Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Betro: (fr. béton) o.: Vato kely mifangaro fasika sy simenitra. Ahitsio
Betro: (fit.-p.) a: Atidoha. Bet Ahitsio
Betroka: a.: Fanabontsinana nY tena, na noho ny avonavona na noho ny hatezerana, toy ny fanaon'ny tanalahy mainbontsina ny vozony rehefa ilay tezitra vonon-kiady iny izy. • H. i.: Rahona, fandrahonana. - t.i.f.: Abetroka, tafabetroka 1 mibetroka, fibetroka, mpibetroka 1 ibetrohana, fibetrohana 1 betrobetroka. - F.-p.: Mamaky betroka: mampangaihay, mahakepoka, mamolaka avonavon'olona. Ahitsio
Betsabetsa: a: Fisotro mahamamo atao amin'ny fary na tantely. Ahitsio
Betsaka: p. t.: Be isa, be dia be: Betsaka ny karazan'olona eto ambonin'ny tany. / Misy voay ve at? aminareo? Betsaka azy at? avarabaratra ot/, tompoko. - t.i.f,: Manabetsaka 1 mahabetsaka 1 mihabetsaka 1 habetsaka, habetsahana, fahabetsahana / ankabetsahana 1 imbetsaka. Ahitsio
Betsileo: a.: Foko lehibe monina amin'ny tany voafaritry ny ony Mania, avaratra; ny tanin'ny Tanala, atsinanana; ny tendrombohitr'Andringitra, atsimo, ary ny tandavantendrombohitr'i Bongolava, andrefana. Mizara telo ny Betsileo: ny avaratra (renivohitra: Ambositra), ny afovoany (Ambohimahazo, Ambohinamboarina), ary ny any atsimo, izay mitsinjara telo indray: Isandra, Ilalangina ary Iarindrano. Tanàn-dehibe: Fianarantsoa, Am bositra,Ambohimahasoa, Ambalavao. Ahitsio
Betsimiasa: a.: Anarana entimilaza ireo mpiandry omby any an'etitra. Ahitsio
Betsimihilana: a.: Anarana entimilaza ny ravin'ny tatamo (ny vonin'ny tatamo dia atao hoe voahirana na tsiazonafo, ary ny fakany voalefoka). Ahitsio
Betsimisaraka: a: Foko lehibe, monina amin'ny tandavandemaka mahatratra 60-60 km ny sakany manaraka ny morontsiraka atsinanana hatrany amin'ny reniranon'i Bemarivo, avaratra, ka hatrany amin'ny onin'i Mananjary, atsimo (800 km eo ho eo). Mizara roa ny Betsimisaraka: ny tavaratra (Maroantsetra, Fenerivo, Soanierana-Ivongo); ny tatsimo: (Toamasina, Vatomandry, Mahanoro, Andevoranto). Ahitsio
Bevohoka: p. t.: Enti-milaza ny vehivavy manana anaka. ¶ M. h.: Manana anaka, mitoe-jaza, manaizana, mavesatra, mitondra rano. Ahitsio
Bevoina: a.: Teny tsy dia manaja laatra enti-milaza ny mats' tsy tiana hohajaina firy, (Tsy fampiasa firy fa Rabevoina no ampiasaina matetika). Ahitsio
Bezabeza: p, t.: Mitanatana, mangotanatana (t.t.m.). ¶ M. h.: Vezaveza. Ahitsio
Bezanozano: a.: Foko kely dia kely, mitoetra amin'ny tany lemaka manodidina an'i Mangoro, voafaritry ny tanin'i Sihanaka, avaratra; ny Betsimisaraka, atsinanana; ary ny Marina, andrefana. Tanàndehibebe: Moramanga, Beparasy, Anliro. Ahitsio
Bezôma: a.: Karazan-javamaneno misy fivoaham-peo lehibe natao mba hanamafy nt' feony sy ny firohondrohony. Ahitsio
Biaka: (t.tr.) p.t.: Tiana, lalaina. Ahitsio
Biba: (Ski) a: Songo, ronono voalohan'ny biby. Ahitsio
Bibaka: p. a.: Mizihitra makadiry. • Mivonto mamoro-nana any anatiny (ratra na fery). / t.i.f.: Mibibaka, fibibaka I ibibahana, fibibahana. Ahitsio
Bibalahy: a.: Karazan'ahitra fanao fanafody, indrindra amin'ny fivalanan-dra, na fivalanana tsotra fa tsy mets mijanona. Ahitsio
Bibasy: (fr. bibassier) a: Karazan-kazo fihinam-boa Ahitsio
Bibibiby: p. t.: Tsy matahotra na inona na inona, sahisahy ratsy, mahery setra: Bibibiby ny ahy io zanako io: raisiny amin'ny tanany ny tanalahy dia ataony ao ambany helika. Ahitsio