Litera e

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Eskomonie: (f r. excommunié) a : Teny enti-milaza ny katolika noroahin'ny Eglizy noho ny heloka bevava vitany. Ahitsio
Eso: a. : Fanaovana tsinontsinona, fanamavoana : Tsy tantiko ny eson'ny mpanankarena ka aleoko mitokantokana ad ambanivohitra. ¶ M.h. : Tebaka, fanebahana, fanatsizarizariana, zimba, fanazimbana, famotsifotsiana. ~ Fanarabiana, famazivaziana, dokadoka hamazivaziana, ihomehezana : lsaky ny mandalo ilay mandringa dia matin'ny eson'ny zanakao amin'ny farahehy. ¶ M.h, : Haraby, vosobosotra, famazivaziana, famosobosarana. i tif, : Esoina, voaeso / maneso, faneso, mpaneso / anesoana,fanesoana. Ahitsio
Esoina: (eso) mt.ih. (esoy) : Tebahina, atao tsinontsinona : Matetika esoin'ny mpanankarena ny mahantra. ~ Harabina, vazivazina, ihomehezana : Tsy handalo eo intsony aho, hoy ilay mandringa, fa esoin' ireo ankizy ireo ataony hoe : Raha mandringa daholo ny tongotrao roa, dia ho toy ny an'ny olondrehetra ihany ny fandehanao. Ahitsio
Esona: a. : Fofon'aina somary lavareny eo ampatoriana avoakan'ny orona toa fenofeno; tsy mafy ohatra ny erotra izay feo mitrotroka sy toa mitrona mihitsy aza ny esona. 1 t.i, f, : Miesona, fiesona, mpiesona j iesonana, fiesonana. Ahitsio
Esorina: (esotra) mt.ih. (esory) : Alana amin'ny toerana misy azy : Esory ity vatankazo ity fa manakan-dalana. ~ Ahena, alana : Roanjato no nesoriny tamin'ny karamako. ~ Roahina, alana amin'ny raharaha : Nesorin' ny fanjakana ilay benitanàna tatsy ananona fa nanodinkodina volam-bahoaka. Ahitsio
Esotra: ft. : Enti-milaza fanalana zavatra amin'ny toerana iray, fampihenana... - t.i.f. : Esorina, voaesotra ! manesotra, fanesotra, mpanesotra / anesorana, fanesoranaj miesotra, fiesotra, mpiesotra / iesorana, fiesorana / mahesotra. Ahitsio
Espaniola: (fr. Espagnol) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Espaina: 0-lona mafana ra ny Espaniola. 1 p.t.: Mikasika an'i Espaina , an'i Espaina na avy any Espaina: Manara-ba mailamailaka izay ny dihy espaniola. Ahitsio
Esy: t.'p. : Enti-milaza fahakiviana na faharerahan-tsaina ambony ihany, tsy ahafahana manao zavatra iray : EsY! aoka ihany aho hipetraka eto! / Esy! hataoko ahoana no fangataka izany aminy ? Ahitsio
Etaketaka: a. : Rehareha, rehaka, hakevohana aseho amin' ny fihetsika toa miedinedina. ¶ M.h. : Edinedina, sitisity, tikintikina. - t.i.f. : Mietaketaka, fietaketaka, mpietaketaka j ietaketahana,fietaketahana, Ahitsio
Etena: (ety) mt,ih. (eteo) : A-tao ety kokoa : Eteo kely ny tanan'akanjoko. Ahitsio
Etiketika: a : Fireharehana amin'ny zavatra madinika; eboebo. - t.i.f. : Mietiketika, fietike. tika, mpietiketika / ietiketehana, fietiketehana. Ahitsio
Eto: p.mt. : Milaza toerana tokana eo amin'ny misy ny te-na mihitsy, mifamaly amin' ny ato raha tsy taxa-maso,ary mifanohitra amin'ny ety kosa, fampiasa raha toerana malalaka no lazaina : Mijandna eto an-trano ianao. (Mipetraha ato an'efitra atsimo. / Mahafinaritra ny monina e-t9 ambanivohitra). Momba ny fiverenany indroa sy ny milaza ny lasa, jar. Eo. - t.i.f. : Manketo, mpanketo. ? F,-p, : Eto ho eto : milaza toerana tsy tondroina marina' fa tokotokony fotsiny : Tsy fantatro marina fa eto ho eto no misy ny tranon-dry Rabevokatra. Ahitsio
Etoana: p,mt. : Mitovy hevitra amin'ny hoe eto saingy fampiasan' ny olona amin' ny kabary raha tiana ho lavalava fa tsy hentitra loatra ny teny amin'ny fandaharana : Vory etoana isika mianakavy. Ahitsio
Eton-draratra: a. : Zavona antoandro fahita amin'ny hainandro berehefalohataona. Ahitsio
Etona: a. : Setroka. ~ Gaza avy amin'ny rano ampangotrahina, izay vao mitehika amin' ny zavatra mangatsiaka, toy ny takotra, dia miverina ho rano indraY. ¶ M.h. : Fofon-drano, tf t.i.f. : Etonana, voaetona j manetona, fanetona, mpanetona j anetonana, fanetona / mahetona. Ahitsio
Etonana: (etona) mt.ih. (etony) : Setrohana. Ahitsio
Etony: p.mt. : Milaza sy manondro ny toerana misy ny tena na eny akaiky. Ahitsio
Etra: a. : Fehikibo. 1 tif, : Etrana, voaetra j mietra, fietra, mpietra j ietrana, fietrana / mahetra. Ahitsio
Etrana: (etra) mt.ih. (etrao) : Asiana fehikibo : Etrao ny pataloan'io zaza io fa miborotsoka. Ahitsio
Etrena: (etry) mt.ih, (etreo) : Ampidinina, ahana ny haavony. Ahitsio