'ny ray aman-dreny. / Ataouy anatra imaso hifanatrehana, fa raha takona tonga fosa. / Mpiasabe uonton'anatra: any an-tsena avy no manao "rnbay lalana": ny zavatra rehetra —na dia izay tsara aza — dia mety hiova ho ratsy rehefa mihoapampana, mihoatra ny fetra. Ahitsio
Anatrandraka: a.: Zavamaniry mahabe no manadio ny fivalanandrano (Lycopodialla cernua). Ahitsio
Anatrehana: ppk.: Teny mpampiankina enti-milaza toerana eo anoloana, izany hoe mifanandrify akaiky: Tsy nanan-kaualy izy teo anatrehan'ny mpitsara azy. Ahitsio
Anatsiko: o.: Zavamaniry ampiasaina ho ody fivalanan-dra ny hodiny (Securinega antsingyensis). Ahitsio
Anatsinomina: (atsimo), mt, at. (anatsinomy): Alefa na atodi-doha mianatsimo: Rehefa tonga teo amin'ilay tsangambato izahay, dia nanatsinominay ny dianay. Ahitsio
Anaty: p,mt. na ppk.: Entimilaza toerana mifanohitra amin'ny hoe iuelany, tsy mivoaka: Hendry anaty toa samoina (p.mt). Ao anatin'ny tratra no misy ny fo (ppk,). Ahitsio
Anavaratana: (avaratra), mt. ih. (anavarato): Alefa na atodidoha mianavaratra. Ahitsio
Anay: s.o.: Mpisolo anarana misolo olona enti-manolo ny izahay raha atao teny fameno: Nanasa anay idadatoa tamin'ny alahady, na atao teny milaza tompon-javatra: Anay ny fandresena! 1 Ny anay: enti-milaza zavatra ananana: fY? trano it? an-dRanaivo, itsy kosa ny anay. Ahitsio
And robe: a : Aretin-kozatra tsy fantatra antony na fiaviana, fa ny fisehoany no amantarana azy: miantso mafy ny marary, dia midaboka ary tsy mahatsiaro tena; rehefa avy henjana ny vatany rehetra dia manomboka mifanintona amin'izay izy; fanafody mampihena ny mangirifiry no misy fa tsy mahasitrana ny androbe tanteraka. Ahitsio
Andafy: ppk, sady p,mt,: Enti-milaza toerana ampitan'ny rano na hady, izany hoe mifanandrify amin'ny misy ny tena fa elanelanin'ny rano na ny hady: Er? andafin'ny rano er? no misy anay (ppk.). Er? andafy atsimo no misy ny tsena (p,mt.). Mitovy firafitra amin9t? farany it? koa ny hoe any andafy izay ilazana ny tany any ampitan' ny ranomasina: Handeha hianatra any andafy izy raha avy taona. Ahitsio
Andala: a.: Fikapohana amin' ny rotsa-kazo, karavasy, kotopia... - t.i.f.: Andalasina 1 anandalasana, fanandalasana. Ahitsio
Andalambary: a.: Vary vao voajinja vita andaharana eny an-tsaha ambara-pitaona azy ho eny an-tanàna. Ahitsio
Andalana: a.: Laharana: Ataouy dimy andaiana ireto dabilio ireto, 1 Laharan-tsoratra: Isao mby andaiana firy isantakila amin'it? boky it9. / Rehefa miova andalana dia soratana atoo sora-bauenty ny tarehintsoratra voalohany amin'ny teny voalohany. 1 Ahitsio
Andalandalana: t.u.r,: Tsikelikely. - t.i.f : Miandalandalana. Ahitsio
Andalandrambony: a.: Ny sisiny alefitra amin'ny tenona na ny rary. Ahitsio
Andalanina: (andalana) mt. ih. (andalano): Ampandehanina na alefa miadana, tsikelikely: Andalano ny fiasanao fa aza rotorotoina befahatany, Ahitsio
Andalasina: (andala) mt. ih. (andalaso): Havokavohana, kapohina na velesina mafy sady maharitra ela. Ahitsio
Andamosina: ppk,: Enti-milaza toerana eo ivohon'ny zavatra iray: Miery ao andamosin'ny lalimoara i Fara kely. ¶ M.h.: ambadika, ivoho. Ahitsio