Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Angaroa: a.: Zavamaneno tsofina, mitovy amin'ny antsiva (akorandriakan - dranomasina) fa kelikely kokoa. Ny mpanjaka ihany fahiny, na izay olona voafidiny, no nampiasana ny angaroa; niavaka tsara teo amin'ny tany ama-monina ny feony satria avo feo nefa malefaka kokoa noho ny antsiva na ny anjombona (fer. ireo teny ireo). * Ohab.: Nandositra ny anjombona ka sendra ny angaroa: nandositra ny loza ka sendra ny antambo. Ahitsio
Angarorana: (Btm) a.: Bibikely sahala amin'ny tsipeko. Ahitsio
Angata: a.: Fahalovan'ny nify, izay mazàna hita antin'ny ankizy: Nify lanin'ny angata. Ahitsio
Angata: (Ski) na Angaty (mer.) a.: Karazan'akorandriaka boribory lavalava ohatra ny atody. Ahitsio
Angatahina: (hataka), mt, ih. (angataho): Iangaviana mba homena ny tena: Inona no angatahinao ? Ahitsio
Angatra: a.: Fisehoan'ny fanahin'ny olona maty — na biby koa aza — izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety ho hitan'ny velona mihitsy aza, indrindra amin'ny tarehin'ny afo (jer. Lolo, Matoatoa), - t.i.f.: manangatra. - F.-p.: mamoha angatra: manao ireo fombafomba ma-ro noheverin'ny Ntaolo ary mbola heverin'ny sasany ankehitriny koa ho afaka hampiteny ny angatry ny maty; / masiaka angatra: enti-milaza olona efa maty nefa fatrapampijaly ny velona ny angany; / aza manody, aza manangatra: fomba fiteny mba hiangaviana ny maty — izay sendra voateny amin'ny resaka — tsy hanimba ny velona. Ahitsio
Angatra: a.: Tsy fanaovana ara-ka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome izay tokony home-na; fizarana tsy marina; fitanilana ka misy tombo sy ha-la, misy omena be misy omena kely. (Tsy fampiasa amin' izao fa miaraka amin'ny tsy mandrakariva: Tsy angatra fa mahay kosa aloha ny zana-d-Rasoa e.) - t.i.f,: miangatra, fiangatra, mpiangatra / iangarana, fiangarana. a F.-p.: Manisy anga-potsy sy anga-mainty: miangatra araka ny fisehoana ety ivelany. Ahitsio
Angatra: a.: Aretin'ny fantson' ny lalandrano amin'ny tenan'ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo avy amin'ny fahalotoam-pitondran-tena. - F.-p.: angaboribory: karazan'angatra mahatonga hampihantona ny fivalanan-drano sy ny fivalanana; / angamamy: aretina mpahazo ny ankizy fatra-pihinan-java-mamy, mahatonga azy hahatsiaro mangirifiry rehefa mivalan-drano; / angamaty: fahamafisan'ny aretin'ny angatra tonga amin'ny heriny mafy indrindra ka tsy mahavalandrano intsony izay voany. Ahitsio
Angavoady: a.: Karazan-kazo misy poizina ny voany sy ny hodiny (Thecacorio cornetia). Ahitsio
Angavodiana: a.: Hazo madinidinika fanao ody hatina sy ody fery ny lavenon'ny raviny dorana (Agauria salicifolia). ~ Hazo an'ala, mena somary mavo mifanapatapaka ny volony, tsara tarehy, fanaovana fanaka madinika misy sokitra. Ahitsio
Angavy: ft.: Enti-milaza hevitra fangatahana mafy. - t.i.f.: miangavy, fiangavy, mpiangavy / iangaviana, fiangaviana. Ahitsio
Angazake: (Ski) a.: Biby ohatra ny voalavo mitoetra amin'ny lava-kazo. Ahitsio
Ange: Kian-teny kely enti-manintona ny sain'olona iresahana ka mitaona azy amimpiangentsanana kely hanao zavatra na hanatona: Jereo ange ito sariko. Avia ange hilazako zavatra e! Raha aorian'ny p. mt. manontany ny ange dia manamafy kely ny fanontaniana amim-pomba somary miangentsana: Nahoana ange no tsy valianao ny fanontaniako? Ahitsio
Angeafotsy: a.: Zavamaniry misy poizina atao famonoana bibikely (Crotolaria ibityensis). Ahitsio
Angeboka: a.: Teny enti-milaza ny tsy hita ao anatin'ny loaka. Ahitsio
Angefa: p. mt.: Mitovy amin' ny anefa, nefa, andrefa, kandrefa (jer. ireo); fampiasan' ny ankizy indrindra kosa. Ahitsio
Angelingoaika: a.: Karazan' gely maintimainty volo. Ahitsio
Angelinkary: a.: Karazan'angely mivelona ao an-trano, indrindra fa ao amin'ny entra-no fandrahoan-tsakafo. Ahitsio
Angeloka: a.: Enti-milaza ny meloka indrindra amin'ny renirano. Ahitsio
Angely: a.: Bibikely tokony ho 3sm ny halavan'ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin'ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon'ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fiuolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely. * Ohab.: Aza manao fikitra mampiady angely: aza mampirisika olona hlady. / h.o.: Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin'olona. ¶ M.h.: angelingely, akanga, angatra, karandahy, mpiliba, mpanaram-po. Ahitsio