Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asa: p. m t.: Entina mamaly, ka milaza tsy fahafantarana na tsy fisafidianana: Rahoviana ionareo no handeha? — Asa tsy fantatro fa manavy ny zanakay. / Handeha ianao sa hijanona? — Asa, izay tianao no hataoko. - F.-p,: Manao asa azy: manao hoe "raharahany izany", tsy miraharaha. / Asanao: ianao no tompon-tsafidy. Ahitsio
Asa: ft.: Enti-milaza fandranitana zava-maranitra. - t.i.f: Asaina, voasa 1 mana-sa, fanasa, mpanasa 1 musa-na, fanasana. Ahitsio
Asabaka: (sabaka) mt. at. (asabakao): Atao misabaka, ahataka ny tongotra roa. Ahitsio
Asabodika: (sabodika) mt. at. (asabodeho): Asaritaka, akorontana mba hampifamadika sy hampifandiso izay te-na izy sy ny marina: Aza asabodika ny teninao fa tsy hita intsony izay tenu mari-na. Ahitsio
Asaboratsy: na Rafy a: Zavamaniry fanao ody kankana ny voany vao notazana, na indrindra ny hoditry ny fakany izay tena tsara fiasa saingy tsy azo omena ny ankizy (Massa lanceolata). Ahitsio
Asabotsy: a.: Andro fahafito sady farany amin'ny herinandro. Araka ny finoan'ny Ntaolo, ny asabotsy dia andro mibontsina: fitomaniana ny maty, fanaovana ny famoizana sy afana. * ohab.: Zomà tsy hendry ka asabotsy vao fiharatra: Manao zavatra tsy araks ny fotoanany avy. Ahitsio
Asadika: (sadika) mt. at. (asadikao): Atao misadika na ahodidina ny valahana, dia aiditra amin'ny elakela-pe toy ny salaka. Ahitsio
Asafary: (safary) mt. at. (asaforio): Ilazana fiolakolahana entina manary rariny na mitsapatsapa ny hevitry ny ha-fa. Ahitsio
Asafaty: (Ats.) a: Fetin'ny maty izay atao isan-taona, nefa koa indrafndray isan-droa na telo tanna, ho an'ireo rehetra maty nandritra izay fepotoana izay; izay nanaovana asafaty ihany no mahazo miditra amin'ny fasana xaikitra. Ahitsio
Asafelika: (felika) mt, at. (asafeleho): Atao miolaka, atao misafelika: Aza asafelika any aoriana any ny tananao rehefa mandray zauatra Ahitsio
Asafo: (safo) mt. fit. (asafoy): Entina misafo: Ny tananao havia asafo azy raha marary ny havanana. Ahitsio
Asafoaka: (safoaka) mt. at. (asafoahy): Atao tonga misafoaka, tezitra mafy, Ahitsio
Asafofoka: (safofoka) mt. at. (asafofohy): Azera. Ahitsio
Asafontina: (safontina) mt. at. (asafonteno): Akorontana, asavorovoro, asafotofoto. Ahitsio
Asafotofoto: (safotofoto) mt. at. (asafotofotoy): Atao misafotofoto, mikorontana, tsy milamina. Ahitsio
Asafotra: (safotra) mt. at. (asafory): Entina manafotra, manototra; entina manosotra. Ahitsio
Asafy: (safy) mt. ais (asafio): Atao safiny, fanampiny, famenony: Ity tsoria-damba ity asafy ny moron-tongotr' akanjonao. Ahitsio
Asaha: a.: Ompa, fanompana, ozona, fanirian-dratsy hihatra amin'ny sasany. ¶ M,h.: fanozonana, ozona, fanompana, ompa, fisahatoana, sahato, fisarikoana, sariko, fanasahana. i t.f.f,: asahaina 1 manasaha, fanasaha 1 fanasahàna, anasahàna 1 mahasaha. Ahitsio
Asahaina: (asaha) mt. ih. (asahao): Ozonina, ompana, sahatoina. Ahitsio
Asahato: (sahato) mt. fit. (asahatoy): (teny) Entina misahato, manozona. Ahitsio