Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fahizay: p,mt. : Taloha, fahiny, hatrany hatrany. Ahitsio
Faho: a. : Fifangaroana, fitambaran-javatra roa tsy mitovy, ka ny iray ilaina fa ny iraY ' tsy ilaina nefa sarotra akifika, fanampiny, - t.i.f. : Fahoana, afaho, voafaho / mamaho, famaho, mpamaho / amahoana, famahoana / mifaho, fifaho, mp?faho / ifahoana, fifahoana / mifamaho, mifamahofaho / mahafaho. - F.-p. : Tsy misy fahony, tsy misy fahompahony : madio tsisy fangarony. / Vary faho : vary amin' anana, Ahitsio
Fahoana: (faho) mt.?h, (fahoy) : Ampifangaroina. Ahitsio
Fahombiazana: (omby) a , Fandresena, fahazoana vokatra tsara, fandairan'ny fanafody. Ahitsio
Fahonena: (onena) a. : Fangorahana, fitserana, tse-po. Ahitsio
Fahoriana: (ory) a : Alahelo lehibe, fijaliana, fiferinaina : Latsaka ao anatin'ny faho" riana izy. ? Loza, voina, fahafatesan-kavana : Azom-pahoriana ny fianakaviany. Mamangy anareo amin'ny fahoriana izahay, tompoko. Ahitsio
Fahosana: (osa) a. : Halemena, tsy fahatanjahana : Tsy hita noanoa ny fahosan'ny olombelona. Ahitsio
Fahotana: (ota) a. : Fandikana ny didin' Andriamanitra, ota, heloka, • F.-p, : (fiv. kat.) Fahotana madinika : ota madinika, tsy mahasimba ny fihavanana a-min' Andriamanitra. / Fahotana mahafaty : ota lehibe, makadiry, mahavery ny fahasoavana mahamasina. Ahitsio
Fahoviana: P.mt. : Hatry ny e-la, efa hatry ny ela be. Ahitsio
Fahy: a.: Fanatavezana ny biby ompiana : Tsy nataonao tsara fahy it? omby it? ka mahia. - t.i.f. : AfahY, voafahY f mamahy, famahy, mpamahy / amahazana, famahazana/mifahy, fifahy, mpifahy / ifahazana, fifahazana / mahafahy, Ahitsio
Faidrantsa: (Ski) a : Karazan' akorandriaka maranitra ohatra ny homamanta ka mora tapaka raha mahavoa ny tongotra sady sarotra esorina. Ahitsio
Faika: a. : Fipaoka, fifaohana. 6 t.i.f. : Faikaina, voafaika / mifaika, fifaika, mpifaika / ifaikana, fifaikana / mahafaika. Ahitsio
Faika: Faikany a. : Izay mijanona amin'ny zavatra iray rehefa nofiahina na nesorina ny ranony : Aza ariana eto ny faikam parinareo. ? H.i. : Ny ratsy efa nanalana ny tsara, ny lany tsiro. - t.i.f. : Faikana, mafaika. Ahitsio
Faikaina: (faika) mt.ih. (faikao) : Faohina, angalarina, tselehina. Ahitsio
Faikana: (faika) p. t. : Misy faikany. Ahitsio
Failandey: (fr. Finlandais) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Failandy: I Helsinki no reniuohitry ny Failandey. ? p.t.: Mikasika an'i Failandy, an'i Failandy na avy any Failandy: Fanamboarana koba fanaouan-taratasy no orinasa failandey malaxa indrindra. Ahitsio
Faingana: p.t. na p.mt. : Tsy e-la, malaky, mandritra ny fotoana fohy dia fohy : Zaza faingan-tanana. / Tongava faingana fa manavy ny zanakao. - t.i.f.: Faingàna, hafainganina / manafaingana, fanafaingana, mpanafaingana / anafainganana, fanafainganana / hafaingana, hafainganana, fahafainganana / mahafaingana. ?Fa?ngam-bava: 1)mailaka er? raha hiteny, rafla hamaly; 2) tsy mahatam-bava. / Faingan-tanana: fatra-pandrairay zavatr'olona. / Faingan-tongotra: mahery mandeha. / Faingan-tsaina: malady mahazo, malady mahay fianarana. / Maika tsy faingana: dodona er? manao zavatra na mandeha, nefa tsy mahavita na tonga faingana akory. * Ohab.: Maika tsy faingana toa dian'ondry: enti-milaza olona miseho ho dodona ers). rie fa tsy hita izay afany. Ahitsio
Faingàna: p.t. amin'ny fomba mandidy : Tongàva, miverena faingana : Faingàna fa aza mijanona ela any. Ahitsio
Faingo: a, : (,) Mari-pijanonantsoratra entina mampisaraka zavatra tanisaina : Ny lehibe, ny kely, ny lehilahy, ny vehivavy tonga daholo rehefa olona tao an-tandna; / mampisaraka tapa-pehezanteny mifanohitra na mifampita : Ny basy tsy re lauitra, fa ny teny no re lavitra. a F,-p, Faingo mihantona: faingo ambony (') izay ampiasaina amin'ny famenonteny milaza tompon-javatra : Tranon'alika; / amin'ny famenon'ny mt.ih. : Nouakin' ny saka, Ahitsio
Faingoka: a. : Vy na hazo misy miforitra; vy misy motiny entina maka hazandrano. Ahitsio