Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atambitamby: (tambitamby) nit, fit. (atambitambazo): Entina manambitamby. Ahitsio
Atambolina: (tambolina) mt cit. (atamboleno): Alefa misangodingodina sy miolanolana ary miverimberina. Ahitsio
Atambongana: (tambongana) mt. at. (atambongany): Atao mitambongana na mitambatambatra, mivongambongana. Ahitsio
Atambororotra: (tambororotra) mt, at. (otambororoty): Akororosy hankamin'ny ambany. Ahitsio
Atambotsotra: (tambotsotra) rat. at. (atambotsory): Akorisa, aidina ambanimbany kokoa: Atambotsory kely la zozo io fa efa ila hidona amin'ny rindrina ny lohany. Ahitsio
Atamby: (tamby) mt. at. (atambazo): Omena atao ka-rama: Ariary folo no natambiko azy hitondra it? entankely th") tany an-tsena Ahitsio
Atampesona: (tampesono) mt. at. (atampesony): Alefa hitampesona, hangataka sesilany. Ahitsio
Atampify: (tampify) mt. at. (atampifio): Atao mitampify, atao miankina na atao mipetraka mifanoroka amin'ny hafa: Axa atampify amin'ny rindrina io vilany io sao mandoto ny rindrina Ahitsio
Atampina: (tampina) mt, at, (atampeno): Atao tampina, izany hoe: atao sarona na tsentsina na sakana: It? biriky it? atampina ny lavaka. Ahitsio
Atampisaka: (tampisaka) mt. at, (atampisaho): Aankina a-tao mitampisaka na mifisaka amin'ny.,. Ahitsio
Atampody: (tampody) mt. at. (atampodio): Asaina miverina ny andro iny ihany amin' ny toerana nialàna: Atampo dio Ikoto fa mangingina izaho irery. Ahitsio
Atampoka: (tampoka) rat, fit. (atampohy): Entina manampoka: Ny rano amin'ny siny atompoko it? rano mangotraka it?, Ahitsio
Atampona: (tampona) mt. fit. (atampony): Enti-mamely ny eny an-tampony. Ahitsio
Atana: (tana) mt, fit. (atano): Entina hitanana, hihazonana, Ahitsio
Atanàka: (tanaka) mt, at.: (ny vava) Atanatana noho ny figagana eo anoloan'ny zavatra mahazendana. Ahitsio
Atanatana: (tanatana) mt. at. (atanatanao): Atao misokatra tanteraka: Atanatanao ny vavanao;ny varavarana Ahitsio
Atandra: (tandra) mt. fit. (atandrao): Entina manongotra, ampiasaina mba hanongotana. Ahitsio
Atandrify: (tandrify) mt. at.(atandrifio): Atao eo anoloana, mifanatrika amin'ny...: Aza atandrify ny trano ny lava-pako, Ahitsio
Atandrina: (tandrina) mt, at, (atandremo): Ilazana ny olona alaina hitandrina: Iza no hatandrina ireto mpianatra ireto raha lasa ianao? Ahitsio
Atandry: na Atendry (tandry) rat. fit. (atandrao): Entina manandry na manendry, manombotomboka, manendrikendrika. Ahitsio