Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Amanga: (manga), mt. fit. (amangao): Entina manamanga Ahitsio
Amangana: (mangana), mt. fit. (amangano): Entina manamangana, ampiasaina mba hanamangana. Ahitsio
Amaninomby: a.: Fivalanandranon'omby ampiasaina amin'ny fanaovana naitrara.l Ahitsio
Amanja: (manja), mt. fit. (amanjao): Enti-manamanja. Ahitsio
Amany: na Fivalanandrano a.: Rano maloto avy amin'ny tenan'ny olombelona, izay miforona ao amin'ny voa ary miangona ao amin'ny tatavia alohan'ny hivoahany any ivelany. ¶ M.h.: fivalanan-drano, siritra. - t.i.f,: amaniana, voamany / mamany, famany, mpamany / amaniana, famaniana / amaninombY. - Amanin-tsahona: enti-milaza ranon-javatra kely dia kely, toy ny hoe indray mitete; / marary famaniana: mahatsiaro marary rehefa mivalandrano; / namany andaua-bitsika: aretina mahatonga ny ankasarotana hamorifotra (lazain'ny Ntaolo fa ny mivalan-drano eo ambony lava-bitsika no mahatonga izany). Ahitsio
Amara: (Ski) a.: Mahazaka atao amin'ny hozatry ny voanio. Ahitsio
Amato: (Ski) a.: Andry ampovoany amin'ny rindrina. Ahitsio
Ambadika: ppk.: Enti-milaza ny toerana ao ivohon'ny zavatra iray: Miery ao ambadiky ny hazo ao izy, ~ F.-p.: Tany ambadik'Imanareza: enti-milaza zavatra nitranga efa ela dia ela ka tsy hita izay hiraharahana azy intsony. Ahitsio
Ambadika: a.: Karazana diamanga na daka, mitovitovy amin'ny kapatokana (jar.): mihodina tampoka ilaY namely, amin'ilay tsy ampoizin'ilay mikatroka aminy iny, dia alefany any andamosina ny tongony - indraindray ny felatanany amin'izay mitehina amin'ny tany - ka mafy fiantefa izaitsizy izany, manoatra noho ny tsipaka anoloana na ny kopala. - F.p.: Mamely ambadika: mamely am-pitaka; mamadika. Ahitsio
Ambainday: (ambay, lm') a.: Ny halavan'ny sakan'ny lamba anaovana ny lay, na ny halavan'ny lafn-tsambo, izay iankinan'ny tanjany sy ny heriny. 1 h.o.: Ny halehiben' ny fivelatry ny asa na zavatra iray: Mihevitra ny hanitatra ny ambaindain'it? orinasa it? aho. Ahitsio
Ambaka: na Ambakavaka ft.: (It? faharoo it? no fampiasa kokoa): Fiambatrambarana na fiakanakanana rehefa miteny ka tsy mahatohy izay lazaina raha tsy miatoato kely hatrany. - t.i.f.: miambaka, fiambaka, mpiambaka / iambakana, fiambakana. Ahitsio
Ambaka: (Tsm) a.: Fomban-tolona omby atao toy izao: ny tanana havanana mitazona ny trafony ary ny havia kosa manodidina ny vozony. Ahitsio
Ambàka: ft.: Fifetsena, lainga hamitahana ny tsy mahalala, tetika hangalarana mba hahazoana tombony, na amin'ny varotra na amin'ny lalao. - t.i.f.: ambakaina, voambaka / manambaka, fanambaka, mpanambaka / anambakana, fanambakana. Ahitsio
Ambaka: noho p.mt.: Latsadanja, ambany, tsy mahaleo, tsy tsara, tsy mahay: Ianao ue dia ho ambaka noho ny zandrinao? ~ Tsy ambaka noho: tsy latsa-danja, mitovy na tafahoatra kokoa no-ho: Tsy ambaka noho ny teny hafa ny teny malagasy. Ahitsio
Ambakaina: (ambaka), mt. ih. (ambakao): Fitahina amin' ny varotra, na eo amin'ny lanjany, na eo amin'ny fatrany, ans: Nambakain'ny mpivarotra ianao, anaka, raha io no hena-na dimampolo. ~ Fitahina noho ny fahatsorana be loatra na ny tsy fahalalana: Ny adala no tsy ambakaina: Andriamanitra no atahorana (ohab.). Ahitsio
Ambakambakany: (t.tr.) a.: Vakivakim-bola. Ahitsio
Ambakiloha: a.: Teny ilazana lamba kely ila, izay tsy mba ambainy roa mitovy no avitrana fa ambainy iray sy sasany: Akanjo saga ketrombozona sy lamba ambakiloha no nanaovany. (Kilalaon'afo: R. R. R. ). Ahitsio
Ambakoany: a.: Vor6nan-kofehy na fehezan-drindra nokarakaraina hotenomina ho lamba na horarina ho tsihy. Ahitsio
Ambalambala: a.: Teny tsy mazava loatra, na teny tsy azo mazava ny dikany: Teny ambaiambala no nataon'ny anao lahy dia basa izy. - t.i.f.: ambalambalaina / miambalambala, fiambalambala, mpiambalambala / iambalambalana, fiambalambalana. Ahitsio
Ambalambalaina: (ambalam6ula) mt. ih. (ambalambalao): Enti-milaza zavatra tsY lazaina mazava fa fonomponosina: Nambalambalainy ilay izy ka tsy azoko mazava. Ahitsio