Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asalovana: (salouana) mt. at. (asalovano): Atao eo anoloana mba hanelingelina: Aza asalouana olona eo io akalana io fa esory. Ahitsio
Asaly: Asalisaly (saly) mt. at. (asalio), (asalisalio): Atao eo ambony afo vetivetY mba ho azo hanina. Ahitsio
Asamaka: (samaka) mk at (asamaho): Atao misaraka roa. Ahitsio
Asambasamba: (sambasamba) mt. fit, (asambasambao): (teny) Entina misambasamba, mirary, mitso-drano raha manantatra zavatra. Ahitsio
Asamboady: (samboady) mt, at. (asamboadio): Atao samboady: Nasamboadiny an'ilay sarivongana ny sainam-pirenena. Ahitsio
Asamboaravoara: (samboaravoara) mt. at. (asamboaravoarao): Atao misamboaravoara, ahetsika mahery hitambohmbolina, atroatra: Asamboaravoaran'ny rivotra ny ranomasina. Ahitsio
Asamboritra: (samboritra) mt. at. (asamborito): Isikinana mafy, ahodidina ny valahana. Ahitsio
Asambotra: (sambotra) mt, at. (asambory): Entina misambotra. Ahitsio
Asampana: (sampana) mt, at. (asampano): Omena asa ma-ro hosahanina. Ahitsio
Asampina: (sampina) mt. at. (asampino): Enti-milaza ny ila lamba asampy amin'ny soroka: Asampino ny lambanao fa hiainga isika. Ahitsio
Asampona: (sampona) mt. fit. (asampony): Entina manampontsampotsana, manakana: Zavatra tsy nampoizina no nasampon'ny lahatra ny fikasany. Ahitsio
Asampotina: (sampotina) mt at. (asampoteno): Asafotofoto, asaritaka, asangodina atambolina: Nasampotin'ny rano mitety namana ilay botry. Ahitsio
Asampy: (sampy) mt at. (asampazo): Atao misampy, na mihantona, misavily eny ambozona. Ahitsio
Asanàka: (sanaka) mt. at. (asanaho): (vava) Sokafana mitanatana: Nasanakany ny vavany ka nidiran'ny tantra. Ahitsio
Asanasana: (sanasana) mt at. (asanasanao): Atao misokatra be, atanatana: Asanasanao ny vauanao. Ahitsio
Asanda: (sanda) mt, at (asandao): Atao sanda, enti-milaza izay omena ho fanampy raha mifanakalo zavatra tsy mitovy vidy: Inona àry no hasandanao raha hatakaloko an'ity kiraro vao it? iny satrokao efa nanaovana iny? Ahitsio
Asandoka: (sandoka) mt. fit. (asandohy): Entina misandoka. Ahitsio
Asandrahaka: (sandrahaka) mt. at. (asandrahafo): Avela hirantsandrantsana, hisampantsampana. ~ Avela hivelatra fa tsy hifintina: Aza asandrahaka ohatra izao io fehezamboninkazo io, Ahitsio
Asandratra: (sandratra) mt. ut. (asandrato): Asondrotra, apetraka ho eo amin'ny toerana ambonimbony kokoa: Tokony hasandratra ny jiro fa iva loatra ~ Omena voninahitra, ampakarina voninahitra: Mendrika ny hasandratra io lehilahy io fa nahavita be tamin'ny tanindrazana / Asandratr' Andriamanitra izay manetry tenu. ~ Atao ho, atsangana ho: Hasandratra ho olo-masina ny zanaky ny nosintsika iray. Ahitsio
Asangasanga: (sangasanga) mt. at. (asangasangao): (zavatra) Izay aseho avy lavitra ny lohany na ny tendrony: Asa asangasanga eo amin'ny varauarankely eo ny lohan-jaza. Ahitsio