Litera d

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dotra: a. : Fahamaizana amin' ny afo, r' Fahaporetana. ? H. o, (p.t.) : Poritra eo am-panaovana raharaha na maika hahavita iavatra : Dotra erys izy nampanao ahy ny akanjony. 14 t.i.f. : Dorana, voadotra / mandotra, fandotra, mpandotra 1 andorana, fandorana i mahadotra. Ahitsio
Dovy: a. : Rafy, fahavalo (teny fampiasa amin'ny sikidy). • H.i. : Ray aman-dreny (amin'ny lafin-kevitra hoe fahavalon'ny zanaka ny ray aman-dreny noho izy manakantsakana azy tsy hanao ny sitrapony). ? F.-p. : Manolotra dovy : manala faditra ny vintana mifanoto. / Maty dovy : zaza maty ray sy reny ka lasa mahaleo tena. Ahitsio
Dovy: Dovidovy p.t. : Botabota, dontodonto na bozenizeny sy fonetana; mikirikiry foana na mpanao valy vilana. 1 : Midovidovy. Ahitsio
Dozenina: (fr. douzaine) a. : Antokon-javatra milsa roa arnbin'ny folo : Atody roa dozenina. Ahitsio
Dradra: a. : Antso mafy indray manezaka; fanelezan-teny. - t.i.f. : Dradraina / midradra. Ahitsio
Dradradradra: a. : Fitomaniana mafy; fikaikaikaikana sy fiantsoantsoana. - t.i.f. : Adradradradra, dradradradraina I midradradradra, fidradradradra, mpidradradradra / idradradradrana, fidradradradrana. Ahitsio
Dradraina: (dradra) mt.ih. (dradrao) : Antsointsoina mafy mba ho heno hatraiza hatraiza : Dradraina ankehitriny ny fiaraha-monina vaouao hanjakan'ny rariny sy ny hi-tain y. Ahitsio
Dradraka: a. : Antso mafy amim-pahatairana noho ny fisehoan-javatra tsy nampoizina tampoka. 4 t.i. : Midradraka, fidradraka / idradrahana, fidradrahana. Ahitsio
Drafana: a. : Jer. Traf ana. Ahitsio
Drafitra: a,: Tsipika manoritra an-tsary ireo fizarazarana na faritra samihafa amin'ny ta-nana, na trano na masinina iray... t• Soritsoritry ny hevitra velabelar?na ao anatin'ny lahatsoratra iray izay alahatra araka ny heverina ho mahamety azy: Moa aisy draft tra nosoritan'ny mpanoratra raha nanao Io lahatsoratra !o Lay? Ahitsio
Draho: ft. : Enti-milaza fitavozavozana. - t.i.f. : Midraho na midrahodraho, fidraho na fidrahodraho. Ahitsio
Draidraidraidray: t.p. : Entimilaza fangirifiriana, fanaintainana tsaroana lalina sy maharitra: Draidraidraidray! maharary ilay tanako nioritra anikeheo. Ahitsio
Draiko: ft. : Enti-milaza famindra manano sarotra na fandeha toa mijaikolaiko, noho ny aretina mahazo na ny havizanana. ¶ M.h. : Jehojeho. - t.i.f. : Adraiko, tafadraiko /midraiko, fidraiko, mpidraiko iidraikoana,fidraikoana. Ahitsio
Drakadraka: a. : Mpitsikilo, polisy miafina (taloha). Ahitsio
Drakadraka: a. : Karazan-kaingo taloha fitondra an-doha : asiana rantsana mitsatoka eo amin'ny randram-bolo, ka mirangaranga toy ny sanga a-vo ny fijery azy, mifanahantsahana amin' ny diadema ta-t? aoriana. Ahitsio
Drakaka: (Tsm) a. : Karazampoza vaventy, somaSy volomparasy manjamanja, monina eny amoron'ny ony akaikin' ny vinany. Ahitsio
Drako: p,t. : Lava mitsipaikona sy mivozavoza. Ahitsio
Drala: (fit.-p,) a.: Vola. Ahitsio
Drangy: (Tsm) a. : Tsilo maranitra sy mivelatra eo an-damosin' ny trondro sasantsasany. Ahitsio
Drasy: (Ski) a. : Ilay bontsina kely amin'ny babin'ny katsaka, lamokan-katsaka. Ahitsio