Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Andry: a.: Tohana mDoro vita amin'ny biriky, hazo na vato: Nisy andry telo nifanandrify tao amin'ny tranon'ny Ntaolo. - F,-p,: Mananika andry ma-lama: mametra zavatra sarotra na dia hita aza fa mety hahavoa tena. Ahitsio
Andry: mt. ih. ft.: Antenaina ~ ho avy ka miianona eo ihany ny tena ambara-pahatongany: Sakafo tsy andrin'ny maika ny anareo izany, ry Ketaka, ka handeha aho. • a.: Fiambenana, fitandremana: Tsara andry ny ombintsika fa olona mahatoky izy ? Fitiliana: Ataovy andry maso io zazalahy io fa efa tratra naka zavatr'olona. - t.i.f.: andrasana ) miandry, fiandry, mpiandry ) iandrasana, fiandrasana i mahandry, * Ohab.: Andriamanitra tsy andrin'ny sasany, andriko ihany: atao fampiononan-tena amin'ny ratsy ataon'ny sasany ny tena ny famalian' Andriamanitra, na ho ela na ho haingana, noho ny fahamarinany. Ahitsio
Anefa: ppt.: Teny mparnpitohy, enti-milaza fifanoherankevitra, mitovy amin'ny kanefa sy nefa (fer. ireo) saingy ny anefa tsy atao manomboka fehezan-kevitra fa atao eo aorian'ny teny iray na roa: Namely ny anao lahy; tsy nahauoa anefa ka hany hery nitsoaka. Ahitsio
Anelanelana: PPk.: Teny mpampiankina enti - milaza toerana eo afovoan'ny olona na zavatra roa: Nipetraka teo anelanelan'i dada sy i neny /koto. * Ohab.: Latsaka anelanelany ohatra ny kaka: sendra fahasahiranana manery andaniny roa avY. Ahitsio
Anendonando: (nendonendo), mt. fit.: Entina mampangirangirana. Ahitsio
Anentana: a.: Fehezan-javatra antonona hoentin'ny olona iray indray mandeha: Tsy zakako io anentan-kitay io. Ahitsio
Anerany: p. mt.: Teny fampiasa mandrakariva miaraka amin'ny tsy, ka ilazana zavatra be dia be, tsy tambo, tafahoatra ny mety: Tsy anerany ny hafanana aty aminareo izany. Ahitsio
Anga: ft.: Enti-milaza fahosana, fahakanosana. èt.i.f.: mananga. Ahitsio
Angabohabo: (t.tr.) a.: Kitoatoa, vinany, mosalahY. Ahitsio
Angade: t.p.: Endrey! tsy menatra (teny fanakoran'ny ankizy ny namany izay manao zavatra mahamenatra). Ahitsio
Angadinomby: a.: Fitaovampiasana tany taritin'omby, misy faritra efatra: 1) lelany roa mifanao ambony sy am-bany ka ny iray mitsangana toa mandidy ny tany, ny fray mitsivalana mamakivaky t ny tany; 2) vy mivohitra mamadika ny tany voavaky; 3) kodiarana iray na roa, ary 4) vy lehibebe lavalava iraiketan'ireo rehetra voalaza eo aloha. Ahitsio
Angadona: (ngadona), mt. fit. (angadony): Entina mitoto, mively. Ahitsio
Angady: na Fangady a.: Fitaovana enti-miasa tany, misy lelany vy lavalava maranitra ary zarany hazo, izay mazàna harahara, ka izany no mahatonga ny teny hoe harahara hoenti-milaza koa ny angady. - F.-p.: angady mondro: angady efa ela niasana ka bory kely sisa mijanona. * Ohab.: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy: zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. / angady be le1a: angady lehibe ny lelany; h.o.: fakana tsy an-drariny, fahihirana maka amin'ny an'olona eo akaikin'ny an'ny tena: Nanao angady be lela tamin'ny taniko Rangahy iny ka tsy hamelako; tsy mampandry fangady: enti-milaza aretimifindra lozantany izay mandripaka ny olona ka vizana foana ny angadY mihady ny fasana. * Ohab.: Mindram-pangady lohataona: maniraka ny tompony hiasa: enti-milaza zavatra izay mampieritreritra ny hafa, mihoatra noho ny fitenenana azy mivantana. Ahitsio
Angaha: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fisalasalana tahaka ny angamba (jer. io) ary entina misolo azy raha manontany: Lasa angaha Rakoto teo? na raha manisikevitra somary maneso: Sasatry ny miaina angaha izato izy no manaonao foana ohatra itsy! Ahitsio
Angahaina: (angaha) mt. ih. (angahao): Angambaina. Ahitsio
Angàka: a.: Voronandrano mitovitovy amin'ny ganagana fa kelikely kokoa ary mena ny vavany. Ahitsio
Angalarina: (halatra), mt, ih. (angalaro): Enti-milaza zavatr'olona alaina tsy andrariny: Nangalarin'i Koto ny kanetinay. Ahitsio
Angalisa: a.: Basy anglisy fahizay, izay notsoloana afo no fanapoahana azy. Ahitsio
Angaloha: p.mt.: Fitenenana fanaon'ny ankizy, mitovy amin'ny hoe aoka aloha: Andraso angaloha. Ahitsio
Angamba: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fisalasalana, izany hoe tsy fahafantarana marina izay hitranga na izay mitranga any lavitra tsy atrehi-maso: Manavy angamba izay i dada. / Ho tratrako ihany angamba ny uoalohany. / Ho vitanao ue it? asa it? rahampitso? An-gamba. Ahitsio