Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asolotika: (solotika) mt. at. (asolotiho): Atao misolotika, maloto: Nahoana no asolotika toy izao ny tarehin'i Koto? Ahitsio
Asombina: (sombina) mt. fit. (asombino): Entina manombina, maka ilany kely. Ahitsio
Asombola: a: Anaran'ny vola-na fahenina amin'ny volana malagasy marina, aorian'ny Alahasaty ary alohan'ny Adimizana, ka ny toerana nome-na azy fahiny ao an-trano dia amin'ny lafin-drindrina atsimo ilany andrefana. ~ Fana.: Vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mahazo vola; raha vehivavy, mpanao taozavatra, mpila harena; vodiny: tsara, hanan-karena, mpila vola. Ahitsio
Asominda: (sominda) mt, fit. (asomindao): Enti-milaza izay entina manominda, na mandidy ny tendan'omby. Ahitsio
Asompirana: (sompirana) mt, at, (asompirano): Atao mivilana, atao misompirana: Aza asompirana ny tohatra sao mianjera aho. Ahitsio
Asonanaka: (sonanaka) mt, at.: Apetraka misonanina tsara. Ahitsio
Asonanina: (sonanina) mt. at.: Asaina mipetraka mihaminkamina ary mianjonanjona. Ahitsio
Asonasona: (sonasona) rait. at. (asonasonao): (vavorona) A-tao misokasoka be. Ahitsio
Asondretaka: (sondretaka) mt, at. (asondretaho): Asaina mipetraka miboretaka. Ahitsio
Asondrotra: (sondrotra) mt. at. (asondroty): Atao ho avoavo kokoa: Asondroty io sary io fa iva loatra/ Asondroty ny feo. ~ Akarina, ampiana tovona; tovonana: Hasondrotray ny tranonay amin'ny taona ho avy. ~ Atao amin' ny toerana ambonimbony kokoa, omena voninahitra: Nasondrotry ny fanjakana izy fa nahavita be tamin'ny firenena. Ahitsio
Asondrovaka: (sondrovaka) mt, at. (asondrovaho): Alentika na ampidirina na atsofoka tsy mahitsy tsara fa mivilana. Ahitsio
Asonenika: (sonenika) mt, at. ASO (asoneneho): Atao misonenika, asosa milamina tsara. Ahitsio
Asonga: (songa) mt. fit. (asongao): Entina manonga, manainga hiseho: Zauatra toy ny antsy maranitra kely no nasongany ny vauafery. Ahitsio
Asongadina: (songadina) mt. at. (asongadino): Avahana tsara; avongady, aboridana. Ahitsio
Asongona: (songona) mt. at. (asongony): Omena amboniny amin'ny omena ny hafa: Roapolo monta ve no asongonao ny karamako amin'ny an-dRakoto nefa nanan-tombo telo andro ny andro niasako. Ahitsio
Asononbka: (sononoka) mt, at. (asononohy): Atao mandeha misosa milamina tsara: Asononohy ny lakana fa tony ny andro ka tsy manonja ny rano. Ahitsio
Asoralahy: a: Laharan-tsikidy fahatelo amin'ny sikidy alanana. Ahitsio
Asoratra: (soratra) mt. fit. (asoraty) : Entina manoratra. Ahitsio
Asoravavy: a: Laharan-tsikidy fahefatra amin'ny sikidy alanana. Ahitsio
Asoritra: (soritra) rnt. fit. (asorito): Entina manoritra, manamarika amin'ny soritra na tsipika. Ahitsio