Litera b

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Boafa: (t.tr,) p. t.: Goay, makadiry. Ahitsio
Boaiza: a: Sarivazo kely maitso. Ahitsio
Boalaboala: ft.: Enti-milaza ny toetran'ny hazo mifanety, mifanizina. - t.i.f.: Miboalaboala, fiboalaboala. Ahitsio
Boana: ft.: Enti-milaza fivoahan-javatra, toy ny varavarana, amim-peo mafy; figoana; fidridro na fidridroka. - t.i.f.: Boanana mamboana, famboana, mpamboana, miboana, fiboana I iboanana, fiboanana. Ahitsio
Boanana: (boana) mt. ih. (boa-no): Vohana mafy ka mikotrokotroka sy mirefotra: Aza boanana ny varavarana fa mahasosotra. Ahitsio
Boaty: (fr. boîte) a.: Vata kelY vita amin'ny hazo na baoritra na metaly: Boatin-dronono. Ahitsio
Boba: p. t.: Mora vidy izaitsizy, ambany vidy aoka izany: Varo-boba it? ny eto an-tsena fa hariva ny andro no avy ny orana. / Boba ny uoankazo. - t.i.f.: Bobaina 1 mamboba, famboba, mpamboba / ambobana, fambobana. Ahitsio
Bobaina: (boba) mt. ih. (bobay): Vidin mora dia mors: Nobobaiko ireto voankazo ireto. Ahitsio
Bobaka: ft.: Enti-milaza fivontosana be, fizihirana makadiry, • p, t. (t. t. m. ): Be dia be, zavon-tany: Bobaka ny manga ao an-tsena. - t.i.f.: Mibobaka, fiboboka / ibobahana, fibobahana. Ahitsio
Bobo: p. t.: Fotsy dia fotsy, fotsy botsiaka. - F,-p,: Fotsy bobo: enti-milaza olona mana volon-koditra fotsy hafahafa vokatry ny toe-javatra manokana, dia ny tsy fisian'ilay zavatra mpandoko ny hoditra sy ny volo raha miforona ao an-kibon-dreniny ny zaza. Ahitsio
Bobobobo: a.: Ny feon-drano toa mitapatapaka ary migobongobona miditra anaty tavoahangy na aidina avy ao anaty tavoahangy. • Ny feon' ny anjombona na ny feon-javatra migoboka manao sesilany ary lavareny. - t.i.f,: Boboboboina, abobobobo / manabobobobo, fanabobobobo, mpanabobobobo / anaboboboboana, fanaboboboboana. Ahitsio
Boboboboina: (bobobobo) mt. ih. (boboboboy): Asitrika ao anaty rano. • Atao mibobobobo, izany hoe ampanenoina mba hanome feo migoboka sesilany: Boboboboy ny anjombona sao tsy mahare ny er? an-dafin-drano. Ahitsio
Bobohana: (boboka) mt. 1h. (bobohy): Vontoson-drano, ampisotroina tafahoatra, a-tao izay hahaleo: Nobobohiny toaka lahy ny zanako! Ahitsio
Boboka: p. t.: Vonton-drano: Bobo-drano ireto hazo ireto ka tokony hafindra toerana. • Voky na feno be loatra ka manjary leo: Boboky ny divay ny anao lahy uao niala tao ka mamo nidarabodraboka eran'ny arabe fotsiny.H. o.: Lao, tofoka, tsy tia herika: Boboky ny fianarana, hono, Rabe. ? Rakotra bobongolo noho ny hamandoana be loatra ka manomboka ho simba: Boboka tato lahy ireto boky ireto no-ho ny hamandoana - t.i.f.: Bobohana, aboboka, voaboboka 1 manaboboka, fanaboboka, mpanaboboka / anabobohana, fanabobohana / miboboka, fiboboka, mpiboboka / mahaboboka / boboboboka. Ahitsio
Bobongolo: a.: Zavatra miendri-kolatra madinika mandroadroatra mipetaka amin' ny zavatra nipetraka maharitra tamin'ny mando: Azon' ny bobongolo ny kiraroko nipetraka herinandro tao anjoron-trano tao. • p. t,: Mihintsana be ihany fa efa lo, simba, lomorina: Fanaka bobongolo no hita tao an'efitrano made. Ahitsio
Bobovola: (t,tr.): Sinibe vola. Ahitsio
Boda: Bodaka p, t.: Malemy: Vary bodaka. / Vomanga bodaka, Boda ny vomanga. ¶ M. h.: Modaka. - t.i.f.: Bodaina, voaboda 1 manaboda, fnboda, mpanaboda / anabodana, fanabodana 1 mahaboda, bodaboda. Ahitsio
Bodaina: (boda) mt. 1h. (bodao): Atao izay hahalemy azy, lemena. Ahitsio
Bode: na Kibode (Ski) a.: Zana-borona sarahina amin-dreniny ka velomina mitokana. Ahitsio
Bodehina: (bodika) mt. ih, (bodeho): Asavorovoro, asavoritaka: Aza bodehina re, ry Koto, ny kofehy. / Nobodehiny teo ny fitenenana ka tsy hita intsony izay yentinkevitra Ahitsio