Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aterana: (atitra) mt, pdr,: Entimilaza ny olona omena na itondrana zavatra, fa ilay zavatra omena kosa na entina atao hoe "aterina": Nateranay akoho mifahy ry dadabe tamin'ny fety. (Akoho mifahy no naterinay ho an-dry dadabe tamin'ny fety), * Fiten.: Aza ny ateran-kira indray no milaza tsy mahay: enti-milaza ny olona ilam-pihavanana, ampisehoana faniriam-pisakaizana, nefa izy indray no tsy manotraka firy. Ahitsio
Aterina: (atitra) mt, ih, (atero): Entina: Naterina tany amin' ny hopitaly ilay marary, • A-verina amin'ny nakana azy: Atero ny sininay nindraminareo. Ahitsio
Atery: (tery) mt, fit. (atereo): Entina manery, mamoritra, na mitery omby, Ahitsio
Atete: (tete) mt. at. (atetevo): Aidina atao mitsitaitaika: Ateteuo indimy it? fanafody it?. Ahitsio
Atetika: (tetika) mt. fit. (ateteho): Entina mitetika, mandidy ho tapatapany fohy hatrany: It? ny antsy natetiko ny mangahazo. Aty Ahitsio
Atety: (tety) mt. at. (atetezo): Aleha tomandavana, tetezina. • Tanisaina. Ahitsio
Atevateva: (tevateva) mt, fit, (atevatevazo): Entina manevateva, manao tsinontsinona, maniratsira. Ahitsio
Atevika: (tevika) mt. fit. (ateveho): Entina manevika: Tsilo no nateuiny ny sofiko. Ahitsio
Atevy: (tevy) mt, fit. (ateveo): Entina mitevy, mikapa sy mandoro ala. Ahitsio
Ateza: (teza) mt. at (atezao): Atsatoka mahitsy tsara. Ahitsio
Ati-pako: a.: Fomba fampamerenana mangingina amin'ny tompony ny vola na zavatra madinfdinfka hafa izay nangalarin'olona na sendra voarainy tsy nahy, ka toy izao no fanaovana izany: raha misy zavatra very, dia nangatahin'ny fokonolona ny o10-na rehetra hitondra anentampako kely avy ka namporisihina izay naira ilay zavatra hanisika azy ao anatin'ny anentam-pako entiny. Ahitsio
Atiaty: a.: Bontsinan-kibo voky. i t. t, f.: Miatiaty, fiatiaty ) iatiatiana, fiatiatiana. Ahitsio
Atidoha: a: Foiben'ny nerva ao anatin'ny karandohan'ny olombelona sy ny biby lehibebe, itoeran'ny herin'ny saina, ny sitrapo ary ny fandrenesana rehetra. Ny atidoha dia tenan-javatra malemilemy toa mihonankonana mivalombalona ka tanteraka hatrany anatiny ny soritsoritra aminy: fotsy ny ivelany ary vasobasoka ny ao anatiny; betro. - F,-p.: Mivadika atidoha: lasa adala. / Atidohan-kena: ny atidohan'ny omby. Ahitsio
Atifaka: (tifaka) mt, at. (atifa-120 ho): Atao izay hahatapaka a-_ zy. Ahitsio
Atifika: (tifika) mt. at. (atifiho): Apitika. Ahitsio
Atifitra: (tifitra) mt. fit. (atifiro): Entina mitifitra: BasindRakoto no natifiny an'ilay lambo? Ahitsio
Atikatika: a: Fianjonanjonana kely somary miavona. i t.i.f,: Miatikatika. Ahitsio
Atikitra: p. mt.: Enti-milaza toerana misy ny tena toy ny ai-S,, saingy somary fitenin' ny ankizy: Maf ana be atikitra izany. ~ Fanoroana lalana na toerana eo am-pitarihandalana ny olona miaraka amin'ny tena: Atikitra no misy azy, tompoko. Ahitsio
Atiko:Jereo ny [aty] Ahitsio
Atily: (tily) mt. fit. (atilio): Entina mitily, mitsikilo, manao andry maso. Ahitsio