Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atangazona: (tangazona) mt fit. (atangazony): Entina manatangazona, mampitana, mampihazona. Ahitsio
Atangerina: (tangerina) mt. at. (atangereno): Asangodingodina, atambolimbolina. Ahitsio
Atangidingina: (tangidingina) mt. at, (atangidingino): Asaina mihazakazaka am-pidinana. Ahitsio
Atangirika: (tangirika) mt. fit. (atangiriho): Entina manatangirika, mandoaka. Ahitsio
Atangitrika: (tangitrika) mt. rit, (atangitriho): Atsipy, alentika, aboiboika, afantsitsitra. Ahitsio
Atangizina: (tangizina) mt. at. (atangizino): Atao mifanety, mifamoritra. Ahitsio
Atango: (tango) mt. fit. (atangosy): Entina mitango. Ahitsio
Atangolika: (tangolika) mt. at. (atangoleho): Afadiditra, aolikolika lalina. Ahitsio
Atangoloaka: (tangoloaka) mt fit. (atangoloahy): Entina manatangoloaka, mandoaka maninteraka. Ahitsio
Atangongo: (tangongo) mt. at. (atangongoy): Vorina betsaka manodidina, toy ny zavatra mipetaka mihitsy. Ahitsio
Atangorona: (tangorona) mt at. (atangorony): Vorina manodidina. Ahitsio
Atangy: (tangy) mt. at. (atangio): Omena atao tangy na vola omen'ny lehilahy ny vehivavy mety miray aminy, Ahitsio
Atanika: (tanika) mt. at. (ataneho): Ahahy na hafanaina amin'ny afo na amin'ny andro. Ahitsio
Atanila: (tanila) mt. at. (atanilao): Mao miraika mampiseho ny ila na lafiny iray: A-tanilao ny varavarana. Ahitsio
Atanina: (tanina) nit, at (atanino): Atao na atodika amin' ny afo, amin'ny masoandro: Nataniny andro ny volony terza. / Atanino eo anilan'ny afo io akanjonao io fa tsy misy hanaouanao rahampitso. Ahitsio
Atanjozotra: (tanjozotra) mt at. (atanjozory): Atao mitanjozotra, mandeha mitohy la-va toa valala manjohy. Ahitsio
Atankosina: (tankosina) mt at (atankosino): Asiana loto. Ahitsio
Atanondrika: (tanondrika) mt at (atanondreho): Aondrika (ny loha) noho ny alahelo. Ahitsio
Atanontanona: (tanontanona) nit, at. (atanontanony): A-petraka hijerijery eo akaikin' ny olona mihinana na miasa: Axa atanontanona eo akaikin'ny olona mihinana ny zanakao fa mitory tsy fahalalam-pomba izany. Ahitsio
Atantana: (tantana) mt. fit. (atantano): Entina mitantana, mitarika amin'ny tanana: Ny tanany havanana no natantany ny zandriny. Ahitsio