Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Arosy: a.: Karazam-borona andrano dia mitovitovy amin' ny dokotra. Ahitsio
Arotoroto: (rotoroto) mt. at. (aro toroto y ) : Asaina atao haingana. Ahitsio
Arotsaka: (rotsaka) mt, at (arotsahy): Aidina: Arotsahy amin'izay ny vary fa efa mangotraka ny rano. ~ Alatsaka amin'ny sekoly, fianaran-draharaha...: Narotsako hianatra ny zanako fa efa lehibe. Ahitsio
Arova: (rova) mt, fit. (arovay, na arovao): Entina mandrova na mamefy. Ahitsio
Arovana: (aro) mt. ih. (arovy): Tandremana sao misY marnely na manimba: Arovan'ny miaramila andro aman'alina ny tranon'ny Filoha fa matahotra izy. ? Sakanana, rarana: Arovany tsy avelany hivoaka ny vadiny. ? Alofana: Arovan'ny satroka amin'ny hainandro ny loha. Ahitsio
Arovoniny: a: Hazo apetraka ambony vovonana mba hampilamina sy hampandry ny bozaka na ny herana atao ta-fo. Ahitsio
Arozaka: (rozaka) mt, at. (arozahy): Akfraviravy. Ahitsio
Arozaroza: (rozaroza) mt. at. (arozaroxao): Akiraviravy. Ahitsio
Arseveka: (fr. archevêque) a: (Fiv. kat.) Anarana iantsoana ny eveka mitantana arsidiosezy. Ahitsio
Arsidiosezy: (fr. archidiocèse) a: (Fiv. kat.) Fitantanana diosezy maromaro na vitsivitsy mifanakaiky; ny eveka eo amin'ny renivohitry ny arsidiosezy dia antsoina hoe arseveka. Ahitsio
Ary: p. mt.: Enti-milaza toerana sady tsy hita no lavitra: Ar? andrefan'ny sekoly no mipetraka izahay. Ahitsio
Ary: ppt.: Entina mampitohy ny anarana na ny mpamaritra anarana na ny matoanteny voalaza farany amin'ireo eo aloha raha ohatra ka misy maro voatanisa: Ny akoho sy ny vorona ary ny ondry./ Vizana sy reraka ary kivy irahay nony tafaverina tsy na-haro na inona na inona. / Mihinana sy misotro ary mandihy. • Mampitohy fehezankevitra na fehezanteny anankiroa: Miteny ny mpampianatra ary mihaino ny mpianatra • Mampitohy ny fehezankevitra farany amin'ilay voalohany amin'ny ady lojika: Manidina ny vorona rehetra, ary vorona ny akoho, koa amin'izany man?dina ny akoho, Ahitsio
Ary: a.: Taova iray tarika amin' ny mosavinkena ka mandevona ireo faikafaika avy amin'ny fiasan'ny tena entin' ny ra ao aminy. Ahitsio
Ary: p.t.: Misy: Ary isika noho ny fahefan'ny mpahary. ? Manana: Efa ary nify ny zanako, - t.i.f,: Arina, voary / mahary, fahary, mpahary / ahariana, fahariana. - F.-p.: Ary fady: enti-milaza ny zavamananaina ao ankibon-dreniny izay efa tomombana tsara ny toe-tenany. / Ary fanaka: manam-panaka, manana ny ilaina rehetra amin'ny tokantrano. / A-ry fanahy: von,. saina, efa a.-faim mieritreritra. / Ary fenitra: enti-milaza asa na raharaha tsars fiandoha ka misosa sy tomombana tsara. ) A-ry fomba: tomombana amin' ny maha-izy azy, izany hoe ao aminy daholo izay ilaina mba hahalavorary azy. / Ary tongotra aman-tanana: milaza ny zaza vao mitsaika efa misy tongony sy tanany. / A-ry vatana fa tsy ary fanahy: lehibe vatana fa tsy misy saina. ¶ M.h.: Donga vatana fa botry saina. / Mahatsangy no ary (jer. Tsangy). ? h,o.: Enti-milaza ny zanaka izay tsy miankina amin'ny ray amandreniny intsony no sady mahavelo-maso ny voninahitr' izy ireo koa. Ahitsio
Ary: (jar. AriarY). Ahitsio
Ary: ft.: Enti-milaza fanipazana, tsy fiheverana zavatra tsy tiana intsony. i Ariana, voary / manary, fanary, mpanarY / anariana, fanariana / mahaxy. Ahitsio
Ary: p.mt.: Enti-milaza fehinteny na misolo fehin-teny mihitsy ara: Raha izany àry no izy, inona indray no hitadiavanfsika vavo lom belona? / Andeha àry isika, anaka. Ahitsio
Arzantinina: (fr. Argentine) a.: Ny tompon-tany any amin' ny tanin'i Arzantina (Amerika atsimo indrindra): Manankarena solitany sy tenondamba ny Arzantinina. ~ p.t.: Momba an'i Arzantina, an'ny Arzantina na avy any Arzantina. Ahitsio
Asa: a,: Teny ilazana izay atao: Asa mafy ny mitaona vato. ~ Raharaha: Inona no asan'ny rainao, ry zaza?. •Fihadiana tany amin'ny angady mba hovolena: Tsy mbolo vita asa ity tany US,' ka karakarao. Fampiasana: Asa saina - t.i.f,: Asaina, voasa 1 miasa, fiasa, mpiasa 1 iasana, fia-sana 1 mahasa. - F.-p.: Asa basy: fianaran' ny miaramila mampiasa basy. / Asa dia: fivezivezena a-tao mba hanala voly ny tongotra. / Asa saina: asa ampiasana indrindra ny saina, oh.: fampianarana, fanaovam-boky. / Asam-birao na osa birao: asa atao any amin'ny birao, izay miompana indrindra amin'ny soratra. 1 Asa ta-nana: asa ampiasana indrindra ny tanana, asa taozavatra toy ny fandrafetana, fiasantany. J Asa tany: asa fambolena, izany hoe fitrandrahana ny tany. / Asa tena: asa mahaleo tena, izany hoe asa tsy miankina amin'olon-kafa manakarama ny tena fa ny vokatry ny asan'ny tena ihany no ohatra ny karaman'ny te-na. / Asa soratra: lahatsoratra na boky vita-na mpanoratra: Efa vita printy ny asa soratry ny Avana. / Asa tombamboroka: ny tany manaraka ny ahitra sorohina. / Asa vadi-drano: asa tanimbary fa-no rano. / Asa xama: asa tany rakotra ahitra be. * Ohab,: Asa vadi-drano tsy uita raha tsy ifanakonana: asa sarotra tsy vita raha tsy ifanampiana. Ahitsio
Asa: ft.: Enti-milaza fiantsoana na fiangaviana olona hanatrika lanonana na hisakafo, fitaomana olona hanao zavatra. i Li. f.: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 anasana, fanasana. Ahitsio