Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Angambaina: (angamba), mt, ih. (angambao): Tsy lazaina hentitra hoe marina fa atao hoe angamba: Noangambainy ihany ny filaza io uaouao io fa tsy dia nolazainy hoe "marina" ako ry. Ahitsio
Angamenavava: a.: Bibikely toa misy afo mazava amin'ny alina. Roa karazana izy ireny: ny iray irony hita eny am-pefiloha ka ataon'ny Vahiny hoe Glow worn na kankana misy afo, fa aty amintsika kosa ataon'ny olona hoe Tainkankana; ny iray hafa kosa irony manidintsidina amin'ny alina, izay misy afo mitselatselatra sahala amin' ny jiro avy ao ambany elany (Fire fly). * Fiten.: Samy mitsflo ny alehany toa angamenauaua: enti-milaza fa samy tompon' andraikitra amin'ny fitondrany ny tenany avy ny olona rehetra. Ahitsio
Angamenavava: a.: Anaran-kafa ilazana ny rameva. Ahitsio
Angamerana: na Merana a: A-naran-kazon'ala vaventy, fanaovana sary sokitra, tongo-parafara (Veroni-merana). Ahitsio
Angana: a.: Ny sisa tavela na mijoro. - t.i.f.: miangana, manangana. Ahitsio
Angana: p. t.: -'Volon-doko manga antitra. Ahitsio
Anganga: a.: Fitsingatotra, izany hoe fitsirarana ila. • Fiavonana. t.i.f.: angangaina, voanganga, tafanganga / mananganga, fananganga, mpananganga / anangangana, fanangangana / mianganga, fianganga, mpianganga / iangangana, fiangangana. Ahitsio
Angangaina: (anganga) mt. ih. (angangao): Enti-milaza zavatra aingaina ny ilany; atsinganga, atsidradraka. Ahitsio
Anganja: p, mt.: Angamba. Ahitsio
Angano: a.: Tantara ifandovana an-dovantsofina mampiseho zavatra toa tsy azo inoana, izay angamba marina ihany tany an-tendrony, saingy novaovan'ny taranaka nifandimby taty aoriana: Ny anganon'Ikotofetsy sy Imahakà h.o.: Zavatra sarotra inoana: Aza milaza angano eo re ianao, ry Ingahy it?. 1 Loza, fahafatesan-kavana: Nahita angano it? isika mianakavy. •Karazan-javatrahafahafa atao fanampin-kanina, fanampin'akanjo (amin'ity hevitra ity, dia mazàna ny endrika verindroa no fampiasa): Tonga tao daholo izao anganonganon-kanina rehetra izao. - F.-p.: angano antoandro: tantara izay ahatsapana fampitomboana na fanitarana tsy roa aman-tany; / anganon jauatra: zavatra tsy fahita, loza amin'antambo; / anganonganon-kira: hira be filatro, be angolangola; / mahita angano: mahita loza. Ahitsio
Anganoina: (angano) mt, ih. (anganoy): Itarina sY hatsaraina izaitsizy. Ahitsio
Anganongano: a: Zavatra mahafinaritra foronin'ny haitraitra sy aingitraingitra. Ahitsio
Angao: ppt. feh.: Mitovy amin' ny andrao, fandrao, sao, angoa. Ahitsio
Angaraboraraka: a.: Tsirambina, tandrevaka, kitoatoa (fer. Gaboraraka), Ahitsio
Angaralahy: a.: Andevo mpanaraka ny mpaniaka. Ahitsio
Angaranady: (fr. grenade) a.: Karazam-baomba kely fanipy amin'ny tanana. Ahitsio
Angaratra: a.: Ravin-drofia. Ahitsio
Angaredona: a.: Ady am-parimbona ka maromaro no mamely olona anankiray. Ahitsio
Angaredona: a,: Vary andrahoina be rano. Ahitsio
Angareso: (t, tr.) a.: Aingitraingitra na haingonkaingon-javatra tsy tena ilaina amin'ny zavatra iray fa entina hahatsara tarehy azy fotsiny. Ahitsio