Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asintaka: (sintaka) mt. at. (m sintaho): Sarahina amin'ny vadiny (vehivavy): Nahoana no nasintakao Rasoa? Ahitsio
Asintona: (sintona) mt. fit. (a. sintony): Entina misintona, mitarika: Tady asintona ireo entana latsaka any anaty rano, Ahitsio
Asiontsiona: (siontsiona) mt, at. (asiontsiony): Asaina mivezivezy ats? sy ar'y. Ahitsio
Asisa: (sisa) mt, at, (asisao): A-melana sisa, asiana sisa: Asisao ho an-jandrinao ny varinao, anaka, fa tsy misy vary intsony ao am-bilany . Ahitsio
Asisika: (sisika) mt. ot. (asisiho): Enti-milaza zavatra ampidirina andetra: Nasisiny tao am-paosy ilay akoho novidiny fa tsy nahita harona izy. 1 Atsofoka: Asisiho kely ao amin'ny taratasinao ireto teny ireto. Ahitsio
Asisina: (sisina) mt. at. (asisino): Atao sisina. Ahitsio
Asisy: (aisy) mt. fit, (asisio): Entina misisy na marsala nY mivohibohitra amin'ny hazo fisaka. Ahitsio
Asitraka: (sitraka) mt. at.: A-tao mba hamalifaliana. Ahitsio
Asitrana: (sitrana) mis fit. (asitrano): Entina manasitrana. Ahitsio
Asitrika: (sitrika) mt. at, (asitriho): Alentika, atsoboka: Nasitriny tany anaty rano ilay alika, nefa tafapoitra ihany. ~ Afenina: Nahoana no asitrikao any anaty lambanao ny bokiko? 1 Alevina: Amin'ny telo ora hariva no hasitriko ny razana Ahitsio
Asivana: (sivana) mt, fit. (asivano): Entina manasivana, manintsana. Ahitsio
Asoaka: (soaka) mt. at. (asoahy): Asolo. Ahitsio
Asobilabilaka: (sobilabilaka) mt, at.: Atao misobilabilaka na mivilivily mankatsy mankaroa. Ahitsio
Asobilaka: (sobilaka) mt. at. (asobilaho): Atao tailana, atao mivilana. Ahitsio
Asobilatra: (sobilatra) mt. at. (asobilaro): Atao didy misompirana: Nahoana no nasobilatrao toy izao it? didy hena ka manjary tsy mitouy ny anjarantsika? Ahitsio
Asodika: (sodika) mt. fit. (asodiho); Entina misodika, manala (herodronono, roatra). Ahitsio
Asodisody: (sodisody) mt. at. (asodisodio): Avala hivezivezy etsy sy eroa. Ahitsio
Asodoka: (sodoka) mt. fit. (asodokay): Entina mamitaka amin'ny fisehoana ivelany: Ny hareny no nasodokany ilay zanak'olona Ahitsio
Asointsoina: (sointsoina) mt at.: Atao tonga misointsoina, menamenatra sy mangaihay. Ahitsio
Asoitra: (soitra) mt. fit. (asoiro): Entina misoitra, manala amin'ny hazo lavalava, mamely amin'ny tandroka (omby). Ahitsio