Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Andaniny: p.mt.: Amin'ny lafiny iray, mifamaly amin'ny hoe an-kilany; raha ampiasaina ho toy ny anarana ireo teny ireo dia tsara raha soratana hoe: ny andaniny, ny ankilany. Ahitsio
Andao: mts.: Fihasimban'ny hoe andèha: Raha arahina matoanteny izy, dia entina mitaona: Andao hitsangantsangana. Raha mandeha irery, dia mitovy hevitra amin' ny hoe roso na basal. Ahitsio
Andefimandry: a.: Ny vady marina aradalàna, mifanohitra amin'ny uazo na sakaiza. Ahitsio
Andefitra: a: Ny sisin'ny fandriana na ny farafara manaraka ny rindrina. Ahitsio
Andeha: (leha), mt.p.: Teny enti-mandidy, (eo alohan'ny milaza ny ankehitriny): Andeha mianatra ianareo fa ampy izay enim-bolana tsy nianarana izay. ? Enti-mitaona (eo alohan'ny milaza ny ho avy): Andeha hianatra isika fa miandry antsika ny tanindmzana. Ahitsio
Andevo: a.: Ny ambany indrindra ara-pirazanana amin'ny foko iray taloha izay nanompo ny hafa, izany hoe tsy na-nana ny zon'ny olona afaka fa teo ambany fifehezan'ny tompony lalandava: Ny ffuavahana kristianina no anisan' ny nanafoana ny andeuo teto ambonin'ny tany, ~ Mpanompo: Izaho angaha andeuonao no anananao fahefana? i andevozina / manandevo, fanandevo, mpanandevo / anandevozana, fanandevozana / maha-andevo, miandevo, fiandevo, mpiandevo. - F.-p.: andeuo am-patana: andevo nikarakara ny raharaha ao an-trano; / andeuo andapa: ireo mpanompon'ny mpanjaka, manendy, madiotanana, tandonaka; / andevo havana: ireo olona mipetraka amin-kavana ka manompo azy toy ny andevo; / andeuom-behivavy: h,o. olona mitavozavoza, dondrim-belona; / andevo ompihely: andevo teraka ary velona ao an-trano ka toy ny anisan'ny ankohonana mihitsy. Ahitsio
Andevozina: (andevo), mt. ih. (andevozy): Atao mpanompo, entina amin'izay itondrana azy, ampanaovina izay tiana. Ahitsio
Andiany: a.: Olona na biby maromaro miara-dia, na manao dia be na nriara-manidina raha vorona: Andiam-borona; / andian'omby, ¶ M.h.: antokony, iray tari-ka, mpiray dia. Ahitsio
Andilana: a.: Valahana, ilay faritra etiety na manify kokoa amin'ny tenan'ny olombelona eo anelanelan'ny taolantehezana sy ny maoja ary toa mampitohy ny tenabe amin' ny rantsambatana ambany. - F,-p,: kely and nana: mahia na miezoeo. * Ohab.: Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina; ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy tanty: ny raharaha rehetra — na ny an'ny mpitondra na ny olona entina — dia samy mampiferin'aina ny mpanao azy avokoa (ny isan-jato dia fanompoana izay nifampizaran'ny olona tsizatozato ny manao azy). Ahitsio
Andimy: a.: Anaran'ny fanorona misy sorany dimy ny sakany sy ny lavany. Ahitsio
Andininy: a,: Fitsinjarazarana ny teny ao amin'ny toko iray ka misy isa filaharanY mba hahamora ny fitadiavana sy fitadidiana azy: Jereo Lioka, toko 1, andininy faha-52. ? Fizarazaran'ny tononkalo na tononkira iray, izay samy misy andalana maromaro mitovy isa: Misy andininy folo ny Midona moramora nataon'NY AVANA. Ahitsio
Anditra: p.mt,: An-kery. Ahitsio
Ando: a.: Fitambaran'ny pitidrano kely hita eny an-tendron'ny ahitra amin'ny ma-raina sy ny hariva, vokatry ny fivonganan'ny etona ho tonga rano. - F,-p,: Ranon'ando: rano avy amin'ny fihintsanan'ny ando. * Fiten.: Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie homba anao lalandaua: teny enti-milaza tsodranom-pitahiana, noho ny ando mahatsara ny zavamaniry fa tsy mba manimba azy toy ny fanala. Ahitsio
Andoha: a.: Teny mitovy hevitra amin'ny hoe loha, saingy ilazana ny ao anatin'ny loha ihany: Mampanelonelo ny andohako izany fofon-dranomanitra izany. Ampitahao ireto fehezanteny ireto: Marary ny lohako fa voadona (ny iuelany). Marary ny andohako fa nianatra be loatm aho (ny anatiny), Ahitsio
Andohalambo: a.: Rafi-bato na biriky, izay vita mitatao mivohon-tsotro ka atao tataom- baravarana na vavahady. Ahitsio
Andohamalona: a.: Faritra amin'ny lohalika eo ambonin' ny ampelandohalika. Ahitsio
Andohariana: p,mt.: Am-bavahoana, madiva ho faty. Ahitsio
Andohasàna: a,: Vola omena mialoha ny mpanao fanafody na ny mpisikidy. Ahitsio
Andolo: a.: Tany fandevenana. Ahitsio
Andra: ft.: Enti-milaza fitrakan'ny loha hijery ny ambony, - t.i.f.: andraina, tafandra / miandra, fiandra, mpiandra ( iandrana, fiandrana. Ahitsio