Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Andrefa: p.mt.: (jar.: Anefa). Ahitsio
Andrefana: a.: Ny lafin'ny vodilanitra ilentehan'ny masoandro (mifanohitra aminy: atsinanana). / Avaratra andre fana: sisiny iadian'ny lafiny avaratra sy ny lafiny andrefana. / Atsimo andre fana: sisiny iadian'ny lafiny atsimo sy ny lafiny andrefana. - t.i.f.: ankandrefana / miankandrefana, fiankandrefana, mpiankandrefana / iankandrefanana, fiankandrefanana ) andrefandrefana. Ahitsio
Andrehy: (Tsm) a,: Karazana fanihy kely. Ahitsio
Andriamanamora: a.: Zavamaniry anaovana fisotro manamora fiterahana (Calantica sP•). Ahitsio
Andriamanitra: a.: Anarana niantsoan'ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin'ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy. ~ Ilay lehibe indrindra amin'ireo hery ireo, izay navahany amin'ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra - Andriananahary, ka voalazany fa: a) tsy maintsy inoana: Manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy; b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona; - d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo f'rjery Andriamanitra ka mahita ny takona; e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin'Andriamanitra ny iray tahitahin'olombelona; f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana; g) Tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy; h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon'ny loha. ~ Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra. tt Ny masoandro, izay lazaina amin'ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano. Ahitsio
Andriamanjaka: na Andriambe a.: Teny enti-milaza ny mpanjaka, lahy na vavy. Ahitsio
Andriamatoa: a.: Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin'ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankat? Andriamatoa, hoy i dada tamin-d Randriamparany. 1 Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonga namangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy Ianja amin'ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony). 1 Teny fanajana fanao eo alohan'ny anaram-boninahitra entin'ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben'ny tanàna. Ahitsio
Andriambaventy: a.: Manamboninahitra lehibe fahiny niadidy ny raharaham-pitsarana. (Tamin'ny andro nanjakan-dRadama, ny uadintany fony tamin'Andrianampoinimerina ihany no novany ho andriambauenty). Ahitsio
Andriambavilanitra: a.: Teny fanajana ilazana ny vehivavy, fampiasa indrindra eo amin' ny kabary. Ahitsio
Andriambavirano: a.: Anarankafa iantsoana ny zazavavindrano fier. it?). Ahitsio
Andriambavy: a.: Teny fanajana fanao eo alohan'ny anaran'ny andriana vehivavy na iantsoana azy raha miresaka aminy: Ny andriambauy Rabodoseheno. Aoka re, ny andriambauy, fa dia ianao indray ue no hisahirana hankany aminay. ~ Anaran-karatra filalaovana misy sarina mpanjakavavy. Ahitsio
Andriambe: a.: der.: Andriamanjaka). Ahitsio
Andriambolafotsy: a.: Zavamaniry fanaovana savony fana-sana volo (Croton baldaufii). Fanao ody rohana sy gaotra ny raviny sy ny hodiny rehefa avy atsoboka ao anaty rano mangotraka mandritra ny 5-10 minitra; azo anaovana evoka ihany koa. Ahitsio
Andriambololonkazo: a.: Zavamaniry ampiasaina hamparisidrisika ny vavony ny laingony sy ny tsimony (Ficus soroceuides). Ahitsio
Andriamborivory: a.: Mpaniaka mandidy tokana, izany hoe mandidy araka ny sitrapony ¶ M.h.: mpanao jadona, mpanao teny tsy valiana, mpandidy tokana, mpandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy. Ahitsio
Andriamby: a.: Tenan-javatra fahita any anatin'ny tany, manana hery manokana hanintona ny vy sy ny metaly sasantsasany. Ahitsio
Andriamparany: a.: Teny fanajana ilazana ny zanakalahy farany, ny faralahy. Ahitsio
Andriana: a.: Ny lohany amin' ny foko iray ara-pirazanana, izay nanana tombon-tsoa manokana fahizay, fa indrindra natao halam-patan'ny andriamanjaka, izany hoe nakana izay ho mpanjaka. - t.i.f.: andrianina I manandriana, fanandriana, mpanandriana / anandrianana, fanandrianana / miandriandriana, fiandriandriana, mpiandriandriana / iandriandrianana, fiandriandrianana I mahandriana. - F,•p.: Samy andrian-ko azy samy manana ny fahefany any aminy avy; / fihauanan' andriana: tsy mifandray firy fa anarany fotsiny; / andriana tompomenakely na tompombodivona: andriana napetraky ny mpanjaka hitondra menakely na vodivona fier. ireo teny ireo). Ahitsio
Andriana: (andry), mt. p. toejau. (andrio): Ilazana ny tany na kidoro itsorana, ivalamparana, na trano andaniana ny alina amin'ny torimaso: Tsy misy trano handriana ve eto? * Ohab: Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika: tsy misy na inona na inona azo raha tsy isahiranana. Ahitsio
Andrianahambana: a.: Teny ilazana, eo amin'ny fanambarana ampahibemaso, ny mpanjaka handimby ny mpanjaka vao niamboho; mpandimby mendrika. Ahitsio