Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asebiseby: (sebiseby) mt. at. (asebisebeo): (Olona) Avezivezy mba hampijanona azy. Ahitsio
Asedisedy: (sedisedy) mt. at (asedisedeo): Maimaizina, dodonana. Ahitsio
Asedra: (sedra) mt, fit. (asedrao): Entina misedra, mitsapa ny hadion'ny metaly iray, ohatra ny volamena. Ahitsio
Asefaka: (sefaka) mt. at. (asefaho): Atsofoka, atao eo anelanelana. Ahitsio
Asehaseha: (sehaseha) mt at.: Atao tonga mianjonanjona, mirehareha. Ahitsio
Asehatra: (sehatra) mt. at,: Atao mifanena. Ahitsio
Aseho: (seho) mt. at. (asehoy): Atranga, aharihary, velarina mba ho hita: Asehoy ahy hoe iny sary iny. 1 Borahina, ambara, mba ho hita: Nasehony ahy ny tao am-pony. Ahitsio
Aselaka: (selaka) mt. fit. (aselaho): Entina manendaka isan'elakelany, asilaka: Ity antsy maranitra ity aselaka io hazo io. Ahitsio
Aselatra: (selatra) mt. at. (aselaro): Ampandalovina mise-sana: Aselaro eo ambony labozia ny tananao alohan'ny hanoranao ahy sao mangatsiaka loatra Ahitsio
Aselisely: (selisely) mt at. (aseliseleo): Ampandalovina eo anoloana. Ahitsio
Aselontselona: (selontselona) mt. at. (aselontselony): Ampandalovina na apetraka eo anoloan'olona ka manelingelina azy; aserasera. Ahitsio
Asembana: (sembana) mt, fit. (asembano): Asakana, izay mahatonga ho voasakantsampona: Ho Iasa ihany isika amin'ny alatsinainy raha tsy misy zavatra hasemban'ny fanahy ratsy ny diantsika. Ahitsio
Asempotra: (sempotra) mt. fit. (asempory): Entina hahasempotra. Ahitsio
Asendaka: (sendaka) mt. fit.(asendaho): Entina manendaka (hoditra, lamba). Ahitsio
Asendaotra: (sendaotra) mt. at.: Atao tonga tezitra, atao izay hahatezitra, omena fo. Ahitsio
Asendrasendra: (sendrasendra) mt, fit. (asendrasendmo): Entina maminavina ara-keviny (enti-milaza akoholahy atao fitsapana): Tsy manaiky aho raha ny akohoko no asendrasendra. Ahitsio
Asenoka: (senoka) mt at.: Sahiranina, atao tonga very hevitra. Ahitsio
Aserana: (serana) mt. at. (usera-no): Enti-mandalo eo anoloana, enti-misenana: Aza aserana an-dRaibenao iny kifafa iny. Ahitsio
Aserasera: (serasera) mt. at. (aseraserao): Ampandalovina matetika eo anoloan'olona. Ahitsio
Asesika: (sesika) mt. at. (aseseho): Enti-milaza ny zavatra atao sesika: Inona no asesika ny kidoronao: horom-potsy sa volom-borona? 1 Roahina: Aseseho handeha any io kivindro io. Ahitsio