Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dokadoka: ft. : Enti-milaza firobonan-javamaniry maitso sy milenodenoka fatratra. i t.i.f. : Midokadoka. Ahitsio
Dokafana: (doka) mt. ih. (dokafy) : Hindrahindraina amin'ny fiderana; roboana : Nodokafany loatra ny zanany ka nanjary mpiauonauona. Ahitsio
Dokana: (doka) mt. ih. (dokay): (Vato) loahana na lavahana (mba hanapoahana azy). Ahitsio
Doko: o. : Sanga na vola atao mibokoboko eo aloha na eo aoriana an-katoka.l Nofo na mokon-doha hita amin'ny vavan'ny vorona indraindray na amin'ny oron'ny olona sasany. Ahitsio
Dokoa: a. : Voron-keniheny. Ahitsio
Dokoroka: a. : Fanjoretra na fanjonitra atao mba hangorahan'ny olona ny tena. - t.i.f. : Mandokoroka, fandokoroka, mpandokoroka / andokorohana, fandokorohana / mahadokoroka. Ahitsio
Dokotera: o. : Mpanasitrana na mpitsabo vita fianarana ka nahazo filazam-pahaizana. • Olo-mahay nahazo filazampahaizana ambony momba ny sampam-pahaizana manokana iray. Ahitsio
Dokotra: a. : Karazam-borona mitovitovy amin'ny ganagana. Sarin-dokotra : Safiotra avy amin'ny fikambanan'ny ganagana sy ny dokotra. Ahitsio
Dola: Doladola a. : Fihetsika miangotingoty raha mandeha ka ny loha araidraika ary ny vatana atolilalila miankavia miankavanana. - t.i.f. : Adoladola / manadoladola, fanadoladola, mpanadoladola / anadoladolana, fanadoladolana / midoladola, fidoladola, mpidoladola / idoladolana, fidoladolana / mahadoladola. - F.-p. : Miara-midola : enti-milaza fiarahan'ny olona roa mamindra misy fiangotingotiana ka somarY mifampiraidraika ny loha. Ahitsio
Dolelaka: (t.tr.) o. : Koka lava, feo tokana lavareny rehefa miantso. • Fiantsoana olona ka halavaina na tarihina ho lava ny fanononana ny vaninteny farany amin'ny anarany na ampiana zana-peo toy ny a, ô! (ankehitriny). Ahitsio
Dolotra: a. : Jer. Dilotra. Ahitsio
Domatina: a. : Ny tadim-baliha na ny tadin-dokanga ambany feo indrindra fanaovana beso. Ahitsio
Domba: p.t. : Mivohitra mandroso be : Domba ny orondRamotoo io. - t.i.f. : Mandomba, fandomba. Ahitsio
Dombo: p.t. : Tsy maranitra : Dombo ny antsinao. • Donto ny lohany : Fantsika dombo. i tif : Domboina, voadombo / manadombo na mandombo, fanadombo, mpanadombo / anadomboana, fanadomboana / mahadombo / dombodombo. Ahitsio
Dombolo: a. : Karazan-javamaneno mitovy amin'ny doka (jer. io teny io), saingy tsy mba misy korintsana eo antendrony, fa volotsangana fotsiny sahabo ho iray metatra sy sasany eo ho eo, ary mitovy habe amin'ny sandry; ny mpandihy lehilahy ihany no mampiasa azy. Ahitsio
Domelina: p.t. : Donto, mahatsiaro ny loha ho mavesatra, tsy afa-manao na inona na inona : Mafy izay asa indroa andro nisesy izay : domelino mihitsy izany ny lohako. Ahitsio
Domiverina: (dona miuerina) a : Fipaikan-javatra amin' ny rindrina na zavatra hafa izay mahatonga azy hiverina amin'ny toerana niaviany ihany indray : Raha sendra rindrina ny feo, dia manao domiuerina, ka izany no mahatonga ny ako. Ahitsio
Domohina: a. : Voromailaladia. Ahitsio
Dona: Dondbna a. : Poka, fifampipaihan-javatra roa; kapoka, vely. - t.i.f. : Donna, adona, voadona I mandona, mandondona, fandona, mpandona / andondonana, fandondonana / midona, fidona, mpidona / idonana, fidonana. ~ F.-p. : Don-tany : fiampangana olona mivantana izao ho nanao zavatra iraY, loba hitsapana azy na nanao tokoa na tsia, kapo-tandroka. I Don-tandroka : teny fampitahorana atao amin'ny osa, saro-tahotra.., mba hahatonga azy hamboraka ny ao ampony na hanaiky lembenana, fomba mazàna amPiasain'ny mpaka am-bavany. / Don-tokana : kotrok'orana indray mandeha monja, mahatonga fihetseham-po malahelohelo. / Don-davitra : kotrok'orana any lavitra mahatonga hanembonembona ny havana tsy eo anatrehana. Ahitsio
Dona: a. : Fipaika, izay entimilaza amin'ny daomy fa tsy manana ny masom-bato mitovy amin'izay miseho ny mpilalao, ka ny mpilalao manaraka no mandeha (Jar. Daomy). Ahitsio