Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atitatika: a.: Ffreharehana amin'ny fihetsika, amin'ny fipetraka. Ahitsio
Atitra: a.: Fanolorana na fitondrana zavatra any amin'olona. - t.i.f.: Aterana, aterina, voatitra / manatitra, fanatitra, mpanatitra / anaterana, fanaterana / mahatitra / miatitra. ? F,-p,: Ati-dranomaso: fiakarana any androva mba hitomany ny mpanjaka vao niamboho, / Ati-kira: fitetezana vohitra ombieny ombieny mba hfhira. / Ati-pako: (jer. ity). Ahitsio
Atmosfera: (fr, atmosphère) a.: Rivotra sy gazy manodidina ny tany. Ahitsio
Ato: p. mt.: Milaza toerana misy ny tena: Mafana ato antrano noho ny any ivelany. a f,-p,: Ato ho ato: Enti-manondro toerana voafaritra: Ato ho ato no misy ilay Peratro very. ~ Enti-manondro fotoana tsy lavitra loatra ne-fa akaiky kokoa noho ny atsy ho atsy: Mikasa hanao rindran-kira ry zareo ato ho ato. Ahitsio
Ato: Tt.: Enti.-milaza fiatoana. - t.i.f,: Atoina, aato / miato, fiato, mpiato / iatoana, fiatoana / mahato / miatoato. Ahitsio
Atoa: a.: Antsa na hira miaraka amin'ny lamako, fanindrahindrana sy fanasohasoana ny mpanjaka, na fanao amin' ny fanandratana ny sampy taloha. 6 t.f.f.: Atoavina / manatoa, fanatoa, mpanatoa / anatoavana, fanatoavana, Ahitsio
Atoavina: (atoa) mt. ih. (atoavy): Hiraina, deraina (filaza amin'ny mpanjaka na ny sampy deraina amin'ny fanasinana azy). Ahitsio
Atobaka: (tobaka) mt. at. (atobah y): Atsipy hibosasaka; ampidinina na arotsaka be dia be: Tandremo sao atobakao at? iny rano maloto iny. Ahitsio
Atobatoba: (tobatoba) mt. at. (atobatobao): Atao mitobaka, mitipy ka tafahoatra. Ahitsio
Atoby: (toby) mt, at. (atobio): Asaina milasy: Atobio eto ny miaramila, ~ Angonina, vorina: Natoby teo an-tokotany ny remby azo. Ahitsio
Atodiakanga: a.: Tendron'ny lohan'ny taolam-pe izay vorivory sy malama tsara, –( Ahitsio
Atodika: (todika) mt. at. (atodiho): Entina milaza ny maso na ny loha ahodina mba hankany amin-javatra na olona eo anindrana na any ivoho: Aza atodika any ny lohanao. Ahitsio
Atodintarina: na Atodintaria a: Fivontosan'ny mosavinkena ao ambany helika na eo amin'ny taita na eo amin'ny tenda na ny hatoka, ka ny fisehoany dia toy ny tomaboha vavy ny sasany (ireo madinika), ary vaventiventy toy ny vakamboahangy kosa ireo lehibe. Ahitsio
Atodintazo: a.: Fivontosan'ny ary, izay hita mibontsina eo amin'ny faritra an-kavia amin'ny kibo. Ahitsio
Atodiomby: a.: Zavatra boribory voloina hita indraindray ao anatin'ny rorohan'ombY. Ahitsio
Atodiorokoroka: a.: Teny ilazana ny zaza vao menavava, izay atao koa hoe voatavo tsy mifandraka. Ahitsio
Atodiosy: a.: Vakana hala tahaka fotsy misorasoratra manga. Ahitsio
Atoditra: (toditra) mt. at. (atodiro): Andramana. Ahitsio
Atody: a.: Zavatra misy tsirin' aina alatsaky ny vavy amin' Ahitsio
Atody: akaiky ho foy ny biby, indrindra ny vorona, izay foy rehefa avy kotrehin-dreniny mandritra ny fotoana maharitra ka tonga bibikely na voronkely. Misy zavatra telo ao amin'ny atody, dia ny tapotsiny, ny tamenany ary ny akorany izay mandrakotra an'iretsy voalohany. Ahitsio