Asintaka | : | (sintaka) mt. at. (m sintaho): Sarahina amin'ny vadiny (vehivavy): Nahoana no nasintakao Rasoa?
Ahitsio |
Asintona | : | (sintona) mt. fit. (a. sintony): Entina misintona, mitarika: Tady asintona ireo entana latsaka any anaty rano,
Ahitsio |
Asiontsiona | : | (siontsiona) mt, at. (asiontsiony): Asaina mivezivezy ats? sy ar'y.
Ahitsio |
Asisa | : | (sisa) mt, at, (asisao): A-melana sisa, asiana sisa: Asisao ho an-jandrinao ny varinao, anaka, fa tsy misy vary intsony ao am-bilany .
Ahitsio |
Asisika | : | (sisika) mt. ot. (asisiho): Enti-milaza zavatra ampidirina andetra: Nasisiny tao am-paosy ilay akoho novidiny fa tsy nahita harona izy. 1 Atsofoka: Asisiho kely ao amin'ny taratasinao ireto teny ireto.
Ahitsio |
Asisina | : | (sisina) mt. at. (asisino): Atao sisina.
Ahitsio |
Asisy | : | (aisy) mt. fit, (asisio): Entina misisy na marsala nY mivohibohitra amin'ny hazo fisaka.
Ahitsio |
Asitraka | : | (sitraka) mt. at.: A-tao mba hamalifaliana.
Ahitsio |
Asitrana | : | (sitrana) mis fit. (asitrano): Entina manasitrana.
Ahitsio |
Asitrika | : | (sitrika) mt. at, (asitriho): Alentika, atsoboka: Nasitriny tany anaty rano ilay alika, nefa tafapoitra ihany. ~ Afenina: Nahoana no asitrikao any anaty lambanao ny bokiko? 1 Alevina: Amin'ny telo ora hariva no hasitriko ny razana
Ahitsio |
Asivana | : | (sivana) mt, fit. (asivano): Entina manasivana, manintsana.
Ahitsio |
Asoaka | : | (soaka) mt. at. (asoahy): Asolo.
Ahitsio |
Asobilabilaka | : | (sobilabilaka) mt, at.: Atao misobilabilaka na mivilivily mankatsy mankaroa.
Ahitsio |
Asobilaka | : | (sobilaka) mt. at. (asobilaho): Atao tailana, atao mivilana.
Ahitsio |
Asobilatra | : | (sobilatra) mt. at. (asobilaro): Atao didy misompirana: Nahoana no nasobilatrao toy izao it? didy hena ka manjary tsy mitouy ny anjarantsika?
Ahitsio |
Asodika | : | (sodika) mt. fit. (asodiho); Entina misodika, manala (herodronono, roatra).
Ahitsio |
Asodisody | : | (sodisody) mt. at. (asodisodio): Avala hivezivezy etsy sy eroa.
Ahitsio |
Asodoka | : | (sodoka) mt. fit. (asodokay): Entina mamitaka amin'ny fisehoana ivelany: Ny hareny no nasodokany ilay zanak'olona
Ahitsio |
Asointsoina | : | (sointsoina) mt at.: Atao tonga misointsoina, menamenatra sy mangaihay.
Ahitsio |
Asoitra | : | (soitra) mt. fit. (asoiro): Entina misoitra, manala amin'ny hazo lavalava, mamely amin'ny tandroka (omby).
Ahitsio |