Litera e

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Entina: mt. ih, (ento): Ilazana zavatra vimbinina na sakelehina na babena na lolohavina... ka afindra toerana miaraka amin'ny tena: Enta a-t? ny solomasoko, / Efa nentiny am-babena nankany amin'ny hopitaly ny zanany, ? Lasa, paohina: Nentin'ilay kary iny ny satroko, / Nentin'ny rivotra ny tafontrano, • Fehezina: Entin'ny fanjakana ny vahoaka. ? Anaovana: Akanjo madio no entin' ny olona amin'ny andro fety. ? Ampiasaina: Famaky no entiny mikapa taolana. * Fiten.: Entim-bavy: ilazana ny lehilahy baikoin'ny vavy ao an-tokantrano. / Entim-pahazarana: tsy mandeha ara-tsitrapo fa manaraka ny efa mahazatra fotsiny. / Fanjakana entim-bahoaka: fanjakana mijoro izay ny vahoaka no mitondra azy amin'ny aalalan'ny fifidianana an'izay hitarika sy hifehy. / Faty entin'alina: olona tsy mahalala izay itondrana azy akory. / Ganagana entina amin'ny tendany: ilazana ny olona tsy manan-tsitrapo fa izay itondrana azy dia alehany. / Nentim-paharazana: narahina hatramin'ny andron'ny razana. * Ohab.: Izay entim-belona enti-maty: ny toetra nananana tamin'ny andro niainana ihany no mbola tanana rehefa ho faty. Ahitsio
Eny: p.mt. : Milaza toerana la-vitra nefa tazana : Hitanao i-r? tendrombohitra ira>, andeha hitsangantsangana eny isika ; na manondro toerana ankariharY : Rehefa mandeha eny an-tsena ianao... 1 Lat.: Mankeny. - F.-p. : Eny ho eny : milaza toerana tsy tondroina marina tsara fa tokotokonY fotsinY na ombieny ombieny Rakotra zaua-maitso ny tanety rehefa lohataona ary misy voninkazo dia maniry eny ho ana. Ahitsio
Eny: p.mt. : Entina manaiky, entina milaza fa ekena izaY lazaina amin' ny tena : Handeha hiaraka amiko ve iana F Eny, raha tsy misa ny sampona. ¶ M.h. : Amin'ny fitenimparitra samihafa : Ekany, eka, ia. Ahitsio
Eo: p,mt. : Milaza toerana akaiky taza-maso ka tondroina, mifamaly amin' ny ao raha tsy taza-maso fa takona : A-petraho eo ambony latabatra ny bokinao. (Apetraho ao an'efitra avaratra ny bokinao). Matetika no azo averina indroa, aloha sy aorian' ny anarana tondroiny, ny eo : Mipetraha eo ambony seza eo, ary raha milaza ny lasa ny fehezan-teny dia tovonana t izy : Niresaka teo izahay anikeheo, 1 ai. f. : Mankeo, mpankeo. Ahitsio
Eokaristia: a. : (Fiv, kat.) Sakramenta misy ny tenan'i Jesoa-Kristy, mbamin'ny fomban' Andriamanitra ao aminy, takon'ny endriky ny mofo sy ny divay. (Fia. pro t.) Araka ny fampianarana protestanta kosa, ny Eokaristia dia fahatsiarovana ny fanasan'ny Tompo fotsiny ka antsoina hoe mofom-pandraisana. Ahitsio
Eokiomenika: (fr. oecuménique) p. t. : Momba ny firaisam-pinoana: Fanopoam pivauahana eokiomenika - F.-p.: Kaonsily eokiomenika: fivorian'ny eveka rehetra eran-tany (Fiv. kat.). Ahitsio
Eoropeanina: (fr. Européen) a-: Ny fitambaran'ny firenena 33 eo ho eo monina any amin'ny tanin'i Eoropa, izay anisan'ny fizaran-tany lehibe dimy eto amin'izao tontolo izao. ? p, t.: Mikasika an'i Eoropa, an'i Eoropa na avy any Eoropa: Maro karazana ny teny eoropeanina. Ahitsio
Episkopaly: (fr. épiscopal) p. t.: (Fiv. kat.) Momba ny eveka, an'ny eveka: Kaonferansy episkopaly. Ahitsio
Epistily: a. : Taratasy ampitondraina. Ahitsio
Epistola: a. : Ireo soratra nalefan' ny Apostoly tain in' ny andro voalohany ho an'ny mpitondra fiangonana sy ireo mpiangona kristianina : Efa uoauakinao ve ny Epistolàn'i Md. Paoly ho an'ny Romanina f Ahitsio
Epo: a. : Teny entin'ny mpitaingina bisikilety hampitandrina ny mpandeha an-tongotra sao voadona. Ahitsio
Era: a. : Enti-milaza fifampiraharahana na fanalalanana. 1 t.i.f. : Eraina, voaera / manera, fanera, mpanera / anerana, fanerana. Ahitsio
Era: a. : Fangatahana na fiangaviana lalana alohan' ny hanao zavatra : Efa vita era tsara tamin'ny rainao ve ny handehananao? - t.i.f. : Erana / miera, fiera, mpiera / fierana, ierana. - F.-p, : Alaina era : erana, angatahan-dalana. / Eran'ny be sy ny maro : ankasitrahana, eken'ny be sy ny maro. / Lany era : efa nifanarahana tsara. Ahitsio
Erà: a. : Ambony; toerana iavian'ny rano mikoriana, mifanohitra amin'ny titra : Avy any erà no nidina ity lakana ital. Ahitsio
Eraina: (era) mt.ih. (erao) : Enti-milaza vehivavy izay entin' ny mpanelanelana ho an'ny lehilahy iray. Ahitsio
Erana: (era) mt.ih. (erao) : Angatahan-dalana : Erao kely a-ho fa tsY afaka hia+a anio. Ahitsio
Erana: a. : Izay mahafeno ny haben'ny zavatra anankiray manontolo, ka mety hilaza : fatra izany : Kely lavitra ny eran'ny sotro noho ny eran' ny kaopy; / na halehibeazana : Ny eran'ny lohanao ihany no halaiko ho marika hanaovana ny satrony satria mitovy ny iohanareo; / na fetra : Aza matahotra ianao fa hataoko ny eran'ny aiko; / na habe : Ohatrinona ny eran'angady amin'ny toerambomanganao? - t.i.f. : Manerana, mifanerana. Ahitsio
Eretina: mt.ih. : Jer. Eritreretina. Ahitsio
Erika: a. : Orana madinika sy manify nefa mahalena rehefa mijojo elaela. ¶ M.h. : Laviana, roram-piso, amanim-boalavo. * Ohab. : Erikerika mahatondra-drano : Ny zavatra kely sy madinika aza, rehefa mitambatambatra ela, mety hisy vokany lehibe. ¶ M.h. : Varifitoventy zato no tonga ariary. Ahitsio
Erikitra: Erikatra p.mt. : Manondro toerana somary lavidavitra ka manondro matimafy kokoa noho ny erý ary fampiasa indrindra amin'nY valin-teny : Aiza ianareo no mipetraka? Erikatra (sady tondroina ilay toerana). Ahitsio