Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Angentsana: a.: Fihetsika be haitraitra, izany hoe be fombafomba amboamboarina. i t.i.f.: angentsanana, voangentsana, tafangentsana 1 miangentsana, fiangentsana, mpiangentsana / iangentsanana, fiangentsanana 1 manangentsana, fanangentsana, mpanangentsana 1 anangentsanana, fanangentsanana. Ahitsio
Angerona: (ngerona), mt. at. (angerony): Asiana loto. Ahitsio
Angeso: a.: Fombafomba tsy tsotra, tsy araka ny fo fa amboamboarina, ka aseho amin' ny fihetsika na fiteny. - t.i.f.: angesoina 1 miangeso, fiangeso, mpiangeso / iangesoana, fiangesoana. Ahitsio
Angiangy: a.: Fahasahisahiandratsy, valavala, vazivazy mahamenatra. - t.i.f.: miangiangy, fiangiangy, mpiangiangy / iangiangiana, fiangiangiana. Ahitsio
angidim-by:Fiaramanidina miendrika angidina, (fr. hélicoptère) Ahitsio
Angidimasombika: a.: Karazan' angidina kely mainty. Ahitsio
Angidimbe: a.: Karazan'angidina Inhibe. Ahitsio
Angidina: a.: Bibikely lavalava vatana, manana elatra manify dia manify roa mifanaingina andaniny avy, ary manidintsidina eny ambony rano. (Ny ondrindrano izay mivelona any anaty rano no miofo ho angidina). * Ohab.: Miriorio foana ny angidina fa any anaty rano ihany no iafarany: na inona na inona atao, ny hiafarana dia any amin'izay efa faleha araka ny fombany avy ihany. Ahitsio
Angidinandriana: a.: Anarana karazan'angidina mivolondrotra vasoka. Ahitsio
Angidindrano: a.: Karazan'angidina. Ahitsio
Angidindronono: a.: Karazan' angidina fotsifotsy miPentina mainty. Ahitsio
Angidinkely: a.v: Karazan'angidina kely manjamanja manopy mainty. Ahitsio
Angidintsakay: a.: Anarana karazan'angidina mena. Ahitsio
Angifvo: a.: Teny enti-milaza, amin'ny fizika, ny hery miteraka asa, ka misy ny ang?vo ara-pana, ny ang?vo aratsimia, ny angôvon-kalaky, ny an g?von'aratra... Ahitsio
Angilo: (ngilo), mt. fit. (angiloy): Entina mahangilo, ampiasaina mba hahamainty. Ahitsio
Angilo: a.: Anaran'ny voatabiha ankapobeny. Ahitsio
Angira: a.: Anaran-kazon'ala. ? p. mt.: Lavitra dia lavitra, any an-dakira. Ahitsio
Angitrangirana: (angitrangitra) mt. ih. (angitrangiro): Avala hiangitrangitra, hiangentsana miharo fireharehana; angentsanina. Ahitsio
Angitrangitra: a.: Avonavona, hakevokevohana, misy rehareha kely sy fiheveran-tena ho zavatra. - t.i.f•: angitrangirana na angitrangitana, tafangitrangitra 1 miangitrangitra, fiangitrangitra, mpiangitrangitra 1 iangitrangitana, fiangitrangitana. Ahitsio
Angivy: a.: Zavamaniry lehibe noho ny anana nefa kely noho ny hazo madinika; mangidingidy mahafinaritra ny voany ka be mpitia andrahoina miaraka amin'ny ro. Ahitsio