Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asesy: (sesy) mt. at. (aseseo): Atao mifandimby tsy misy fiatoana: Aseseo amin'izay nyhira, rankizy. • Amidytsirairay: Nasesiny dimampolo mihodidina ny akohony rehetra Ahitsio
Asetaseta: (setaseta) mt. at. (a setasetao): Asaina na avala mietraketraka sy mianjonanjona. Ahitsio
Asetra: (setra) mt. fit. (asetrao): Entina manohitra, manohana: Inona no hasetrantsika ny fanafihan'ny fahavalo? Ahitsio
Asetroka: (setroka) mt. fit. (asetrohy): Entina manetroka, Ahitsio
Asetry: (setry) mt. at. (asetreo): Avaly: Inona no asetrinao izany? Ahitsio
Asiaka: (siaka) mt. fit. (asiaho): Ilazana ny vava entina na ampiasaina hisiaka. Ahitsio
Asiana: (isy) mt. ih. (asio na asivo): Ilazana zavatra iray izay ampiana zavatra hafa: A-sio sira ny laoka. 1 Velezina, vonoina amin'ny kapoka, ampiharana fahavoazana, na ara-batana na ara-tsaina: Nasiana tehamaina ny zanako ka tsy manaiky aho. / Nasian-dRakoto teny ratsy Rabe, 1 Enti-milaza toerana hanorenan-trano: Nasiana trano teo andrefanay; / toerana ambolena zavatra: Asio vomanga it? sombin-tany it?; / toerana ametahana zavatra: Asio bokotra kely it? akanjoko / toerana ametrahana zavatra: Nasiany voninkazo ny latabatra fiasako. Ahitsio
Asidina: (sidina) mt, at. (asidino): Atsipy, atoraka ambony. Ahitsio
Asidina: (Atm.) a.: Harona fanihifana hazandrano. Ahitsio
Asidiondiona: (sidiondiona) mt, at, (asidiondiôna): Asaina na avala hivezivezy ats? sy ar? mba hibolidy amin'ny raharaha. Ahitsio
Asidra: a.: Ranomahery faninginana. Ahitsio
Asidy: (Tsm) a.: Zanak'anabavy. Ahitsio
Asikina: (sikina) mt, at. (asikino): Atao sikina: Mitsangàna asikino ny lamba Ahitsio
Asilaka: (silaka) mt. fit. (asiloho): Entina manilaka, mana-la ilany kelY. Ahitsio
Asilatra: (silatra) mt. fit. (asilaro): Entina manasilatra, manaisotra silany kely. Ahitsio
Asimaka: (simaka) mt. fit. (asimaho): Entina manimaka. Ahitsio
Asimba: (simba) mt. fit. (as im b ao) : Entina manimba. Ahitsio
Asinda: (sinda) mt. at. (asindao): Ahataka, alana: Asindao ny alahelo. Ahitsio
Asingana: (singana) mt. at. (asingano): Izay anampy mba haha-isa tsy ankasa ny isa iray. Ahitsio
Asingotra: (singotra) mt. fit. (asingory): Enti-milaza ny tadivavarana hisamborana omby: It? no tady mafy asingotra ny omby. Ahitsio