Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Donahana: na Donafana (donaka) mt.ih. (donahy na donafy) : Semporina amin'ny setroka : Aza donofana ny uahiny, rankizy. • Asiana : Nodonafany tehamaina ny zandriny. Ahitsio
Donaina: (dona) rat. ih. (donao) : Kapohina, velesina, asiana mafy : Nodonainan'ny zokiny izy ka nahatsiaro fanina. Ahitsio
Donaka: a. : Setroka be na hafanana manevokevoka; vono na kapoka atao. i tai. f. : Donahana na donafana, adonaka / mandonaka, fandonaka, mpandonaka Iandonahana,fandonahana / midonaka, fidonaka, mpidonakalidonahana,fidonahana. Ahitsio
Donàna: p.t, : Donto saina, ketrina, taraiky. Ahitsio
Donanaka: a. : Tsy fanaovana na inona na inona, fitomoemoe-poana varimbariana amin'ny tsinontsinona. - t.i.f. : Midonanaka, fidonananaka, mpidonanaka / idonanahana, fidonanahana. Ahitsio
Donda: ft. : Enti-milaza ny hamafy sy ny lanjan'ny lamba mifanaraka amin'ny hateviny. i t.Lf. : Mandonda. Ahitsio
Dondrina: p.t. : Donto saina, tsy kinga, miraikiraiky f oana : Zozo dondrona koa itony! Ahitsio
Donendrina: p.t. : Tsy mahalala na inona na inona fa bado sy adaladala. i t, i.f. : Midonendrina, fidonendrina, mpidonendrina. Ahitsio
Donga: Dongadonga p. t. : Matavitavy kely ka hita botabota ny takolany, tanany, tongony. ¶ M.h. : Botrabotra, botrefona, dofodofotra. - F.-p. : Donga tsy minono : enti-milaza ny akohokely na ganakely matavitavy botabota. * Ohab. : Ny lainga donga takona fa mahia mifanatriko : raha mbola tsy hita ny mahalainga ny lainga, dia toy inona er3, fa raha vaky am-batolampy kosa, maharikoriko. Ahitsio
Dongaingy: Enti-milaza olona fohy vozona na fohy tenda ka ny lohany toy ny milentika ao anatin' ny lamosiny, noho ny fitondrana enta-mavesatra lava na antony hafa. - t.i.f. : Adongaingy, tafadongaingy / manadongaingy, fanadongaingy, mpanadongaingy / anadongaingena, fanadongaingena / midongaingy, fidongaingy, mpidongaingy /idongaingena,fidongaingena / mahadongaingy. Ahitsio
Dongalia: (Skl) a. : Karazan'androngo mavo, kely mailaka, izay velona eny amin'ny fasika. Ahitsio
Dongara: a. : Karazam-balala. Ahitsio
Dongary: (Skl) a : Harona boribory lavalava fasian'ny Tanosy sy ny Bara fotsimbary. Ahitsio
Dongina: (dongy) mt.ih. (dongio) : Tadiavina hotanana ho an'ny tena nefa an'olona : Dongin'ny zanakao fotsiny ny kilalaonay. Ahitsio
Dongona: a. : Havoana mandondona; tanjona na antontan-javatra miavoavo toy ny famoloana na ny fasana anritra mivohom-pafana. - F.-p. : Dongon-tany : entimilaza ny fasana : Ao ambany dongon-tany, ao anaty uatam-paty misy reny tsy miteny, hatry ny ela no tavela. (Eliza Freda) Ahitsio
Dongy: a. : Fijanonana tsy metY manao zavatra ampanaovina na mandeha fa tsY faly; henahena, fitokonana : Raha mba zozo be dongy re izany! i Ditra. - t.i.f. : Midongy, fidongy, mpidongy / idongiana, fidongiana. Ahitsio
Dongy: (Ski) a. : Anaran'ny hazo kely marani-doha arnpiasaina amin'ilay filalaovana eny amin'ny fasika atao hoe kinapo (Jer. io). Ahitsio
Donika: a. : Aretina mampivonto ny foto-tsofina : ny amantarana azy voalohany mandrakariva dia ny fivontosan'ilay mosavin-kena atao hoe glandes parotides eo ambanin'ny sofina indrindra sy tandrifiny. Ahitsio
Donina: (dona) mt.ih (dony): Pohina : Nodonin'ny andry ny lohako ka fanina mihitsy aho. • Pehina : Doninao mafy loatra ny uarauarana. • H. o. : Asian-teny henjana, tenenina mafy : Nodonin'ny lehibeny izy ka uaky barara tery, - F,-p, : Dony tapany handoa erany : tambatambazo amin'ny zavatra kely mba ha-nome be. / Dony ny tanin' Andriana : izay mifody tsy manana : teny fanao rehefa avy manao fanekena na dina, ka ny heviny dia hoe : aoka hodonina ny tanin'nympanjaka (taloha ny tany rehetra dia an' ny mpaniaka), ka izay mivadi-panekena, aoka izy ho foan-tanana, * Ohab.: Mitsako tsy re ka kenda vao dony aho, ranaotra : raha sendra zava-tsoa ny tena, mihinan-drery, fa raha misy mahavoa kosa, miantso vahoaka. Ahitsio
Donoro: (doro) mt.ih, misy tsofoka on : Voadoro, doroana, tsoloana afo : Nodonoron'ny fahavalo ny tanàna . Ahitsio