Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asangazona: (sangazona) mt, at. (asangazony): Asaina manasangazona, mihazona. Ahitsio
Asangerina: (sangerina) mt. at (asangereno): Alefa dia averina. Ahitsio
Asangodina: (sangodina) mt. at (asangodino): Ahodina: A-sangodina amin'ny ampela ny kofehy. Ahitsio
Asangongo: (sangongo) mt. at. (asangongoa): Avosa, angonina. Ahitsio
Asantatra: (santatra) mt. at. (asantaro): Enti-milaza izay a-tao santatra: Fiaraha-miala hetaheta no nasantatra ny fiaraha-miasa. Ahitsio
Asaoka: (saoka) mt. at. (asaohy): Atao saoka, atao fanampy (tapa-damba anampy amin'ny didy akanjo): Soga voantondro telo no nasaoka ilay lohaka fa tery loatra. Ahitsio
Asara: (sara) mt, at (asarao): Enti-milaza ny vola na zavatra omena ho saran-javatra, ho hofany: Kely loatra ity vola asaranao ny lakana ity. Ahitsio
Asara: (Ski.) a: Tonon-taona fahavaratra. Ahitsio
Asaraka: (saraka) mt. at. (asaraho): Atao misaraka. Ahitsio
Asaramanitra: a: Teny ilazana ny fandroana malagasy. Ahitsio
Asarandrana: (sarandrana) mt fit. (asarandrano): Atao sarandrana na salaka; asalaka. Ahitsio
Asarangotra: (sarangotra) mt, fit. (asarangoty): Ilazana izay enti-misarangotra, na mamikitra, misangazona: Ny tananao hauanana asarangotra raha sahirana mitrotro ny zazakely ny tananao havia Ahitsio
Asarebaka: (sarebaka) mt. at. (asarebaho): (lamba) Arefarefa amin'ny tany: Aza asarebaka ny lambanao. Ahitsio
Asareraka: (sareraka) mt. at. (asareraho): Atao migorerarera, miketraka, tsy afehy tsara. Ahitsio
Asarika: (sarika) mt. fit. (asariho): Ilazana ny tanana entina misarika zavatra. Ahitsio
Asariraka: (sariraka) mt. at (a sariraho): Asaritaka, asafotofoto. Ahitsio
Asaritaka: (saritaka) mt. at. (asaritaho): Akorontana atao misafotofoto. Ahitsio
Asarona: (sarona) mt. fit. (asarony): Ampiasaina hanaronana: It? sahafa ity asarona ny sinibe aloha Ahitsio
Asaroro: (saroro) mt. fit. (asaroroy): Entina misaroro, mamitaka amin'ny fiolakolahana manary andro. Ahitsio
Asarotro: mt. at. (asarotroy): Atao sarotro. Ahitsio