Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Andra: p.t.: Fetsy ratsy, konjo: Andra lahy, andra vavy. Ahitsio
Andraikitra: a.: Zavatra tsy maintsy atao ho fiadidiana olona na zavatra ka ny tena no tompon'antoka aminy: Andraihitry ny ray aman-d reny ny mamelona ny zanany. ¶ M.h.: adidy. - t.i.f.: miandraikitra, fiandraikitra, mpiandraikitra ) Ahitsio
Andraina: (andra), mt. ih. (an drao): Antenaina, jerena: Ny lanitra no andraina. Ahitsio
Andraka: ppt.: Mitovy amin' ny mandraka: Andraka androany. Ahitsio
Andrakomora: a.: Zavamaniry famonoana bibikely toy ny parasy, moka, sns... (Cadia pedicellata). Ahitsio
Andramana: (andrana), mt, ih. (andramo): Tsapaina kely mialoha: Vao nandramana ilay angady dia tapaka. 1 Fantarina kely ao am-bava ny tsirony: Andramo kely ny siran-daoka, ry Fara a! - F,-p.: Manco mangidy tsy andramana: manombantombana olona na zavatra mialoha ho ratsy, na dia mbola tsy nifampikasoka taminy na nampiasa azy akory aza; mitsara ivelany fotsiny. Ny ohabolana nakana an'io dia hoe: * Aza atao mangidy tsy andramana toy ny hentona: mazàna no rakotra molaly ny hentona, ary ny molaly malaza ho mangidy, ka raha vao mijery ny hentona fotsiny dia milaza azy hoe mangidy ny olona na dia tsy nanandrana akory aza. Ahitsio
Andrana: a.: Fampiasana zavatra mialoha mba hitsapana ny toetrany na ny fandehany: Nampandehanina ilay fiarakodia vao novidina, nefa tsy aisy dia nampanaovina azy fa vao andrana fotsiny. ~ Fitsapana fotsiny fa tsy mbola tena izy, fanalam-botso-tanana: Tsy kanety akory ny fanambadiana ha ndeha hasiana andrana? ~ Fihinanana kely amin'ny zavatra iray mba hahalalana ny tsirony: Aoka izay fa lany andrana eo itY laoka. - t.i.f.: andramana, voandrana ) manandrana, fanandrana, mpanandrana ( anandramana, fanandramana. Ahitsio
Andranandrana: (andrana) ft.: Enti-milaza nard onanjonana. é t.i.f.: andranandranina, voandranandrana, tafandranandrana / miandranandrana, fiandranandrana, mpiandranandrana ( iandranandranana, fiandranandranana ( mahandranandrana. Ahitsio
Andranandranina: (andranandrana), mt. ih. (andranandrano): lanjonanjonana. Ahitsio
Andrandra: ft.: Fijerena ambony mampitraka ny loha mba hitazanana ny avo, fikasana sy faniriana hanatratra na ho tonga eo amin'ny toerana iray ambony tadiavina. - t.i.f.: andrandraina, voandrandra / manandrandra, f anandrandra, mpanandrandra / anandrandrana, fanandrandrana / miandrandra, fiandrandra, mpiandrandra ( iandrandrana, fiandrandrana / mahandrandra. Ahitsio
Andrandraina: (andrandra), mt ih.(andrandrao): Atraka ambony: Andrandrao ny lohanao. ~ Takarina amin'ny maso: Andrandrao ny haaoon'ir? tendrombohitra h.o. Antenaina, alehan'ny saina: Ny hanan-taranaka ihany no andrandrain'ny Malagasy. Ahitsio
Andranobe: a.: (ao an-trano be): Ny vehivavy lehibe indrindra ao amin'ny fianakaviana; ramatoabe; matetika koa anefa atao hoe andranobe ny vadin'ny lehilahy lehibe mpanankarena na maro ankohonana. Ahitsio
Andranonampinga: (t.tr.) a.: Ny ankohonana, ireo antokon'olona entina, miankina amin'ny tena. Ahitsio
Andrao: ppt. feh,: Sao, sangoa, mba tsy: Ovao ny akanjonao andrao fantany ianao. Ahitsio
Andrareza: a.: Zavamaniry totoina atao vovoka famotsianify (Trama orientalis), Ahitsio
Andrarezina: a.: Hazo zokiny indrindra ao an'ala. Lavo ny andrarezina: maty ny olona malaza sY ambony anankiray, Ahitsio
Andrasana: (andry), mt. ih. (andraso): Tsy ilaozana: Andraso eto aho ambara-piveriko na amin'ny firy na amin' ny firy. ? Antenaina: Ianao no nandrasanay fa tsy Rangahy io. ? Ambenana: Aza matahotra fa efa andrasan'ny polisy ny venta lalana rehetra mety ho nitsoahan'ilay olondratsy. ~ Tandremana tsy handositra na hanimba zavatr'olona: Omby iray monja no andrasan'Ibalita ka tsy hainy sakanana tsy hanimba volin'olona. Ahitsio
Andravana: a.: Hira, zavamaneno sy dihy atao rehefa misy koranam-piravoravoana ao amin'ny fianakaviana; amin' ny foko sasantsasany, hira sy dihy nataon'ny mpiandry faty taloha mandra-pandevina, i t.i,f.: miandravana, fiandravana, mpiandravana ) iandravanana, fiandravanana. Ahitsio
Andray: t.p.: Tenim-piontanana enti-milaza fahatairana: Andray Loza inona it? nataonao, Rasoa? Ahitsio
Andre: t.p.: Tenim-piontanana milaza: Fahatairana: Andre! inona ity ataonao, anaka? 1 Fig4agana: Andre! mahavariana ny mandinika ny habakabaka! ~ Nenina, alahelo: Andre! vorona, hono, izany izaho ka afa-nanidina nankany aminay! Ahitsio